Jejoo

Dans la même rubrique

Andro eran-tany ho an’ny angano : Hivoaka amin’io ny boky angano an’i Ranaivo Rafenomanjato Patricia

19/03/2019

Hankalazaina rahampitso 20 martsa ny andro maneran-tany ho an'ny angano. Hanamarika izany ny ao amin’ny Ivon-toeran’ny Kolotsaina Malagasy (IKM) sy ny Federasiona Mpikanto Teny sy Soratra (FMTS). Mandritra izany no

 Lire la suite...

BNI Andranonahoatra Olona handrotsaka vola, voatifitra

19/03/2019

Omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora sasany maraina teo no nitrangana fanafihana teo amin’ny banky BNI Andranonahoatra Itaosy.

 Lire la suite...

Fifaninanana mamaky teny Ankizy 31 no tafakatra amin’ny manasa-dalana

19/03/2019

Ankizy sy tanora miisa 73, teo anelanelan’ny 10 hatramin’ny 15 taona, no tonga nifaninana namaky teny, tao anatin’ilay « Championnat de lecture », nokarakarain’ny Alliance française d'Antananarivo, tamin’ny sabotsy lasa teo.

 Lire la suite...

“Tremplin Music’al Run” ao La Réunion: Mandray anjara i Océane Rama, malagasy

19/03/2019

Fifaninanana hisafidianana ireo mpanakanto vao misondrotra eo amin’ny sehatry ny mozika ny “Tremplin Music’al Run”.

 Lire la suite...

Varotra akanjo sy kiraro Mora be ny entana, rehefa manao “destockage” ny botika

19/03/2019

Any am-pitandranomasina any dia voafaritry ny lalàna mazava ny daty sy ny fe-potoana fanaovana varo-boba, na “solde”, na ihany koa “destockage”.

 Lire la suite...

Sambatra Fandresena, 14 volana Misy fivontosana ny ati-dohany, hodidiana fanin-droany

19/03/2019

Zazalahy kely vao 14 volana monja Andriamanantsoa Sambatra Fandresena. Tojo tsy fahasalamana tanteraka anefa izy ankehitriny. Misy fivontosana ao anaty ati-dohany izay fantatra fa mizara roa samihafa. Ny iray efa voadidy soa aman-tsara rehefa nesorina.

 Lire la suite...

LOZAM-PIARAKODIA - TAMBAZOTRAN-TSERASERA Mitady “j’aime” fa tsy mba manavotra ireo mpandalo

18/03/2019

“Toe-javatra mampalahelo amin’izao, ny nahamay ny sasany dia ny mitifitra sary ireo olona nihitsoka tao ambany fiara fa tsy nisy mihitsy namonjy izany”.

 Lire la suite...

Actualités

Tantaran’ny 29 martsa 1947 Ho ampahafantarina ny rehetra etsy amin’ny zaridain’Antaninarenina

14/03/2019

Malagasy 100.000 ka hatramin’ny 200.000 no namoy ny ainy ho an’ny tolo-panafahana izay natao ny 29 martsa 1947.

 

 Raha tsiahivina ny tantara dia nisy fifanandrinana goavana teo amin’ny Frantsay, izay nanjanaka an’i Madagasikara sy ireo mpivondrona tao amin’ny MDRM ( Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache) ny alin’io 29 martsa 1947 io. Daty manan-danja tokoa izy io saingy mbola maro ireo tsy mahafantatra ny zava-nitranga tamin’izany. Andro vitsy sisa dia higadona ny fankalazana ny 29 martsa amin’ity taona ity ka hanamarihana izany indrindra sy entina hampahafantarana ny tantara dia misy ny hetsika izay karakaraina etsy amin’ny zaridain’Antaninarenina ny 21 sy 22 martsa ho avy izao. Nampitondraina ny loha-hevitra hoe “1947, ndeha hanao dian-tana isika : hamantatra ny tantara sy hamolavola ny ho avy” ity hetsika ity. Amin’ny endrika maro no entina hampahafantarana izany tantaran’ny 29 martsa izany mandritra ireo roa andro ireo. Isan’ny ho hita amin’izany ny fampirantiana, ny famelabelaran-kevitra, ny tao kanto, sns. Amin’ny 9 ora maraina no hanomboka ny hetsika ho an’ireo andro roa ireo ary hifarana amin’ny 5 ariva. Hisokatra ho an’ny rehetra moa ity hetsika ity.

 

Meva

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo