Jejoo

Dans la même rubrique

Otra nentim-paharazana : Rora sy sira, … no ampiasaina

24/05/2019

Manan-danja tokoa ny otra eo amintsika Malagasy. Betsaka izy ireo amin’izao fotoana : kinésithérapie, ostéothérapie, reflexothérapie sns. Ho an’ny lahatsoratra androany dia ny otra nentim-paharazana Malagasy no ndeha horesahantsika.

 Lire la suite...

Mampisy « mycose » ny mipetraka mampisakambina tongotra !

23/05/2019

Mandeha ho azy tokoa eo amin’ny vehivavy ny mampisakambina tongotra rehefa mipetraka ambony seza.

 Lire la suite...

Lehilahy te-ho salama : tilio ny aretina!

20/05/2019

Na lahy na vavy, na mbola kely na efa lehibe, dia tokony hitandri-tena avokoa mba ho salama tsara. Ho an’ny lehilahy manokana dia misy ireo fihetsika tokony arahina, manomboka amin’ny faha-15 taonany hatramin’ny faha-75 taonany, hisorohana ny fihavian’ireo aretina.

 Lire la suite...

Menaka kinàna : Manasitrana!

17/05/2019

Menaka efa ela no nisy teto amintsika, saingy an-kavitsiana no tena mampiasa azy, ny menaka kinàna. Efa entin’ireo olona fahiny mitsabo aretina maro ihany koa anefa izy io. Santionany ireto.

 Lire la suite...

Homamiadan’ny tranon’atodinaina : Tsy misy fambara!

16/05/2019

Trangana homamiadana azo sorohina, raha hita taratra mialoha, ny homamiadan’ny tranon’atodinaina. Amin’ny ankapobeny anefa, dia misoko mangina izy io, hany ka mitarika any amin’ny fahafatesana satria tsy voatsabo intsony…

 Lire la suite...

Ady gasy ody kohoka sy sery ho an’ny ankizikely

10/05/2019

Manana ilay antsoina hoe « ady gasy » ihany koa isika hitsaboana ireo tsimetimety amin’ny vatana. Araka izay maha-ady gasy azy izay dia nalaina tamin’ny lovan-tsofina izy ireo. Ireto ohatra ny ody kohoka sy sery, rehefa miseho amin’ny ankizikely.

 Lire la suite...

Firafitry ny nify : mety hankarary lamosina !

08/05/2019

Mety hankarary ny lamosina ny firafitry ny nify. Tsy hampoizina kanefa tena misy tokoa. Ity no antsoina hoe “scoliose”, hoy ny dokotera.

 Lire la suite...

Santé

Tsiry mpanentana mikorontana : manatona dokotera raha…

14/03/2019

Mety hiaina fikorontanan’ny tsiry mpanentana ny vehivavy. Rehefa milamina anefa ny toe-batana sy ny saina dia tokony hiverina ho ara-dalàna izany. Raha tsy izay dia aleo manatona dokotera.

 

 

 

Antony maro

Tsy tena ahitana antony manokana ny mahatonga ny fikorontanan’ny tsiry mpanentana eo amin’ny vehivavy, indrindra raha tsy toe-batana. Na izany aza anefa, misy tranga iainan’ny vatana, mety ho isan’ny manosika azy : ny vohoka, ny fidirana amin’ny fitsaham-pitsaihana, ny fitsaham-pitsaihana, ny rarin-tsaina, ny fidirana amin’ny fotoana maha-maoty sns. Mety misy hidiran’ny tarazo ihany koa anefa ny fikorontanan’ny tsiry mpanentana, na, raha lasa lavitra, dia homamiadana.

Soritra

Maro ny soritra hamantarana fa mikorontana ny tsiry mpanentan’ny vehivavy iray :

·         Fidinan’ny filàna, fahamainan’ny fivaviana,

·         Mirongatra na tsy maniry firy ny volo,

·         Harerahana, rarin-tsaina, fahakizintinana

·         Mony,

·         Hoditra maina sy makina,

·         Volo miha-manify tampoka,

·         Hoho mora tapaka,

·         Fitohanana na olana amin’ny taovam-pandevonan-kanina,

·         Tsy fahitana torimaso,

·         Fahatsapàna hatsiaka tampoka sy matetika, hatsembohana tafahoatra,

·         Fihenan’ny lanja na fitomboan’ny lanja tampoka,

·         Sns

Aleo manatona dokotera

Raha tsikaritra ho mitambatambatra ireo soritra ireo dia aleo manatona dokotera. Tsy tokony atahorana loatra ny fikorontanan’ny tsiry mpanentana raha tsy hoe : manohintohina ny fipetrahan’ny zaza, ny diabeta, ny hatavezana tafahoatra, ny mony mirongatra be.

Fisorohana

Mifototra amin’ny fomba fiaina ny fisorohana ny fikorontanan’ny tsiry mpanentana : sakafo ara-pahasalamana, fampiasam-batana, rarin-tsaina, fandanjalanjana ny zavatra atao sy hanina, tsy mifoka sigara, tsy misotro toaka.

Nelly-Bri

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo