Jejoo

Dans la même rubrique

Faites ce que vous voulez, avec ce que vous avez, là où vous êtes

19/03/2019

Ny ankamaroan’ny Malagasy dia manondro molotra ny mpitondra Fanjakana ho fototry ny tsy fandrosoana misy eto amin’ny Nosintsika.

 Lire la suite...

« Ta vie est le résultat des choix que tu fais. Si tu n’aimes pas ta vie, il est temps de faire de meilleurs choix. »

04/03/2019

Amin’ny maha-krisitianina ny ankamaroantsika dia betsaka tokoa ireo manankina tanteraka ny fiainany eo ambaniny fiahian’ilay Nahary. Izy rahateo no mbola nanome taona vaovao, manome aina sy manome fahasalamana ahafahantsika tsirairay avy mbola afaka mankamamy ny fiainana sy mampiasa azy amin’ny tokony ho izy.

 Lire la suite...

« Les erreurs sont toujours pardonnables ; Seulement si celui qui les a commises a le courage de les admettre. » Bruce Lee

21/02/2019

Saika isan'andro dia maharay hafatra miafina avy aminao mpamaky ny Jejoo mahakasika olana : ara-tokantrano, ara-pitiavana, ara-pifandraisana.

 Lire la suite...

« Puisqu’on ne peut changer la direction du vent, il faut apprendre à orienter les voiles » James Dean

20/02/2019

Betsaka ny zavatra miseho na mitranga amin’ny fiainana no tsy azo atao na inona na inona, milatsaka tampoka tsy mampilaza izy ireny matetika ary mety mahakasika zavatra maro amin’ny fiainana : asa, fitiavana, …

 Lire la suite...

Le bonheur est le meilleur des cosmétiques. (Bobbi Brown)

19/02/2019

Miara-mahatsikaritra daholo angamba isika fa rehefa tezitra, na malahelo, dia tsy mihiratra mihitsy ny endrika.

 Lire la suite...

« L’amour fait naitre la jalousie mais la jalousie tue l’amour. » Christine de Suède

18/02/2019

Tsy hay intsony ny hangina manoloana ny habibiana mihatra amin’ny vehivavy tato anatin’ny volana maromaro izay, ary manerana an’i Madagasikara. Hatramin’ny tapatapaky ny volana 2015 ka hatramin’izao mantsy dia maro ireo tranganà hasarotam-piaro diso toerana nahavitan’ny lehilahy namono ny olon-tiany na ny vadiny tamin’ny fomba feno habibiana :

 Lire la suite...

« Le pire risque, c’est celui de ne pas en prendre»

13/02/2019

Mba hahatongavana amin’ny tanjona iriana dia mila fikirizana ny fiainana. Tsy ampy anefa izay fikirizana izay raha tsy ampiana fahasahiana betsaka.

 Lire la suite...

Citation

« La reconnaissance est la mémoire du cœur » Hans Christian Anderson

14/03/2019

Noho ny hasarotan’ny fiainana, noho ny hamafin’ny fitadiavana dia miha-miova ny toe-tsaina. Tsy dia hita taratra amin’ny fiaraha-monina intsony izany fahaizana mizara sy mankasitraka izany.

 

 Raha misy olona mividy zavatra amin’ireny epicerie ireny dia tsikaritra fa tsy mba misy misaotra loatra fa azo ny entana novidiana dia lasa. Raha misy olona mifanakaiky toerana eny ambony taxi-be ka misakafo ny iray ohatra dia tsy mba mizara na manasa akory fa mihinan-drery izy ary tahaka ny mandeha ho azy izany aminy. Raha misy olona namonjy tamin’ny sarotra kosa ka nanome vola noho ny fahamaizana isa-karazany dia mahavariana fa iny olona namonjy iny indray no sahirana vao hahazo ny volany any aoriana, havezivezy, hapetrapetraka… tsy mba tsaroana ilay soa nataon’ilay olona satria izay hihinanan’ny vava no hatao, tsy misy izany fankasitrahana sy fanajana ny teny nomena izany. Tsy mahagaga noho izany raha fiaraha-monina itoeran’ny lonilony sy ny tsy fanajana eto amintsika. Tsotra anefa ny manarina izany : fenoina fitiavana ny fo, ampiana fandeferana dia mandeha ho azy ny zavatra rehetra, tsy ilana ezaka intsony akory izany mankasitraka sy mizara izany.

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo