Jejoo

Dans la même rubrique

Vahaolana ho an’ny hoho mihamavo, mora tapaka, …

19/03/2019

Betsaka ireo karazana fahasimbana mety hahazo ny hoho. Mety ho noho ny fahasalamany sy ny toetoetrany izany, kanefa mety ho avy amin’ny akora nampiasainao taminy ihany koa. Soa fa misy ary azo arahina tsara ireo vahaolana mety ho an’ny olana tsirairay…

 Lire la suite...

Manadio tarehy amin’ny tantely, miaro amin’ny kentrona sy firorahana

18/03/2019

Akora tsotra sy natoraly ary sakafo feno ny tantely. Raha hikolo endrika aminy, dia amarino tsara mba ho ireny tantely tsy mitapoka ireny no ampiasaina. Tsotra kely ny fanao azy, raha hanadio tarehy aminy.

 Lire la suite...

Ny fomba fikarakarana tarehy tsy manana olana…

15/03/2019

Betsaka amin’ny vehivavy tsy manana olana loatra eo amin’ny tarehy, na manana tarehy ara-dalàna, no manapa-kevitra ny tsy hikitikitika ilay hodi-tava mihitsy sao miova ny kalitaony.

 Lire la suite...

Dingana 3 manala « points noirs » eo amin’ny orona

13/03/2019

Na manelingelina be aza ny mahita ireo teboteboka madinika maintimainty eo amin’ny tampon-korona dia tsy azo atao mihitsy ny manapotsitra azy ireo na mikaoka azy amin’ny hoho. Misy ny dingana arahina sy ny fomba natoraly atao rehefa te hanaisotra azy ireny.

 Lire la suite...

Ny tokony hatao isan’andro, rehefa manadio tarehy…

12/03/2019

Averimberina foana fa dingana iray tena lehibe amin’ny fikoloana endrika ny fanaovana « démaquillage » na ny fanadiovana tarehy indroa isan’andro.

 Lire la suite...

Maska “yaourt” atao alina, manja ery ny maraina!

11/03/2019

Na andro na alina dia mila tandrovana tsara foana ny tarehy. Ity maska fanao amin’ny alina ity, dia hampazava sy hanadio endrika vao maraina, manala ireo loto nipetaka be teo no sady manaisotra ireo mivoara mena ihany koa, rehefa maraina ny andro. Akora natoraly no hanaovana azy.

 Lire la suite...

Mme Elima : Mijanona natoraly fa niha-manja ery!

08/03/2019

Azo araraotina tsara mba hikarakarana endrika amam-bika ity andro natokana ho an’ny vehivavy anio ity, indrindra fa ho an’ireo variana mikarakara tokantrano amin’ny andavanandro.

 Lire la suite...

Beauté

Lalàna 6 mahatsara ny tongotra mandavan-taona …

14/03/2019

Andro mafana, orana sy fotaka, vovoka… mety hanimba ny tongotra avokoa izany. Raha voafehinao tsara anefa ny “lalàna”

 

 mikasika ny fikarakarana  tongotra dia ho hitanao fa na any amin’ny vanim-potoan’ny hatsiaka aza dia tsy hihontsona ihany koa ny tongotrao. Ahoana ny atao mba hananana tongotra mahafatifaty mandavan-taona ?

 

Mahay manety hohon-tongotra 

Mahasalama ny hohon-tongotra fohy no sady tsy manimba kiraro. « Coupe-ongles » no tsara ampiasaina ary atao miendrika efa-joro mihorirana tsara mba tsy hitarika an’ireny « ongles incarnés » ireny, izany hoe : misisika maniry any ambany hoditra ilay hoho. Mampiasa “lime” avy eo mba tsy haranitra be ireo hoho ary arahina “polissoir” indray mba hamaranana ny fikoloana azy.

 

Manokana fotoana hanadiovana

Rehefa atao “gommage” matetika ny tongotra dia malefaka ilay hoditra eo aminy, indrindra fa ny eo amin’ny vodin-tongotra. Aza miandry “gommage” foana anefa vao hikosoka tongotra, fa koseho malefaka izany isan’andro, mba hahatsara azy.  

 

Manamandina foana

Na hivoaka ny trano na tsia ; na hanao kiraro feno na hampiseho tongotra … amandino foana izy ireo. Raha maina foana mantsy ny tongotra dia mora vakivaky. Raha maina sy makina indray ny hoditra manify kely manodidina ny hoho dia tsara raha mampiasa “gel de soin special cuticule”. Vidiana manokana eny amin’ny mpivarotra kojakoja fikoloana endrika amam-bika izany. Ahosotra amin’ny faritra manodidina ny hoho io akora io mba tsy harary sy hiendakendaka ireo hoditra manify ireo.

 

Miady amin’ny hatsembohana

Raha tsembo-dava ny tongotrao dia hosory « talc », indrindra fa ny eo amin’ny vodin-tongotra izay foiben’ny taova mpamokatra hatsembohana. Raha tena tafahoatra anefa izay hatsembohana izay dia aleo mividy « crème anti-transpirante » eny amin’ny farmasia.

 

Miady amin’ny kitro

Raha tsy tiana hisy kitro ny tongotra dia fadiana ny kiraro tery be na mangeja ny lalan-drà.  Tsy tokony hikosokosoka na hikiky ny hoditra  koa anefa ny kiraro, izay zava-pitranga rehefa somary malalaka izy. Raha mbola azo atao koa dia ajanona ny kiraro manimba hoditra sy ny bà vita amin’ny akora sentetika, izay mampifitsaka ny hadirin’ny  hoditra eo amin’ny tongotra.

 

Manala havizanana

Aza atao tsirambina mihitsy ny manome fahafinaretana ny tongotra, rehefa vizana. Lomana ao anaty koveta misy rano mafana sy sira izy, akimpy ny maso, mandritra izany ary atao mandritra ny 15 minitra izany. Tondrahana rano mangatsiaka indray avy eo ny ranjo. Rehefa vita izay dia mipetraka eo ambony seza ary manitsaka tavoahangy feno rano. Lalaovina amin’ny tongotra ilay tavoahangy, miala eny amin’ny rantsana dia alefa mankany amin’ny vodin-tongotra. Manitsaka kanety indray avy eo ary tsy ajanona raha tsy efa mahazo aina tsara. Manao kapakapa maivana, aorian’izay, ary tsy terena ny elakela-drantsana. Mialohan’ny hatory dia orina kely ny faladia sy ny ranjo.

 

Isaorana ny Salon de Beauté Haihaingo Andavamamba, ampitan’ny MadaHotel tamin’ny fiaraha-miasa. Izy ireo, izay manome tolotra sy fihenam-bidy ho an’ireo mitondra gazety Jejoo eny an-toerana. Fifandraisana : 033 82 965 29

 

Ando 

  

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo