Jejoo

Dans la même rubrique

Seha-pihariana Lany ny lalàna mifehy ny vokatra biolojika

16/05/2020

Nolanian’ireo solombavam-bahoaka ny talata 12 mai lasa teo teny amin’ny CCI Ivato ny volavolan-dalàna laharana faha-010/2019 tamin'ny 28 novambra 2019, izay mifehy ny famokarana biolojika eto Madagasikara.

 Lire la suite...

FANAFIHANA TAO FENERIVE-EST : Fianakaviana ihany no nanao azy

15/05/2020

Olona miisa 04 ahitana lehilahy 02 sy vehivavy 02 no voasambotry ny polisy miasa ao Analanjirofo izay isan'ny nandray anjara tamin'ny fanafihana mitam-piadiana niseho tao amin'ny fokontany Ambodihazinina kaominina Ambatoharanana Distrikan’i Fenerive-Est ny 05 May nifoha 06 May lasa teo.

 Lire la suite...

Tanjondava Talatamaty Nahazo EPP vaovao

07/05/2020

Anisan’ireo Fokontany 12 be olona sahirana indrindra ny Fokontany Tanjondava ao anatin’ ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

 Lire la suite...

Mpianatra hanala fanadinana Nampitoviana ny fandaharam-potoana isaky ny sokajy

24/04/2020

Nizotra araka ny tokony ho izy ny fampidirana ny mpianatra hanala fanadinana tany amin'ny Faritra toy ny tany Matsitra Ambony , Antsiranana, Diego,

 Lire la suite...

Tsenan’i Mahamasina : niverina tsikelikely

24/04/2020

Niverina tsikelikely nandray ny asany isan’alakamisy ireo mpivarotra eny amin’ny tsena Mahamasina

 Lire la suite...

MPANAKANTO Nampian’ny Ministeran’ny kolontsaina

22/04/2020

Tsy ireo marefo ara-pivelomana irery fa saika misedra ny fahasahiranana ateraky ny fihibohana avokoa ny isan-tokantrano amin’izao. Ho an’ireo mpanakanto manokana izay ahitana ny mpihira,

 Lire la suite...

Masoivoho Frantsay : Hisy sidina roa haka ireo frantsay tsy tafody

21/04/2020

Hisy sidina manokana hiainga avy eto Antananarivo ho any Parisy ny alakamisy 23 aprily izao. Sidina nalefan'ny Air France ary niainga avy ao La Réunion izy ity.

 Lire la suite...

Ado

Princie sy Mendrika : Nametraka taratasy hafahafa, dia tsy hita

06/03/2019

Nanomboka ny alatsinainy hariva teo no tsy hita i Princie 12 taona sy i Mendrika 14 taona, mpiara-mianatra.

 

 

 Nandefa antso ombay mitady tao anatin’ny tambajotran-tserasera ny renin’i Princie, nangataka fanampiana ny mba hanaparitaka sy hampilaza azy ireo raha misy mahita azy roa vavy ireto. Raha tsiahivina ny tantaran’ireto ankizivavy ireto dia niala tao an-tranony eny Ambatomaro, rehefa avy nisakafo antoandro tao izy roa vavy ireto, ka tsy niverina intsony, raha iny handeha hianatra hariva eny Ankadindramamy iny. Nambaran’ny fianakavian’i  Princie fa tonga nitady ny rainy tao an-tranony izy roa vavy ny maraina. Tsy tao anefa ilay rangahy tamin’izay. Avy nisakafo atoandro teny Ambatomaro izy roa vavy ireto no nametraka taratasy milaza hoe : “aza malahelo ianareo fa tsy maintsy mandeha izahay…” Iny handeha hianatra hariva iny, tokony tamin’ny 12h45, no tsy niverina nody intsony. Tsy nisy olana tsy nisy adiady hoy hatrany ny fianakaviana fa dia tsy hita fotsiny izy roa vavy. Efa teny amin’ny pôlisy sy zandary ny ray aman-drenin’ny roa tonta. Omaly, araka ny vaovao voaray farany dia hita teny Ampitatafika izy roa vavy ireto. Avy hatrany dia nandefa fampilazana tao amin’ny tambajotra ny renin’i Princie nilaza ny fahitana azy ary nofafana ilay antso ombay mitady teo aloha. Tsy fantatra kosa raha nipetraka taiza na niafina taiza ireo ankizivavy nandritra ny alin’ny alatsinainy teny Ampitatafika teny.

 

Aina

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo