Jejoo

Dans la même rubrique

Tetikasa Vakana CEG Project : Hanabe ny adolantsento ny amin’ny lanjan’ny miralenta

20/02/2019

Tamin’ity volana febroary ity no natomboky ny avy ao amin’ny Teach For Madagascar ny tetikasa Vakana CEG Project.

 Lire la suite...

Andeha haka tahaka ny fiakanjon’i Violetta

03/08/2018

Isan’ny zatovo nanamarika iny taona 2014 iny ilay mpilalao sarimihetsika Martina Stoessel na « Violetta », izay vao 16 taona monja.

 Lire la suite...

Mandeha « boite de nuit »…mamotika fiainana ?

08/11/2017

Isan’ny safidian’ny olona ny « boite de nuit » rehefa te hiala voly sy hifaly hiaraka amin'ny namana. Ho an'ny sasany dia fanalana izay heverina ho vesatra na ara-tsaina na ara-batana no anton'ny andehanana « boite de nuit ». Mety ve anefa ny mandeha « boite de nuit » ?

 Lire la suite...

Vehivavy 14 taona ao. Nisaraka tamin’ny sipako aho nefa lasa malahelo be azy, tsy mety adinoko mihitsy izy. Mety ve ny mbola hiverenana amin’ny olon-tiana taloha ? Raha tsy mety, mba toroy hevitra aho hanadinoako azy fa mijaly be.

02/08/2016

Maharary foana rehefa ny olona mbola tiana no mandao. Na izany aza anefa, rehefa hita fa tsy mety intsony ny mifamerina, na tsy afaka ny hifamerina intsony, dia ilaina ny manadino.

 Lire la suite...

Tovovavy botabota mahay miakanjo

27/05/2015

Manana ireo mampiavaka manokana ny bikany ny tovovavy botabota. Azo aderadera sy omena lanja tsara izy ireny, satria tombony mampiavaka ny dongadonga amin’ireo mahitsihitsy bika.

 Lire la suite...

ZAVOKA AMIN’NY CREVETTES : ho an’ny cholestérol diso miakatra loatra

23/02/2015

Fikarakarana : Zaraina roa manaraka ny lavany ny zavoka. Esorina ny voany, tondrahana ranom-boasarimakirana ny nofony mbola ao anaty hodiny, mba tsy hivalomainty. Tsihifina tsara ny patsa be nandrahoina tamin’ny rano. Afangaro amin’ny maiônezy sy ny ketchup. Ahitsy ny sira sy ny dipoavatra raha ilaina. Tsara kokoa ny tsirony raha masiatsiaka. Zaraina amin’ireo antsasaka zavoka ny fangaro patsa be sy maiônezy teo. Haingoina oliva sy persily dia aroso mangatsiatsiaka.

 Lire la suite...

Salade de fruits au yaourt : « Gouter » misoroka ny hatavezan’ny adolantsento

18/02/2015

Akora ilaina ho an’olona 4 : - Frezy 200g - Papay 200g - Poara 150g - Tantely 4 sk

 Lire la suite...

Ado

Fanojo (voalaza fa very) : Vidin-kiraro tsy voaloa 45.000Ar no nampitsoaka azy

26/02/2019

Niantoka kiraro fa tsy nahalafo izany no nahatonga an’i Fanojo, 15 taona nitsoaka. «Tsy nanampo azy izay ho velona intsony aho». Io no tenin’ny reniny raha nanontaniana raha nilaza momban’i Fanojo.

 

 

 

Nitebiteby, nitady azy ny fianakaviana

Tsy hita nanomboka ny  alatsinainy 18 febroary hariva sahabo tamin’ny 5ora sy sasany ity mpianatra ity, ary mbola nilalao basikety izy no nilaozan’ireo namany. Niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera sy ny haino aman-jery sasany izany izay nilaza fa “mitaintaina mafy izahay fianakaviany”, hoy ny zokiny, Sévina. Velon-tebiteby ny  ray aman-dreniny sy ny iray tampoho aminy nandritra izany, efa nikaroka tamin’ireo namany sy havany ary olom-pantany teto Antananarivo Renivohitra. Tonga hatrany amin’ny tranom-paty mihitsy aza, ary nifandray tsy tapaka tamin’ny mpitandro filaminana sy ny mpampahalala vaovao.

Nisy nahita teny Ankazobe

Ny ampitso tolakandron’io, ny  19 febroary, naharay antso ireo fianakaviana fa tsikaritry ny mponina mirenireny any Ankazobe ilay zazalahy tsy hita teto Andrenivohitra. Tamin’io ihany, nandray fiara nihazo ny Renivohitr’i Vonizongo ireo ray aman-dreniny. Raha vantany vao tonga tany izy, niantso ny mpanao gazetinay, mbola sempotra : “Misaotra amin’ny fifampitam-baovao,  tamin’ny tambazotram-piarahamonina, indrindra niara-nizaka taminay ny tebiteby tamin’ny fitadiavana ilay zaza, vao mahatazana azy mihitsy aho izao fa rahampitso ianao antsoiko”. Izany no tenin’ny reniny tamin’izany izay mbola tao anaty ranomasom-pifaliana.

Resaka kiraro

Raha ny tafa farany nifanaovana tamin’ny antso an-tariby afak’omaly, nilaza ireo ray aman-dreniny fa resaka kiraron’ny namany tsy lafo no nampandositra ilay zazalahy. “Niantoka kiraron’ilay namany izy izay mitentina 45.000 Ariary, kinanjo tsy mety lafony izany nefa ireo namany tsy manaiky fa vola no nifanarahana fa tsy misy entana miverina izany. Noho ny tahotra ireto namany sy ny tsy fahasahiany nilaza izany taminay, hany heriny, lasa izy nitsoaka. Ankazobe no noheveriny fa lavitra tsy ahitana azy. Nataony saran-dalana izay hany mba tahiriny, tsy azony an-tsaina velively ny ho sakafony sy ny trano fonenana”. Araka ny tenin’ny reniny hatrany.

Tsy mety mianatra

Noho ny tahotra ireo namany, mbola tsy mety mianatra i Fanojo, efa nanatona ny manam-pahefana eo an-toerana, ao amin’ny fokontany iray misy azy ireo amin’ny faritry ny  Distrika faha-dimy eto Andrenivohitra ny ray aman-dreniny ary nametraka fitarainana sy hampanao raharaham-pihavanana handravonana ny raharaha. Efa lany mihoatra ny vidin’ireo kiraro ireo ray aman-dreny nitadiavana ity tovolahy ity.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo