Jejoo

Dans la même rubrique

Fanomanana ny ririnina Hanangona fanampiana ho an’ireo sahirana ny fikambanana SOS Zazagasy

21/02/2019

Ho fiatrehana ny ririnina dia mikarakara hetsika fanangonana fanomezana ho an’ireo ankizy sahirana eto an-drenivohitra ny fikambanana SOS Zazagasy. Fikambanana iray miahy ireo ankizy tsy manan-kialofana moa ity fikambanana ity.

 Lire la suite...

Foodwise : Manangona ireo sakafo tsy lany eto amintsika, mba ho an’ireo ankizy sahirana sy kamboty

21/02/2019

Niova anarana ary nivadika ho Foodwise, ilay tetikasa « Manzer Partazer » izay miompana amin’ny fanangonana ireo sakafo tsy lany eny amin’ny tsena lehibe sy ny hotely, ary zaraina amin’ny ankizy sahirana.

 Lire la suite...

Ady amin’ny tsifanjariantsakafo Olona miisa 174.400 isa no hahazo tombontsoa amin’ny tetikasa HIAKE

21/02/2019

Ny 8,5%-n’ny zaza latsaky ny 5 taona no tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, araka ny antontan’isan’ny biraom-paritry ny fanjariantsakafo any an-toerana, tamin’ny taona 2017.

 Lire la suite...

Naolany nandritra ny 20 taona ny zana-badiny, niterahany zaza 10

12/01/2018

Efa hatramin’ny faha-14 taonany ity zazavavikely iray tao Argentine ity no naolan’ny dadakeliny.

 Lire la suite...

Hasarotam-piaro : notifirin’ilay mpitandro ny filaminana ny vadiny

11/01/2018

Mpivady niady noho ny hasarota-piaro no tsy nahafehy tena, ka saika nifamono ho faty, tao Montréal Kanada ny sabotsy lasa teo.

 Lire la suite...

Hain-trano : ankizy 4 niara-namoy ny ainy tamin’ny rainy

10/01/2018

Olona 5 no indray namoy ny ainy tao Mulhouse, Haut-Rhin Frantsa vokatry fahamaizana nahazo ny trano fonenan’izy ireo.

 Lire la suite...

Lozam-piarakodia : mpirahalahy niara-maty voafaokan’ny fiara

28/12/2017

Mpandeha an-tongotra miisa roa no indray voafaokan’ny fiarakodia, vao mangiran-dratsy tao Bayonne Frantsa, ny alahady lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora maraina.

 Lire la suite...

Fait Divers

Fanojo, very : Hita teny Mahitsy, salama tsara

21/02/2019

Zaza very, nanaovana antso avo tato anatin’ny tambajotra Facebook ny talata alina teo, i Fanojo, ankizilahikely vao hanala BEPC amin’ity taona ity.

 

 Tamin’izay indrindra no nilaza ny anabaviny fa niezaka nitady azy ny ray aman-dreniny. Tokony nirava tamin’ny 5 ora hariva i Fanojo ary nanao baskety no nahitan’ny namany azy farany. Nambaran’ity anabaviny ity  fa tsy fanaony mihitsy ny tsy mody. Omaly alarobia maraina, rehefa niampita ny hafatra fitadiavana, dia fantatra fa hita soa aman-tsara i Fanojo. Teny Andranovelona Mahitsy, raha ny vaovao azo hatrany, no nahitana azy. Nambaran’ny fianakaviany moa fa tsy hay hoe : ahoana no nahatongavan’ity ankizilahikely ity tany. Salama tsara i Fanojo ary nalain’ny ray aman-dreniny tany omaly ihany. Be dia be ny filazana zaza very amin’izao fotoana izao, na mbola kely izany na hatramin’ny lehibe. Mila mailo ny ray aman-dreny ny amin’ny zanany.

 

 

Aina

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo