Jejoo

Dans la même rubrique

Fanomanana ny ririnina Hanangona fanampiana ho an’ireo sahirana ny fikambanana SOS Zazagasy

21/02/2019

Ho fiatrehana ny ririnina dia mikarakara hetsika fanangonana fanomezana ho an’ireo ankizy sahirana eto an-drenivohitra ny fikambanana SOS Zazagasy. Fikambanana iray miahy ireo ankizy tsy manan-kialofana moa ity fikambanana ity.

 Lire la suite...

Fanojo, very : Hita teny Mahitsy, salama tsara

21/02/2019

Zaza very, nanaovana antso avo tato anatin’ny tambajotra Facebook ny talata alina teo, i Fanojo, ankizilahikely vao hanala BEPC amin’ity taona ity.

 Lire la suite...

Ady amin’ny tsifanjariantsakafo Olona miisa 174.400 isa no hahazo tombontsoa amin’ny tetikasa HIAKE

21/02/2019

Ny 8,5%-n’ny zaza latsaky ny 5 taona no tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, araka ny antontan’isan’ny biraom-paritry ny fanjariantsakafo any an-toerana, tamin’ny taona 2017.

 Lire la suite...

Naolany nandritra ny 20 taona ny zana-badiny, niterahany zaza 10

12/01/2018

Efa hatramin’ny faha-14 taonany ity zazavavikely iray tao Argentine ity no naolan’ny dadakeliny.

 Lire la suite...

Hasarotam-piaro : notifirin’ilay mpitandro ny filaminana ny vadiny

11/01/2018

Mpivady niady noho ny hasarota-piaro no tsy nahafehy tena, ka saika nifamono ho faty, tao Montréal Kanada ny sabotsy lasa teo.

 Lire la suite...

Hain-trano : ankizy 4 niara-namoy ny ainy tamin’ny rainy

10/01/2018

Olona 5 no indray namoy ny ainy tao Mulhouse, Haut-Rhin Frantsa vokatry fahamaizana nahazo ny trano fonenan’izy ireo.

 Lire la suite...

Lozam-piarakodia : mpirahalahy niara-maty voafaokan’ny fiara

28/12/2017

Mpandeha an-tongotra miisa roa no indray voafaokan’ny fiarakodia, vao mangiran-dratsy tao Bayonne Frantsa, ny alahady lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora maraina.

 Lire la suite...

Fait Divers

Foodwise : Manangona ireo sakafo tsy lany eto amintsika, mba ho an’ireo ankizy sahirana sy kamboty

21/02/2019

Niova anarana ary nivadika ho Foodwise, ilay tetikasa « Manzer Partazer » izay miompana amin’ny fanangonana ireo sakafo tsy lany eny amin’ny tsena lehibe sy ny hotely, ary zaraina amin’ny ankizy sahirana.

 

 

 Raha niainga tamin’ny fanangonana sakafo tsotsotra teny amin’ny hotely lehibe mantsy ilay tetikasa teo aloha, dia efa mahavatsy sakafo ho an’ireo akany sy toerana fitaizana ankizy kamboty eto amintsika ankehitriny. Ho an’ny taona 2018 manokana, dia toeram-panabeazana ankizy kamboty miisa 15 eto an-drenivohitra no nahazo tombony tamin’ny Foodwise. Sakafo tsy lany milanja 17 taonina no tsy verivery foana ary zaza kamboty mahatratra 2 000 isa no nisitraka izany. Ankehitriny dia navadika ho Foodwise ny “Manzer Partazer”.  Orinasa maro be  mpivarotra sakafo, tsena lehibe, na ihany koa hotely lehibe eto amintsika no manolotra izay sakafo tsy lany ao amin’izy ireo ary atolotra ho an’ireo akany misy ankizy sahirana eto amintsika. Anisan’izany ny Akany Avoko, toeram-panabeazana zazavavy ao Ambohidratrimo. Nambaran’ny talen’ity Akany ity, fa efa hatramin’ny taona 2016, ireo zazavavy miisa 154 beazina  ao amin’ny Avoko no nisitraka ireo sakafo ireo. Sakafo tsy mora simba no azon’izy ireo isam-bolana ary misy ataon’izy ireo  famatsiana mandritra ny fotoana maharitra izany. Ny orinasa DHL eto Madagasikara ihany koa dia  manohana ny Foodwise. Nanolo-tena hisahana ny fitaterana ireo sakafo voaangona mankany amin’ireo akany misitraka izany ity orinasa lehibe ity. Manao tohivakana ny fifanampiana hoy ny Tale Jeneralin’ny DHL omaly, ka raisin’izy ireo an-tanana ary ampidirin’izy ireo ao anatin’ny fanaterana entana ataony mahazatra ny fanaterana ireo sakafon’ny ankizy miainga avy any amin’ireo mpanome, mankany amin’ireo akany misitraka ireo sakafo.

 

Ando  

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo