Jejoo

Dans la même rubrique

Seha-pihariana Lany ny lalàna mifehy ny vokatra biolojika

16/05/2020

Nolanian’ireo solombavam-bahoaka ny talata 12 mai lasa teo teny amin’ny CCI Ivato ny volavolan-dalàna laharana faha-010/2019 tamin'ny 28 novambra 2019, izay mifehy ny famokarana biolojika eto Madagasikara.

 Lire la suite...

FANAFIHANA TAO FENERIVE-EST : Fianakaviana ihany no nanao azy

15/05/2020

Olona miisa 04 ahitana lehilahy 02 sy vehivavy 02 no voasambotry ny polisy miasa ao Analanjirofo izay isan'ny nandray anjara tamin'ny fanafihana mitam-piadiana niseho tao amin'ny fokontany Ambodihazinina kaominina Ambatoharanana Distrikan’i Fenerive-Est ny 05 May nifoha 06 May lasa teo.

 Lire la suite...

Tanjondava Talatamaty Nahazo EPP vaovao

07/05/2020

Anisan’ireo Fokontany 12 be olona sahirana indrindra ny Fokontany Tanjondava ao anatin’ ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

 Lire la suite...

Mpianatra hanala fanadinana Nampitoviana ny fandaharam-potoana isaky ny sokajy

24/04/2020

Nizotra araka ny tokony ho izy ny fampidirana ny mpianatra hanala fanadinana tany amin'ny Faritra toy ny tany Matsitra Ambony , Antsiranana, Diego,

 Lire la suite...

Tsenan’i Mahamasina : niverina tsikelikely

24/04/2020

Niverina tsikelikely nandray ny asany isan’alakamisy ireo mpivarotra eny amin’ny tsena Mahamasina

 Lire la suite...

MPANAKANTO Nampian’ny Ministeran’ny kolontsaina

22/04/2020

Tsy ireo marefo ara-pivelomana irery fa saika misedra ny fahasahiranana ateraky ny fihibohana avokoa ny isan-tokantrano amin’izao. Ho an’ireo mpanakanto manokana izay ahitana ny mpihira,

 Lire la suite...

Masoivoho Frantsay : Hisy sidina roa haka ireo frantsay tsy tafody

21/04/2020

Hisy sidina manokana hiainga avy eto Antananarivo ho any Parisy ny alakamisy 23 aprily izao. Sidina nalefan'ny Air France ary niainga avy ao La Réunion izy ity.

 Lire la suite...

Ado

Tetikasa Vakana CEG Project : Hanabe ny adolantsento ny amin’ny lanjan’ny miralenta

20/02/2019

Tamin’ity volana febroary ity no natomboky ny avy ao amin’ny Teach For Madagascar ny tetikasa Vakana CEG Project.

 

Tanjon’ity tetikasa ity ny hanentana sy hanabe ireo adolantsento eny anivon’ny kaolejim-panjakana eto amin’ny faritra Antananarivo ny amin’ny lanjan’ ny miralenta. Ho ampianarina hiara-hiasa ao anaty vondrona izy ireo ka hiaraka hamantatra ireo tranga maneho fiheverana na lasi-tsaina tsy mampitovy zo ny lahy sy ny vavy sy ny mety ho voka-dratsin’izy ireny. Mikendry ny fampitomboana ny fahaizana sy ny fahalalan’izy ireo koa ny tetikasa mba hahaizan’izy ireo manavaka ny vaovao voarainy amin’ireo fitaovan-tserasera sy ny haino aman-jery mba hampiasany izany amin’ny fiainana andavanandro sy amin’ny fianarany. Izy ireo koa no hanentana ny amin’ny fampiroboroana ny fahasamihafan’ny kolontsaina. Raha tsiahivina dia tamin’ny taona 2014 no nitsangana ny fikambanana “Teach For Madagascar” ary nanetsika tanora mpilatsaka an-tsitrapo Malagasy mba hiaraka hiasa hanatsara ny fanabeazana ireo olona sahirana indrindra ny ankizy sy ny tanora. Tetikasa efatra no hiasan’ny fikambanana. Ankoatra ity tetikasa Vakana ity dia misy koa ny tetikasa Santatra, izay tetikasa fampianarana mamaky teny sy manoratra natao ho an’ireo ankizy tsy afaka mianatra sady miaina an-dalambe; teo koa ny tetikasa Kolo izay tetikasa fanampiny napetraka ho fanohanana ny fandaharam-pianarana ôfisialy any anivon’ny sekoly fanabeazana fototra ary ny tetikasa Jary, izay tetikasa fanohanana ny fandaharam-pianarana ofisialy any amin’ireo liseam-panjakana any amin’ny tontolo ambanivohitra. Nialoha ny fanombohan’ny tetikasa VAKANA dia nisy ny fotoana natokan’ny fikambanana hanofanana ireo ZOKY mpilatsaka an-tsitrapo izay hitarika sy hanatanteraka ny tetikasa mba ahaizan’izy ireo miara-miasa amin’ny fampitana ny hafatra tiana hampitaina ireo tanora sy hamaha ny olana mety hitranga ao anatin’izany. Haharitra telo  volana eo ity tetikasa ity ka mpianatra manodidina ny 150 eo no horaisin’izy ireo an-tanana. Heverina fa hisy fiantraikany amin’ireo tanora Malagasy 12 ka hatramin’ny 15 taona ity tetikasa ity.

 

 

 

Natty

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo