Jejoo

Dans la même rubrique

Ny atao raha mampirafy ny lehilahy

15/04/2019

Mety ho vokatry ny toetran’ny vehivavy no mahatonga ny lehilahy hampirafy. Raha tsy ampy mantsy ny fitiavana izay omen’ny vehivavy ao an-tokantrano dia alaim-panahy hitady fitiavana any ivelany ny lehilahy.

 Lire la suite...

Miarahaba Jejoo ! Ny vehivavy miaraka amin’ny vadin'olona dia tsy araka ilay eritreretin’ny maro foana hoe manataka, ratsy toetra, …

11/04/2019

fa tena faran’izay mijaly sy mihafy ara-pitiavana satria efa potipotiny sy efa manan-tompo no iarahana. Ny fo anefa rehefa tia dia tsy mifidy izay iantsapazana. izaho dia manantena fa hihaona amin'’lay tena sahaza ahy indray andro any ka mangataka torohevitra hanadinoko ilay vadin’olona sy hahitako solony ho tiavina. Misaotra

 Lire la suite...

“Ianareo vehivavy maneke ny vadinareo”… hatraiza no fetrany?

10/04/2019

Teny miverimberina ao anatin’ny soratra masina ny hoe : « ianareo vehivavy maneke ny vadinareo ». Araka ny soatoavina malagasy ihany koa dia ny lahy no lohan’ny vavy.

 Lire la suite...

Tandremo, mahadondrona ny ankizy ny Facebook!

09/04/2019

Manomboka 13 taona dia efa afaka manao facebook, raha ny lalana napetrak’ity tambajotram-tserasera ity.

 Lire la suite...

Siramamy = Homamiadan’ny nono

08/04/2019

Singa tsy tsara ho an’ny fahasalamana ny siramamy raha be loatra. Araka ny fikarohana nataon’ireo mpitsabo hatrany am-pita dia ahiana ho mitarika ny homamiadan’ny nono eo amin’ny vehivavy ny fihinanana sakafo mamy loatra na nasiana siramamy matetika. Mety hanimba ny havokavoka mihitsy aza izany raha ny fikarohana ihany.

 Lire la suite...

Mialy Rajoelina : Mahay misafidy akanjo

05/04/2019

Efa hatramin’izay no manintona ny maso ny fomba fiakanjon’i Rajoelina Mialy, vadin’ny filoham-pirenena. Ary isaky ny misy zavatra alehany dia azo lazaina fa voafehiny ny fisafidianana ireo akanjo izay anaovany.

 Lire la suite...

Mahavoan’ny “cancer” ny silipo “dentelle”

04/04/2019

Saropady ny fivavian’ny vehivavy. Ankoatra ny otrikaretina, bakteria, virosy vokatry ny loto mety hahatonga aretina, dia tsy mahasalama azy ihany koa ny atin’akanjo « synthetique » sy « dentelle ».

 Lire la suite...

Actualités

Antsa, tovovavy voalaza fa voageja … “tena tsy salama ary tsaboina” hoy ny FJKM

08/02/2019

Tovovavy iray, 26 taona no nanaparitaka tany anaty tambajotran-tserasera Facebook ny alin’ny alarobia lasa teo mikasika ny tranga voalazany fa mahazo azy. Nambarany tamin’izany, fa voatazona eny amin’ny toby iray fitaizana olona manana olana ara-tsaina, eny amin’iny tanànan’i Mahitsy iny ny tenany, ary sokajiana ho marary saina kanefa tena salama tsara.

 

 

 

 Raha ny fitantarany tao anatin’ilay fanambarana naparitany  dia findain’olona sendra nandalo no nindraminy, nentina nanaparitahana ny manjo azy sy hiantsoany fanampiana. “Nofitahana aho”, hoy izy, rehefa avy nandevina ny raiko tamin’ny asabotsy lasa teo, ka naterina tety amin’ilay toby. Araka ny fanambarana naparitany hatrany dia tsy tian’ireo fianakaviana ipetrahany ny olon-tiany izay miaraka aminy amin’izao fotoana izao, ka izay no heveriny ho tetika voalohany ataon’ireo fianakaviany hampisarahana azy amin’ilay olona miaraka aminy. “Salama saina tsara aho, hoy hatrany ilay fanambarana, kanefa voafatotra amin’ny rojo ny tanana sy ny tongotro, toy ireo marary saina. Etsy ankilan’izay anefa, dia  miahiahy ho amin’ny efa nisamborana an’ilay olon-tiany koa ity tovovavy ity. Nisy ny antso vonjy sy ny hafatra naparitany manerana ny tambajotran-tserasera hanairana ny rehetra mikasika ny tranga mahazo azy. Voalazan’ilay tovovavy fa eo am-pamaranana ny fianarana ataony izy ankehitriny no izao nosomparana izao ka hiantsoany vonjy mba hahafahany mivoaka sy mamarana izany fianarany izany.

 

“Tena tsy salama ary tsaboina” hoy ny FJKM

 

Manaraka fitsaboana ao amin'ny Toby tokoa i Antsa" hoy ny FJKM. Niaiky ny loharanom-baovao avy amin'ny FJKM fa nentin'ny fianakaviany notsaboina ao amin'ny Toby Antambohomena, Ampanotokana Mahitsy, ao amin'ny Distrika Ambohidratrimo, i Antsa Mirah Rakotoarimanana. Nolavin'ny tomponandraikitra ambony ao amin'ny Foiben'ny Fiangonana kosa ny endrim-panagejana izay mahabe resaka amin'ny tambazotran-tserasera, fa fanafahana amin'ny aretina aza no itazonan'ny Toby azy any. "Matoa izy voaray amin'ny Toby toy izao dia voamarina avokoa ny fepetra fa mila fanasitranana ara-panahy, ara-batana ary indrindra ara-tsaina izy. Dingana voalohany narahiny tahaka ireo hafa rehetra ny fitondran'ny fianakaviany azy tao, teo koa ny taratasy fanolorana avy amin'ireo Mpitondra fivavahana nisy azy tahaka ireo namany, fahatelo ny dinika nifanaovany omban'ny fianakaviana tamin'ny mpiandraikitra teo an-toerana. Maro ny manaraka fitsaboana ao, anisan'izany koa ny anadahiny" hoy ny mpiandraikitra iray ny Toby Fifohazana.

Araka ny loharanom-baovao hatrany, mamita ny boky fikarohana amin'ny fianarana tokoa i Antsa, saingy io tsy salama io, efa taom-pianarana roa izany no tsy efany, 2017 sy 2018. Noho ny tobim-pifohazana fanarenana, mitandro ny zo aman-kasin'ny olona tsaboina sy ny ho aviny rehefa rahatrizay sitrana ny FJKM, manamafy ny tomponandraikitra fa tsy misy fitondrana mifandiso amin'izany ao amin'ny ivo-toerana. Marihina fa nitondra finday tokoa i Antsa niditra ny Toby Fifohazana, ary manam-paniriana ny ivoaka ny toeram-pitsaboana izy hanavotra ireo vehivavy mizaka ny adim-panahy sy olan-tsaina tahaka azy, saingy mbola tsy sitrana tanteraka izy.

 Araka ny vaovaon'ny Fiangonana hatrany, tsy mahavita "Facebook" ny telefaonina nentiny ary efa notazomin'ny Toby, tahaka ireo tsaboina tany am-boalohany izany. Vinavinain'ny mpiandraikitra ho kaonty hosoka avy amin'ireo te hamoaka azy ao avy amin'ny Toby io kaonty io. Marihina anefa fa tsy afaka mandray an-tanana ho manamarina na mandiso ny tranga "compte fake" an'olona ampy taona toy izany ny mpitandro filaminana raha tsy misy ny mpitory. Manoloana ireo hevitra mitosaka fa tsy rariny ny mahazo ity tovovavy voatery nosarahana tamin'ny olon-tiany ity, ialana amin'ny ho fiheverana fa lasa zotra tokana ny vaovao etoana, vonona hamoaka ny vaovao valin-kafatra mifanohitra amin'ny avy amin'ny Fiangonana Fjkm ny gazety.

Haja Nirina.

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo