Jejoo

Dans la même rubrique

Misy hevitra miafina ao ambadiky ny fanomezana Saint Valentin !

15/02/2019

Mety ho isan’ireo tsara vintana nahazo fanomezana avy amin’ny olon-tiana ianao omaly, fetin’ny mpifankatia. Fa fantatrao ve fa azo amaritana ny lanjan’ny fitiavan’ny olon-tianao iny fanomezana natolony iny ? Fantaro ary hoe : tahaka ny ahoana ny fomba fitiavany anao…

 Lire la suite...

Namana, zanaka, mpiara-miasa… sady olon-tiana !

04/02/2019

Ny olon-tiana dia tsy vitan’ny olon-tiana fotsiny, ho antsika vehivavy. Arakaraky ny filàna, dia mety hitana anjara asa sy anjara toerana isan-karazany izy, ao anatin’ny fiarahana. Mety hanimba ny fiarahana anefa, indraindray, io andraikitra omen any olon-tiana io. Nahoana ary ?

 Lire la suite...

Manahirana ny mitia lehilahy bôgôsy !

28/01/2019

Samy manana ny tsara tarehy aminy ny olona rehetra. Samy manana ny hamaritany ny atao hoe : lehilahy bôgôsy ihany koa, araka izany ny vehivavy. Ary iza moa no tsy mba taitra raha mahita lehilahy bikàna sy tsara tarehy ?

 Lire la suite...

Olon-tiana taloha : Azo resahina amin’ilay ankehitriny, saingy…

14/01/2019

Tafiditra ao anatin’ny tantaram-piainan’ny tsirairay ny olona efa niarahany taloha ary isan’ny nandrafitra ny maha-izy azy.

 Lire la suite...

Lehilahy lehibe sy vehivavy tanora kely mifankatia… olana be ve ?

11/01/2019

Fomba fiteny foana ny hoe : tsy misy taonany ny fitiavana, ary koa ny hoe : tsy mifidy iantefana ny fitiavana.

 Lire la suite...

Toetra 3 tsy maintsy ovaina mba hampaharitra ny fitiavana

07/01/2019

Tsy misy fiarahana azo antoka 100% fa tena tsy ho rava mihitsy, saingy azo atao ny mampaharitra azy.

 Lire la suite...

Hitia ihany, tsy aleo lehilahy mahay ?!

04/01/2019

Amin’izao fiandohan’ny taona izao dia maro amin’ireo vehivavy tokan-tena no maniry hanana olon-tiana amin’izay.

 Lire la suite...

Love

Fa inona no mahatonga ny lehilahy hamono vady ?

08/02/2019

Araka ny voalazan’ny mpikaroka sasany dia ny vady andefimandry no atahorana hanala ny ain’ny vehivavy kokoa noho ireo olon-dratsy isan-karazany, toy ny mpamono olona.

Tsy voatery hitovy avokoa anefa ny lehilahy manao herisetra. Misy no tsy matetika no mamono ny vadiny, tsy ao anatin’ny toetrany amin’ny ankapobeny ny tia setrasetra, fa antony avy any ivelany no mampirongatra ny herisetra ao anatiny. Ny sokajy faharoa kosa dia ilay tena mahery setra mihitsy, mamono vady matetika ary tsy mba manenina amin’izay nataony. Tsy tokony ho ekena mihitsy anefa ny fikasihan-tanana, na inona na inona antony ary tokony hitadiavam-bahaolana ny tsy hisiany intsony, raha toa ka efa mihatra.

Mandika ny fiainana hitany

Ny antony voalohany sy matetika indrindra mahatonga ny lehilahy hisetrasetra amin’ny vadiny dia avy amin’ny zavatra niainany fony fahazaza. Mazàna izy ireny no niaina tao anaty tokantrano nanjakan’ny herisetra, na ara-batana na ara-tsaina, ka izay hitany no heveriny fa ara-dalàna. Raha toa ny zazalahy iray ka nahita ny rainy nanambany vehivavy foana, dia mbola kely izy dia efa mianatra manambany vehivavy koa. Heveriny fa ny fampitahorana sy ny fampiondrehana ny vehivavy eo anatrehany no maha-tena lehilahy azy. Amin’izay fotoana izay, sady mampihatra ny “fampianarana” nomen’ny rainy izy no mitady fankasitrahana avy amin’io dadany io ihany koa.

Manaraka ny kolontsaina

Any amin’ny firenena sasany, ekena na heverina ho ara-dalàna mihitsy ny famonoan’ny lehilahy ny vehivavy. Any amin’ireny firenena ireny manko, tsy mitovy zo mihitsy ny lahy sy ny vavy ary mbola heverina ho toy ny fanaka, mpanompo, haingo, sy fananana fotsiny ny vehivavy. Fa na any amin’ny firenena efa mandroso be aza dia mbola maro ny lehilahy mihevitra fa azo atao, amin’ny fotoana sasany, ny mamono ny vehivavy. Araka ny voka-panadihadiana iray natao tany Angletera, ohatra, izay nandraisan’ny zazalahikely 11 sy 12 taona anjara, dia ny 75% tamin’izy ireo no mihevitra fa azo atao ny mikasi-tanana ny vehivavy, raha toa ka nandrangitra azy io vehivavy io. Eto amintsika, ny 45%-n'ny vehivavy dia mandray ny herisetra atao aminy ho ara-dalàna.

 

Araka ny fanadihadiana iray nataon’ny mpikaroka avy ao amin’ny oniversiten’i Rhode Island ao Etazonia, dia ireto antony 11 ireto no mahatonga ny lehilahy ho lasa mampihatra herisetra ara-batana, na ara-tsaina ao anatin’ny tokantranony :

 1. Efa toetra raiki-tapisaka aminy mihitsy ny herisetra

 2. Tsy an’asa izy

 3. Mikasika zava-mahadomelina, fara-faharatsiny in-dray mandeha izy, ao anatin’ny iray andro

 4. Nahita ny rainy nikasi-tanana an-dreniny izy

 5. Tsy vita mariazy ara-dalàna izy mivady

 6. Kely karama ilay lehilahy raha mitaha amin’ny vadiny

 7. Tsy nianatra na tsy manana diplaoma firy ilay lehilahy

 8. Eo anelanelan’ny 18 sy 30 taona ilay lehilahy

 9. Mahery setra amin’ny zanaka izy mivady, na ny iray amin’izy mivady

10. Ambany be mihitsy ny fidiram-bola ao an-tokantrano

11. Samy hafa fihaviana, na samy hafa fitaizana be, na samy hafa kolontsaina ny mpivady.

 

Fytia

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo