Jejoo

Dans la même rubrique

FIRY TAONA NO TSARA MIDITRA AMIN’NY RESAKA FITIAVANA ? Mamaly ny lehilahy

15/02/2019

Fanontaniana napetraka tamin’ny lehilahy androany indray ny hoe : « Firy taona no tsara miditra amin’izany atao hoe « fitiavana » izany ny olona iray. Mamaly izy ireo

 Lire la suite...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA TENY ANTANIMORA Samy naratra mafy ireo mpitondra môtô nifandona

13/02/2019

Voa mafy avokoa ireo roalahy nifanehitra tamin'ny môtô teo amin'ny lalana manamorona an'Antanimora.

 Lire la suite...

Nate Tex: Hanolotra seho majika, ao anatin’ilay “Pejy faharoa” amin’ny alahady

13/02/2019

Efa tamin’ny fiandohan’ny volana janoary lasa teo no nanomboka ny famerenana nataon’ny tarika Nate Tex, ho amin’ilay seho voalohany sady goavana izay tanterahina etsy amin’ny CC ESCA Antanimena amin’ny alahady 17 febroary ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.

 Lire la suite...

Miarinarivo : Vehivavy roa tratra nivarotra entana azo avy amin’ny vaky trano nataona gadra 4 mirahalahy

13/02/2019

Nahatratra mpamaky trano rain-dahiny efa-dahy efa malaza ao Miarinarivo ny Polisy ao Soavinandriana Itasy tamin’ny Alatsinainy lasa teo.

 Lire la suite...

Ampamarinana - Mpivady niara-matin'ny vato "Efa nandindona an'i Georgette ny fahafatesan-janany lahy"

13/02/2019

"Nandraiky nanary izy taorian'ny naharenesany ny fahafatesana tampoky ny rahalahanay Navalona sy ny nandevenana azy, na efa nandindona azy aza izany.

 Lire la suite...

Ankizy beazina any amin'ny akany : Arenina fa tsy saziana

11/02/2019

Tamin'ny taona 1962 no nanomboka niasa ny Akany fitaizana ankizy vavy Avoko etsy Faravohitra. Ny taona 1963 kosa vao tena nanomboka niasa tamin'ny fomba ofisialy izy ireo. Tamin'izay koa no nanomboka ny fiarahany niasa tamin'ny Ministeran'ny Fitsarana mba ahafahan'ity ivon-toerana fanarenana ankizy vavy ity mandray an-tanana ireo ankizy tsy ampy taona alefan'ny Fitsarana ao aminy.

 Lire la suite...

1. Alahamady (21/03 – 19/04)

11/02/2019

Maro ireo nahazo soa taminao ka raiso an-kafaliana izay fahafalim-pony na manana izy na tsia fa tohatra hiakaranao ambony kokoa hatrany ny fanampianao fa kosa mailo amin'ireo mety hanararaotra.

 Lire la suite...

Actualités

Mety ve ny mifampijery sy mifampisava finday ?

08/02/2019

Isaky ny zoma dia omena sehatra ahafahany maneho hevitra ato anatin’ny Jejoo ny lehilahy. Loha-hevitra amin’ity zoma ity indray ny hoe :

 

 

 

Mety ve ny mifampijery sy mifampisava ny finday ho an’ny mpivady na mpifankatia ? satria nahoana ?

Mamaly izy ireo

Besoa Nirina : Rehefa samy mifampatoky tsara dia aza misavasava hafatra na sary amin’ny finday na solosaina izany! Mety ho "secret professionnel" no voatahiry ao ka tsy voatery hambara  amin’ny vady andefimandry ! Rehefa tsy manao any am-badika any dia samy tsy ho saro-piaro tafahoatra!  Ny manao ihany manko no miaro be loatra!

Harry Lalah : Salama tompoko, raha ny hevitro dia tsy mety ny mifampisavasava finday eny fa na paosy sy porte feuille aza.  Ny antony dia  :

1°) Fanehoana tsy fatokisana eo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany izany.

 2°) Miteraka ady  izany ary  mety hiafara amin’ny fisarahana raha sanatria ka manao zavatra mifanohitra amin’ny fiainana mpivady no hita ao am finday na any am-paosy. Ny iray amin’izy roa nefa mety milamina foana hatramin’izay. Toro-hevitra : aleo mampiseho fitiavana raha mieritreritra ianao fa manana mpifaninana aminao any ivelany, karakaraina tondrahana isan’andro dia mitombo maniry tsara ny fitiavana.

Njaka  : Tsy misy blabla sy satria … Tsy mety izany mifampisavasava izany. Resaka fifanajana fotsiny dia fifampitokisana. Na mety na tsy mety dia tsy mijery raha izaho manokana!!!

Lova : Ny misava sy ny mijery samy hafa ... "mijery" midika fahadiovam-po ary ny "misava" midika tsy fifampitokisana ... Zah alou tsy misava ... Mitarika asa loha fotsiny.

Miatrika : Tsy mety ilay misava satria misy resaka tsy ho zakan'ny vehivavy ataon'ny lehilahy dia torak'izay koa ny vehivavy.

Tahiry  : Tsy mety..fa raha misy zavatra tena mampiahiahy itadiavana porofo dia mety. Misy mantsy ny hoe ahiahy mitombina sy  ny ahiahy tsy mitombina eeeee...Fa izaho manokana, “par pure question d'éthique”, tsy mijery ny ao anatin'ny telephone an'olona izany na iza io na iza..raah tsy hoe : ilay olona no miteny hoe mba jereo kely hoe : ity.

 

Nangonin’i Hanitra

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo