Citation
«On ne peut pas tout vivre, alors l’important est de vivre l’essentiel et chacun de nous a son essentiel » Marc Levy
08/02/2019
Natao hankamamiana ny fiainana, araraotina, alaina fy, alain-tsiro. Ianao io anefa dia kely dia kely miohatra amin’izao tontolo izao.
Satry ery hanao izao sy izao, handeha ho atsy handeha eroa satria te hanararaotra ny fandalovana eto an-tany. Tsy hary ho tratra avokoa anefa izany saingy azo atao tsara kosa ny mifantoka amin’izay hitanao fa zava-dehibe aminao. Fantaro aloha hoe inona ny zava-dehibe aminao. Hitety tany ve? Hanao mozika ve? Hanao asa soa ve? …Rehefa hay hoe inona izay sokajianao ho zava-dehibe amin’ny fiainanao izay dia ataovy izay hiainana azy amin’izay farany tratra. Hatsarao isan’andro izay atao, omeo lanja, tiavo…dia ho tsapanao fa hahatsiaro tena sambatra sy misy antom-pisiana ianao amin’izao fiainana mandalo izao. Ho antsika ray amandreny kosa, fantaro tsikelikely, dieny mbola any amin’ny fahazazany izay tian’ny zaza atao rehefa lehibe izy. Zava-dehibe loatra ho an’ny hoaviny mamiratra mantsy ny fahaizana sahady manomana azy amin’izay zavatra tiany ka haha-sambatra azy. Adidintsika ray amandreny izany.