Jejoo

Dans la même rubrique

« Déodorant » natoraly amboarina ao an-trano

15/04/2019

Raha tia mampiasa akora natoraly ianao hikarakarana endrika amam-bika dia isan’ireo azo atao tsara sy azo atao ny manamboatra « déodorant » natoraly.

 Lire la suite...

Azo ampiasaina amin’ny « maquillage » ny talc bébé

10/04/2019

Te hanana volomaso matevintevina sy lava, maniry ny hanana tarehy tsy misy pentina, tsy mora mitera-menaka… Andramo ireto paipaika telo hampiasana ny « talc » fanao amin’ny zazakely ireto, dia ho hitanao fa hahazo ireo vokatra ireo ianao !

 Lire la suite...

Diloilo coco : Tsy mampisy kôlesterôly raha handrahoina!

09/04/2019

Isan’ireo mpampiasa ny diloilo voanio isika eto Madagasikara. Betsaka tokoa ireo voka-tsoa entin’ity akora ity.

 Lire la suite...

Azo fantarina ny ranomanitra tena « authentique » …

08/04/2019

Efa betsaka ny vehivavy malagasy mankafy sy manangona karazana ranomanitra vokarin’ireo marika lehibe maneran-tany amin’izao.

 Lire la suite...

Karazana « maquillage » azo hanaovana miasa

02/04/2019

Tsy mitovy ny fomba fanaovana ny « maquillage » fitondra miasa, sy ireo entina mamonjy lanonana, entina mivavaka, na hamonjy fotoana manokana, …

 Lire la suite...

Tsy mbola nikitika tarehy mihitsy : ahoana no hanombohana azy ?

01/04/2019

Maro be amin’ny vehivavy Malagasy no tsy tia na tsy sahy mikitikita tarehy, raha tsy efa misy olana sedraina ilay hodi-tava. Somary mandiso ihany anefa izay fiheverana izay, hoy ny matihanina amin’ny kolo endrika, satria mila kolokoloina izany hatsaran-tarehy izany mba hateza. Sady mitazona ny hatsaran’ilay tarehy izany, no misoroka ny fahanterany aloha loatra ihany koa …

 Lire la suite...

Mamantatra ny lokomena manendrika …

28/03/2019

Ny lokomena ihany dia efa manaingo ny endrika iray sy manatsara azy. Raha vao tsy manendrika sady tsy mifanaraka amin’ny endrika sy ny molotra anefa ny lokomena anaovana dia ny mifamadika amin’izay indray no vokatra azo. Eo no mipetraka ny fanontaniana : mety aminao ve ny lokomena anaovanao sy tianao ?

 Lire la suite...

Beauté

Ny atao, mba tsy ho simba mihitsy ny tarehy…

08/02/2019

Tsy dia manana olana firy eo amin’ny tarehy ianao, fa kosa maniry ny mba hitazona an’io hatsarany io. Misy ny tsara ho fantatra sy ny fomba amam-pahazarana mila atao, mba tsy hiandrasana an’ilay tarehy ho simba vao hikarakara azy. Indro ny torohevitra.

 

 

-         Ny hodimaso no koloina voalohany

Manify kely mantsy io faritra io, ka mora itarafana ny fahasimban’ny hodi-tava. Araka izany dia mila fikoloana manokana izy io. Raha efa mananika ny 35 taona, dia tsara raha akora manamandina na serum tena natokana ho an’ny maso no ikoloana io faritra io.

-         Tandremana tsara ny sakafo hanina 

Mety tsy ataonao an-tsaina loatra ny fifandraisan’ny sakafo sy ny tarehy satria tsy manana olana firy ianao. Tadidio anefa fa raha mihinana sakafo be mpanala arafesina ao anaty toy ny legioma sy voankazo ianao, dia hampadio ny hoditrao sy hitazona ny fihenjanany izany. Ho ela kokoa vao hikentrona sy hiroraka ny hoditrao

-         Misotro rano betsaka

Raha vitanao ny misotro rano 2litatra isan’andro, indrindra fa amin’izao andro mafana be izao, dia hahazo tahirin-drano ampy hahasalama tsara azy ny hoditrao. Veloma ny kentrona madinika sy ny fahamainan’ny hoditra, na ny hidihidy.

-         Miala sigara

Sampanana roa tsy maintsy hanaovana safidy ny sigara sy ny hatsaran-tarehy. Ialao avy hatrany ity karazana zava-mahadomelina iray ity, raha tianao halandina sy ho tsara hatrany ny hodi-tavanao. Arakaraky ny mahaela ny fotoana hifohanao sigara mantsy, no ipoiran’ny kentrona sy ny hoditava miforiporitra, mifitsaka, maina kely, miroraka, … Tsy vitan’izay fa tsy hahazo endrika mazava tanteraka ianao, fa somary ho malomaloka foana, noho ireo singan-tsigara any anaty rà.

- Lokoy ny volo

Teknika iray tena mahomby hanakonana ny lesoka eo amin’ny tarehy ny fandokoana ny volo. Loko manazava endrika, fa tsy mifanipaka lavitra amin’ny lokon-koditra no atao amin’ny volo. Ho hitanao fa rehefa asongadinao ny taovolo, dia takona sy lefilefy ho azy izay tsimetimety mila afenina eo amin’ny tarehy eo.

 

 

Ando

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo