Jejoo

Dans la même rubrique

Mahay manaingo trano kelikely

21/01/2019

Rehefa kelikely ny trano, dia tsy maintsy zaraina ho ao anatin’ny efitra iray avokoa na ny efitra fandriana na ny efitra fandraisam-bahiny. Ny fomba hanasarahina azy no mety manahirana saingy mora atao kosa rehefa miainga amin’ny zavatra tsotra.

 Lire la suite...

Mahay misafidy « coussins » mety amin’ny trano

14/01/2019

Fitaovana kely mitondra loko vaovao ho an’ny efitrano fandraisam-bahiny ny « coussins ». Ahoana anefa ny fomba hisafidianana azy mba hamoaka ilay endrika tena katsahina amin’ny efitrano?

 Lire la suite...

Ny fomba fanaingoana hazonoely miloko fotsy

17/12/2018

Tsy dia mahazatra loatra ny maro ny mividy ireny hazonoely miloko fotsy ranoray ireny. Tafiditra ao anatin’ireo hazonoely lamaodin’ity taona 2018 ity anefa izy ireny ka ho an’ ireo nisafidy ny hiova kely dia toy izao ny fomba fanaingoana azy :

 Lire la suite...

Haingon-databatra tsotra fa tsara, ho an’ny Noely

10/12/2018

Raha toa ka tsy afaka manokana vola be ho amin’ny fanaingoana ny latabatra mandritra ny Noely dia misy kosa ireo zavatra tsara ananana mba hampivoaka azy. Tsy sarotra tadiavina nefa izany akory.

 Lire la suite...

Ireo fomba fanaingo trano lamaody amin’ity noely 2018 ity

03/12/2018

Efa miditra ao anatin’ny ambiansy amin’ny fetin’ ny noely isika ankehitriny. Andeha ho jerena ny hiaka farany amin’ireo fomba fanaingo ny trano ka samy haka izay tandrify sy mety aminy ny tsirairay.

 Lire la suite...

Zaridaina hafa kely

26/11/2018

Aingam-panahy kely foana, nalaina avy amin’izay kojakoja ananana dia efa azo hamoronana haingon-jaridaina mahafinaritra ny maso.

 Lire la suite...

Ahoana no fisafidianana “tapis” atao ao an-trano

19/11/2018

Mitondra endrika ho an’ny efitrano iray ny karipetra izay apetraka ao aminy. Maro karazana izy ireny fa ahoana kosa ny fomba hisafidianana azy?

 Lire la suite...

Déco

Inona no loko tsara ampiarahina amin’ny maitso?

28/01/2019

Misy ireo mankafy ny loko maitso nefa sahirana mitady izay loko tsara ampiarahina aminy. Andeha ho jerentsika ireo loko mety sy tsara ampiarahin’ny maitso.

 

 

 

·         Maitso sy lokon-kazo

Mampatsiahy avy hatrany ny natiora ny fanambarana ireo loko roa ireo. Azo asiana fotsy ihany koa miaraka aminy ka ao amin’ny efitra fandriana no tena tsara lokoina amin’izy ireo. Azo atao ihany koa ny mampiaraka ny maitso sy ny loko mavokely, ao amin’ny efitra fandriana ihany.

·         Maitso sy volom-parasy

Mifameno ireo loko roa ireo ka izay no mampety ny fampiarahana azy. Ao amin’ny efira fandraisam-bahiny no azo lokoina aminy na eo amin’ny lalan-tsara mihazo ny efitra fandraisam-bahiny, ihany koa.

·         Maitso sy ny maitso

Ankoatra ireo dia tsara ihany koa ny mampiaraka ny maitso sy ny maitso saingy loko tsy mitovy kosa no ampiasaina. Ny maitso lomotra sy ny maitso tanora ohatra, handoakoana birao.

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo