Jejoo

Dans la même rubrique

Mpiandry manokan’ireo olo-malaza : “sady taviny no volony” araka ilay fiteny

04/03/2019

Manana mpiandry manokana avokoa ireo olo-malaza noho izy ireo be mpanaraka ary indraindray dia maratra mihitsy vokatry ny fifanosehan’ireo mpankafy na ny herisetra ataon’ireto farany.

 Lire la suite...

1. Tao anaty fandaharana maraina amina fahitalavitra frantsay iray no nametra-panontaniana ilay mpanentana Matthieu Delormeau.

27/02/2019

Raha toa ka azo sary miaraka amina vehivavy hafa ankoatra an’i Brigitte Macron dia mety ohatrinona no ho saran’izany?

 Lire la suite...

Mitentina 185 tapitrisa dolara: Lovan’ilay sakan’i Karl Lagerfeld

25/02/2019

Taorian’ny nahafatesan’ity mpamorona teratany alemana Karl Lagerfeld ity dia naha be resaka ny lova izay napetrany ho an’ilay sakany, “choupette”.

 Lire la suite...

Ireo zanak’olo-malaza andrasana fatratra amin’ity taona 2019 ity

21/02/2019

Isan’ireo zaza nandrasana tamin’iny taona 2018 iny ny zanak’i Eva Longoria izay niteraka voalohany teo amin’ny faha-43 taonany.

 Lire la suite...

Nodimandry i Karl Lagerfeld, ilay amperoran’ny marika “Chanel”

20/02/2019

Nodimandry ny talata 19 febroary, teo amin’ny faha-85 taonany ilay mpamorona, Karl Lagerfeld. Efa narary herinandro vitsy izay ity mpamorona ity ary voalohany teo amin’ny fiainany no tsy nanatrehany filatroana nokarakarain’ny “Chanel”, ny 22 janoary lasa teo.

 Lire la suite...

Toa ny ahoana ny lehilahy manintona an’i Taylor Swift, JLo…?

19/02/2019

Tsy mifidy taona, bika aman’endrika na firazanana ny fitiavana fa rehefa hitia olona iray dia fanontaniana voalohany mipetraka ihany ny endrika sy ny toetoetry ny olona mety hanintona. Mba toa ny ahoana ary ireo lehilahy na vehivavy manintona ny olo-malaza ?

 Lire la suite...

Ireo fiakanjo nanamarika ny “Grammy Awards 2019”

13/02/2019

Notanterahina ny 10 febroary lasa teo tao Staples Center ao Los Angeles ilay hetsika Grammy Awards, fanolorana amboara ho an’ireo olo-malaza mendrika izany.

 Lire la suite...

People

10 taona taty aorian’ny nahafatesan’i Michael Jackson dia mbola manenjika azy foana ny fanodinkodinana zaza

11/01/2019

1. tsy ampy taona niampangana azy hatramin’ny fahavelony. Nanambara mantsy ny « Festival de Sundance » fa hisy ny horonan-tsary fanadihadiana mitondra ny lohateny hoe « Leaving Neverland »

izay halefa tsy ho ela, mandritra ny fihaonana natokana ho an’ny horonan-tsary.  Horonan-tsary hiresaka momba ny fiainana lehilahy roa izay nitantara fa nampiharan’i Michael Jackson herisetra ara-pananahana,  raha vao 7 sy 10 taona monja. Mahagaga nefa ny hahafahan’ireo mpamokatra horonan-tsary mamoaka ity fanadihadiana ity nefa fanamelohana efa ela be tany no sady efa nikatona no mbola ho fohazin’izy ireo indray.

 

2.       Efa 76 taona i Chantal Goya, amin’izao fotoana. Hiverina an-tsehatra indray izy, ny 2 sy 3 febroary ho avy izao ao amin’ny lapan’ny kaongresy ao Parisy. Izy no milalao ny anjara asa fototra ao anatin’ilay “comédie musicale”  mitondra ny lohateny hoe “Le soulier qui vole”, izay noforonin’i Jean Jacques Debout, tamin’ny taona 1980. Miaraka mandray anjara aminy, ao anatin’izany ireo mpilalao malaza indrindra any anaty sary miaina toa an-dry Becassine.  Na dia efa lehibe aza i Chantal Goya dia mbola mankafy mizara hafaliana amin’ireo ankizy ihany ka namerina hilalao ity “comédie musicale” ity indray.

 

 

3.       Valo volana taorian’ny mariaziny niaraka tamin’ny printsy Harry dia fantatra fa nahazo asa efatra i Meghan Markle. Voatendry ho reny mpiahy ny “Royal National Theatre” izy. Andraikitra tokony mbola tsy nambara ofisialy saingy nivoaka 24 ora mialoha indray noho ny hadisoana tao amin’ireo tomponandraikitra tao an-dapa ihany. Araka ny fantatra dia toa efa natao hifandray amin’ny toetrany sy ny zavatra tiany mihitsy ity andraikitra napetraka taminy ity ka efa vonona tanteraka ny amin’izany i Meghan Markle.

 

4.       Tsy miaina malalaka ny fiainany intsony ireo olo-malaza noho ireo “paparazzi”. Nangataka ny amin’ny hamelana azy hitazona ny fiainany manokana nefa i Diane Kruger raha nahita ny sariny, niaraka tamin-janany nivoaka tany anaty aterineto. Nangataka ihany koa izy ireo ny amin’ny hanafoanana izany sary izany mba ho fiarovana ny zanak’izy ireo sy hitandroana ny filaminan’ny fiainan’izy ireo manokana ihany. Vidiana lafo moa ny sarin’ireo olo-malaza any an-toerana ka izany no mahatonga ireo “paparazzi” tsy hionona mihitsy na misy fanenjehina azy ireo aza

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo