Jejoo

Dans la même rubrique

Ahoana no hifehezana ny hasarotam-piaro ?

18/03/2019

Raha ny tena marina, dia sady tsy tsara no tsy ratsy ny hasarota-piaro. Ny mety ho zava-bitan'ny olona iray saro-piaro tafahoatra, no mety ho ratsy, fa tsy ilay fihetseham-po akory.

 Lire la suite...

Mpifankatia mifanaja : ahoana marina izany ?

15/03/2019

Hoy i Om-Gui any anatin'ny asa-sorany iray hoe : manaja vao mitia. Misy fahamarinany izany, satria raha ny fanadihadiana natao tany Frantsa tany dia isan'ny antony faharoa mahatonga ny fisaraham-panambadiana ny tsy fahaizana mifanaja !

 Lire la suite...

Ahoana no hiatrehana ny homamiadana mahazo ny olon-tiana ?

11/03/2019

Toa latsaham-baratra foana rehefa mahare fa tratran’ny homamiadana ny olon-tiana. Tsy maintsy mitraka anefa, satria sady mitsabo no mila manohana azy ara-tsaina ihany koa. Inona no tena ilainy ? Toy ny ahoana ny toe-tsaina entina miatrika izany sedra lehibe ?

 Lire la suite...

Vehivavy tsy maharitra mitia… Fa maninona ?

04/03/2019

Misy amintsika vehivavy no tsy mba mety maharitra amin’olona anankiray, fa miova lehilahy hiarahana foana.

 Lire la suite...

Lehilahy be revy, atao ahoana ?

25/02/2019

Misy lehilahy tsy azo raràna mihitsy amin’io fitiavana revy io, fa izay tiany ihany no ataony. Ny olana dia tena manelingelina ny tokantrano izany ary mety hitarika hatrany amin’ny fisaraham-panambadiana mihitsy aza.Inona ary no atao ?

 Lire la suite...

Na tena tia aza, tsy azo atao ireto …

22/02/2019

Rehefa tia ny vehivavy dia mahavita mahafoy ny hasambarany mihitsy, mba hahasambatra ny olon-tiany.

 Lire la suite...

Toetra 3 tena mahatonga ny lehilahy ho babo

18/02/2019

Mitovy tanteraka ny lahy sy ny vavy ao anatin’ny fiainam-pitiavana, fa tsy misy ny natao handefitra lava izao ary tsy misy ny natao hanjakazaka ; na ihany koa, ny iray natao handidy sy hanapaka ary ny iray hanatanteraka baiko.

 Lire la suite...

Love

Lehilahy lehibe sy vehivavy tanora kely mifankatia… olana be ve ?

11/01/2019

Fomba fiteny foana ny hoe : tsy misy taonany ny fitiavana, ary koa ny hoe : tsy mifidy iantefana ny fitiavana.

 Na izany aza anefa, mbola manelingelina ny mason’ny fiarahamonina, amin’ny ankapobeny, ny mahita lehilahy efa be taona sy vehivavy tanora kely miaraka. Ratsy foana ny fitsara azy ireny matetika, nefa mety ho tena fitiavana no iarahan’izy roa…

Tsy misy taonany ny fitiavana ?

Samy manana ny karazan’olona mety hampifoha ny fitiavany ny olona tsirairay. Ny tsikaritra kosa dia tsy tena mipetraka foana ilay fomba fiteny hoe : “tsy misy taonany ny fitiavana”, rehefa mandinika ny fiarahamonina. Rehefa samy nahazoazo taona mantsy ny mpifankatia dia toa tsy manelingelina loatra firy ilay elanelan-taona. Eken’ny fiarahamonina kokoa, ohatra, ny fiarahan’ny lehilahy 60 taona, amin’ny vehivavy 40 taona, raha mitaha amin’ny fifankatiavan’ny lehilahy 38 taona, amin’ny vehivavy 18 taona, nefa dia mitovy tanteraka ny elanelana amin’ireo tranga roa ireo : samy 20 taona !

Misy ve ny elanelan-taona idealy ?

Tsy misy loatra ny lalàna mifehy ny taonan’ny fitiavana eo amin’ny olona mifankatia, fa rehefa samy ampy taona daholo ny lahy sy ny vavy dia mety. Mba ialàna amin’ny mety ho vavam-bahoaka anefa dia tsara ihany raha toa ka tsy mihoatra amin’ny antsasaky ny taonanao, ny elanelan-taona eo aminareo roa. Toy izao izany, raha atao ohatra : raha 20 taona ianao, 10 taona ny antsasaky ny taonanao, dia tokony ho 30 taona izany, raha lehibe indrindra, ilay olona miaraka aminao. Raha 40 taona ianao, 20 taona ny antsasaky ny taonanao, dia tokony ho 60 taona izany, raha lehibe indrindra, ilay olona miaraka aminao…

Fa inona no olana ?

Ny tena olana mantsy, rehefa be loatra ny elanelan-taona eo amin’ny mpifankatia dia efa tsy mitovy intsony ny zavatra ironan’ny saina, ny tanjona sy ny fomba fiaina. Mety ho tsy mbola mieritreritra fiarahana matotra be firy, ohatra ilay tanora kokoa, nefa efa te hiroso amin’ny fanambadiana sy te hanan-janaka ilay be taona kokoa. Tokony hazava tsara eo amin’ny mpifankatia izany, ka hahay hifandefitra sy hifankahazo ary hikaroka ny marimaritra iraisana hatrany, raha toa ka olona roa mielanelan-taona lavitra no miaraka.

 

Fytia

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo