Jejoo

Dans la même rubrique

Tsy mety ampianariko mihitsy ilay zanako rehefa ato an-trano, nefa izy hanala CEPE, dia mitaintaina aho.

15/01/2019

Tsy dia ratsy loatra akory ny naotiny any am-pianarana, saingy tiako arahina maso kely ihany ny fianarany amin’ilay izy hanala fanadinam-panjakana.

 Lire la suite...

Vehivavy 17 taona aho, miaraka amin’ny lehilahy 15 taona. Mangataka firaisana ara-nofo amiko foana izy. Fitiavana ve izany ?

14/01/2019

Raha toa ianao ka mbola tsy vonona mihitsy ny hiroso amin’ny firaisana ara-nofo, nefa dia averiny foana ny fangatahany, miaro fandrahonana sy fanambazana (chantage) mihitsy aza, dia azo antoka fa tsy fitiavana ny azy.

 Lire la suite...

Vehivavy 21 taona aho. 3 volana izay no nananako olon-tiana.

10/01/2019

Mahamenatra be ny olako satria izaho dia sarotin-drivotra, ka tena matahotra aho sao handefa rivotra eo imasony ary tsy ho tiany intsony.

 Lire la suite...

Salama tompoko. Ohatry ny ahoana ny tena fomba fambaboana vehivavy fa tsy mety mahababo mihitsy aho ?

08/01/2019

Miarahaba anao. Tsy mitovy ny vehivavy rehetra, noho izany, tsy misy ihany koa ny fehezan-tany majika, na ny fitsipika arahina mba hahafahana mambabo.

 Lire la suite...

Efa herinandro izao, tsy azo kitihina mihitsy ny téléphone an’ny vadiko sady miova be ny fihetsiny. Mety mampirafy ahy ve izy ?

07/01/2019

Ny tokony ho fantatrao aloha dia fananana manokan’ny tsirairay ny finday, noho izany, tsy tokony hokitihin’ny hafa mihitsy.

 Lire la suite...

Niaraka tamin’olona aho, izay nisaraka tamiko vao 2 volana izao.

04/01/2019

Te hanadino azy aho fa tsy mety mihitsy. Izy koa tsy nanao ratsy tamiko. Inona no tokony hataoko ?

 Lire la suite...

Niaraka tamin’olona aho, izay nisaraka tamiko vao 2 volana izao.

04/01/2019

Te hanadino azy aho fa tsy mety mihitsy. Izy koa tsy nanao ratsy tamiko. Inona no tokony hataoko ?

 Lire la suite...

Conseils

Misy vehivavy miantso ahy foana, milaza fa miaraka amin'ny vadiko.

11/01/2019

Izy indray no mivazavaza ahy sady mandrahona fa tsy maintsy hisarahan'ny vadiko, hono aho, ary hivady ry zareo. Rehefa anontaniako ny vadiko dia milaza fa tsy mahafantatra io vehivavy io akory. Toroy hevitra aho.

 

 

Aza sendaotra avy hatrany amin'ny vadinao aloha, fa diniho fotsiny ny fihetsiny raha misy fiovana. Mety hihataka kokoa izy, na mety hampiseho fitiavana kokoa, raha toa izy mampirafy. Aza mora mandray an-tendrony anefa, fa sao mora voafitaka. Ny momba ilay vehivavy indray, raha azo atao dia soloy ny nomeraom-pindainao mba tsy ho fantany intsony, mba tsy hanelingelenany anao. Raha tsy afaka manao izany ianao dia izao atao : raha mbola miantso anao dia ilazao fa hametraka fitoriana ianao. Raha mbola misisika dia tena mametraha mihitsy fitoriana fiandry, sao tena mahavanon-doza ilay vehivavy.

 

Vehivavy 23 taona aho, miaraka amin’ny lehilahy 34 taona, izay vadin’olona. Tena tia ahy izy, izaho koa tia azy. Tsy miteraka ny vadiny, ka mety ve raha izahay no miteraka?

Na mifankatia aza ianareo, na tsy mifampiteraka aza izy roa, dia ity no tsy azo adinoina mihitsy : tsy ianao no vadiny. Noho izany, raha manapa-kevitra ny hiteraka ianareo dia tsy tafiditra ao anatin’ny ara-dalàna izany. Azony zanahana ilay zaza, saingy zaza azo ivelan’ny tokantrano foana.Anjaranao koa no mandinika, raha zakanao ny hitaiza irery ny zazakely, satria tsy afaka ny hahazo antoka mihitsy ianao fa ho eo foana io lehilahy io, hanampy anao amin’ny lafiny rehetra, amin’ny fitaizana sy famelomana an’ilay ho zanakareo. Ary tadidio ihany koa fa manova ny fifandraisan’olon-droa ny fisian’ny zanaka. Mety hampifanakaiky am-po anareo kokoa izany, nefa mety hampifanalavitra ihany koa. Rehefa misy zaza mantsy dia efa misy koa izay ny adidy, fa tsy ny mahafinaritra fotsiny toy ny taloha akory no hiarahana.

 

Niaraka tamin’ny vehivavy hafa ny vadiko taloha ary nifampiteraka ry zareo, fa tsy vita na inona na inona. Tsy nahafantatra aho tamin’ny voalohany, fa taty aoriana, korontanin’io vehivavy io foana ny fiainanay. Ilay vadiko koa manatanteraka ny sitrapon’izy sy ilay zanaky ry zareo foana. Izahay anefa efa vita soratra ary efa niteraka iray koa. Diso ve aho raha mandrara azy tsy hifanerasera amin’io vehivavy io intsony, izay efa nandrahona anay mianaka ho faty ? Mety mbola miaraka ve ry zareo ?

Ny mandrara ny vadinao tsy hifanerasera amin’io vehivavy io dia mety ho azonao atao ihany, fa ny mandrara azy tsy hifanerasera amin-janany kosa dia tsy azonao atao mihitsy. Adidiny io, ka na tsy miaraka intsony aza izy sy ilay reniny, dia manana andraikitra amin’ny famelomana an’ilay zaza foana ny vadinao. Raha mahita fomba ianareo ny hifaneraseran’ilay vadinao amin-janany, tsy atrehin’ilay vehivavy, dia izay no idealy indrindra, sady ianao rahateo miahiahy hoe : sao mbola miaraka ry zareo. Ny momba ilay fanakorontanana sy ilay fandrahonana, dia azonao atao tsara ny mametraka fitoriana fiandry (plainte de réserve) any amin’ny polisy. Mety tsy ho azo hisamborana azy aloha izany, saingy fara-faharatsiny, ho fantatr’ilay vehivavy fa tsy mandehandeha ho azy  ny fandrahonana olona.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo