Jejoo

Dans la même rubrique

Hanitra, namoy anaka…Mitantara ny iainany!

19/03/2019

Renim-pianakaviana nivelona tamin’ny fivarotana lamba sy kojakoja plastika i Hanitra. 3 taona lasa teo ho eo anefa izay dia narary ny zanany vavy, izay vao 4 taona ary tsy maintsy niatrika fandidiana tamin’ny lohany.

 Lire la suite...

Jus papay, manafisa-kibo sy mamotika ny tavy ao anaty

18/03/2019

Manadio ny tsinay sady manampy manala ny tavy rehetra ao anaty indrindra ny eo amin’ny kibo ity zava-pisotro atolotra anao ity.

 Lire la suite...

Miora, ilay maty tanaty Ethiopian Airlines : Nikasa hody aty hanao vakansy

15/03/2019

Anisan’ireo nodimandry vokatry ny loza an’habakabaka nahazo ilay fiaramanidina lehibe an’ny Ethiopian Airlines ny alahady lasa teo, tany Addis Abeba i Miora Kuric. Gasy ray sy reny i Miora, saingy tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy intsony rehefa natsangana mpivady tera-tany frantsay monina tao Belgique. Avy any ambanivohitr’i Moramanga any no tena fihaviany, ary zanak’olona tena sahirana sy kely anaka any an-toerana izy.

 Lire la suite...

Fieferana : Naolan’ny dahalo ireo mpianaka nalainy an-keriny !

14/03/2019

Mirongatra ny asa fanafihan-dahalo ao anatin’ny kaominina Fieferana, distrikan’Antananarivo Avaradrano.

 Lire la suite...

Tovovavy maro tamina CEG : Niara-nidirana devoly!

13/03/2019

Manomboka mahazo vahana eto amintsika indray ny aretina ambalavelona raha efa somary nangingina izany teo aloha teo.

 Lire la suite...

Miora : Maty tamin'ilay lozam-piaramanidina

12/03/2019

Anisan’ireo namoy ny ainy nandritra ilay loza an’habakabaka nanjo ilay fiaramanidina lehibe an’ny kaompania Ethiopian Airlines ny alahady lasa teo i Miora Kuric. Araka ny fantatra dia Malagasy fihaviana i Miora Kuric.

 Lire la suite...

Loza nahatsiravina : Vehivavy bevohoka iray, maty teo no ho eo!

11/03/2019

Fito no naratra mafy, lehilahy iray sy renim-pianakaviana bevohoka miaraka amin’ny zanany tao an-kibony no maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-piarakodia 3 km tsy hiditra an’ny “Camp Robin” amin’ny lalana ihazo an’i Fianarantsoa.

 Lire la suite...

Beauté

Menaka tarehy 100% natoraly, amboarina … miaro amin’ny kentrona !

11/01/2019

Ahitana singa simika ahiana ho an’ny fahasalamana ny akora amidy vita eny an-tsena. Izany no mahatonga ny olona amin’izao fotoana mirona kokoa any amin’ireo akora natoraly sy biolojika ho an’ny hoditra.

 

 

 Ity zarainay aminao ity izao dia menaka tarehy namboarina tao an-trano, 100% natoraly. Manamandina tarehy, mamelombelona hoditra, ary manala kentrona ihany koa izy ity. Mandina sady malefaka ny tarehy avy eo. Azo antoka satria, ianao ihany no nanamboatra azy.

 

Akora ilaina

-       Menaka “amande douce” 200ml

-       Tantely 1 sotro fihinana

-       Faikan-tantely nokikisana tamin’ny rapy 8 sotro fihinanana

-       Eau de rose 120ml

 

Fanomanana atao

Atsonika ao anaty kaseraoly eo ambony afo ny faikan-tantely, sy ilay ranon-tantely 1 sotro, ampiarahina amin’ny menaka “amande douce”

Raha efa izay dia esorina eo ambony afo ilay kaseraoly dia avela hangatsiaka izany

Rehefa matimaty izany, dia araraho ao anatiny indray ny “eau de rose”, atao mitete tsikelikely sady kapohana amin’ny “batteuse” na “fouet” mandrapifangaron’izy ireo tsara.

Rehefa mahazo fangaro miraikidraikitra tahaka ny “crème” vao ajanona dia ampangatsiahina amin’izay.

Arotsaka sy tahirizina ao anaty “bocal” kely madio tsara. Mangatsiaka tanteraka ilay fangaro vao azo saronana.

 

Ampiasaina isan’andro

“crème du jour” natoraly ity namboarina ity. Noho izany dia ampiasaina isa-maraina eo amin’ny tarehy efa avy nodiovina tsara. Hosorana manify, ary kobanina sy diovina amin’ny hariva. Raha mizatra manao ity fangaro ity ianao, dia ho mandina sy malefaka ny tarehinao, ho voafetra ny fipoiran’ny mony ary tsy vitan’izay fa voaaro amin’ny kentrona ihany koa.

 

 

Ando

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo