Jejoo

Dans la même rubrique

Inona ny « BB Crème » mety amin’ny hoditro ?

19/07/2019

Efa tsy zoviana amin’ny maro loatra intsony ny « BB Crème » amin’izao vaninandro iainantsika izao.

 Lire la suite...

Eye-liner : Inona no manendrika ny masonao?

17/07/2019

Manana ny fitsipika sy ny lalànany koa ny fanosorana ny « eye-liner ». Tokony atao manaraka ny firafitry ny maso izany mba hitondra fanovàna amin’ny tarehy.

 Lire la suite...

Mampirongatra mony ny rarin-tsaina …

15/07/2019

Marobe ny antony mety hahatonga ny mony hipoitra eo amin’ny tarehy. Ny rarin-tsaina na ny “stress”

 Lire la suite...

« Anti-rides » natoraly, azo amboarina ao an-trano

13/07/2019

Azo atao tsara ny manafina ireo kentrona madinika eo amin’ny tarehy. Tsy voatery hividy akora eny an-tsena aza fa afaka manamboatra ny « anti-rides » manokana ho anao ao an-trano.

 Lire la suite...

Mamaritra volomaso mifanaraka amin’ny endrika

12/07/2019

Azo lalaovina sy haingoina hanova ny endrika ny volomaso eo amin’ny handrina. Rehefa hanamboatra volomaso, noho izany dia mila mitandrina tsara, sao mifanipaka amin’ny endrika andrasana no fivoakan’ny tarehy. Na ny endrik’ilay nanamboarana azy, na ny hateviny, dia samy zava-dehibe avokoa. Manana ny lamaodiny koa anefa izy ireny.

 Lire la suite...

« Pédicure » tsotra kely vita ao an-trano

11/07/2019

Na ririnina aza ny andro ka somary tavela ny kapakapa mampiseho tongotra, dia tsy maintsy kolokoloina foana ny tongotra. Azo atao tsara ny mikolokolo azy ao an-trano, na ireny antsoina hoe « pédicure » ireny. Dingana 3 ireto atoronay anao ireto.

 Lire la suite...

Ireo sakafo 5 mana-antitra haingana be

10/07/2019

Isan’ireo fambarana havizanana mitarazoka ny firorahan’ny tarehy, ny fiovan’ny lokony ho lasa matroka, ny kentrona, sy ny maro hafa.

 Lire la suite...

Beauté

Menaka tarehy 100% natoraly, amboarina … miaro amin’ny kentrona !

11/01/2019

Ahitana singa simika ahiana ho an’ny fahasalamana ny akora amidy vita eny an-tsena. Izany no mahatonga ny olona amin’izao fotoana mirona kokoa any amin’ireo akora natoraly sy biolojika ho an’ny hoditra.

 

 

 Ity zarainay aminao ity izao dia menaka tarehy namboarina tao an-trano, 100% natoraly. Manamandina tarehy, mamelombelona hoditra, ary manala kentrona ihany koa izy ity. Mandina sady malefaka ny tarehy avy eo. Azo antoka satria, ianao ihany no nanamboatra azy.

 

Akora ilaina

-       Menaka “amande douce” 200ml

-       Tantely 1 sotro fihinana

-       Faikan-tantely nokikisana tamin’ny rapy 8 sotro fihinanana

-       Eau de rose 120ml

 

Fanomanana atao

Atsonika ao anaty kaseraoly eo ambony afo ny faikan-tantely, sy ilay ranon-tantely 1 sotro, ampiarahina amin’ny menaka “amande douce”

Raha efa izay dia esorina eo ambony afo ilay kaseraoly dia avela hangatsiaka izany

Rehefa matimaty izany, dia araraho ao anatiny indray ny “eau de rose”, atao mitete tsikelikely sady kapohana amin’ny “batteuse” na “fouet” mandrapifangaron’izy ireo tsara.

Rehefa mahazo fangaro miraikidraikitra tahaka ny “crème” vao ajanona dia ampangatsiahina amin’izay.

Arotsaka sy tahirizina ao anaty “bocal” kely madio tsara. Mangatsiaka tanteraka ilay fangaro vao azo saronana.

 

Ampiasaina isan’andro

“crème du jour” natoraly ity namboarina ity. Noho izany dia ampiasaina isa-maraina eo amin’ny tarehy efa avy nodiovina tsara. Hosorana manify, ary kobanina sy diovina amin’ny hariva. Raha mizatra manao ity fangaro ity ianao, dia ho mandina sy malefaka ny tarehinao, ho voafetra ny fipoiran’ny mony ary tsy vitan’izay fa voaaro amin’ny kentrona ihany koa.

 

 

Ando

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo