Jejoo

Dans la même rubrique

Tsy mahita tory… andramo ity

17/06/2019

Akora ilaina Akondro tsy voavaofy 1 Rano iray vera Vovoka kanelina 1 manongo

 Lire la suite...

Zaza tsy mety matory amin’ny maizina… izao atao

14/06/2019

Ø Mba hanazava rehefa mitsangana mikarakara ny zaza amin’ny alina dia azo atao ao ambany fandriana ny jiro.

 Lire la suite...

Manaingo hoho amin’izay fitaovana ananana

13/06/2019

Malaza be sady be mpitia ny fanaingoana hoho amin’ny alalan’ny kisarisary atao eo aminy. Maro anefa no tsy mahafehy ny fanaovana izany ka misafidy ireo fikolo hoho mahazatra ihany. Azonao atao samirery ao an-trano kosa nefa ny fanaingoana hoho miavaka sy araka izay fitaovana anananao.

 Lire la suite...

Akoho amin’ny laisoa

12/06/2019

Akora ilaina Laisoa 1 Akoho gasy efa voadio 1 Voatabia 3 Tongolo 2 Tongolo gasy singany 4 Sakamalaho betsabetsaka Menaka Sira

 Lire la suite...

Manadio “biberon” amin’ny vaingan-tsira… izao atao

11/06/2019

Isan’ny fitaovana tena mila madio tanteraka ny “biberon” noho izy asiana ny sakafon’ny zaza. Indrindray dia mety hisy ronono hiraikitra ao anatiny kanefa sarotra diovina izany. Ny vaingan-tsira dia sady manila ny bakteria no manila ireo loto miraikitra amin’ny “biberon”.

 Lire la suite...

Volo mitera-menaka…andramo ity

08/06/2019

Ny atao : Ø Afangaro ny vinaingitra 1 tasy sy rano 1 tasy. Ø Ahosotra amin’ny volo rehefa manakobana loha farany. Ø Averina isak’izay manasa loha mandra-pahazo vokatra mahafa-po.

 Lire la suite...

Ireo lokon’akanjo tokony hampiarahina

07/06/2019

ü Ny fotsy sy ny « beige » : Mora hampivadiana ireo loko roa ireo. Ny tena tsara dia manao lobaka na akanjo ambony fotsy ary asiana palitao miloko “beige” eo amboniny.

 Lire la suite...

Astuces

Akora fanadiovana solamaso vita ao an-trano…

11/01/2019

Manimba ny maso tokoa ireny solomaso ireny, raha maloto. Mila tandremana tsara anefa ny fanasana azy mba tsy hikiky ny vera. Raha tsy manana ny akora manokana natao hanadiovana ny solomaso ary ianao dia andramo ity akora iray ity.

 

 

 

Ny atao 

-          Afangaro ao  anaty tavoahangy misy « spray » ny alikaola 90°  sy ny rano. Ny fatran’ny alikaola dia 2/3 amin’ny tavoahangy, ary 1/3 kosa ny rano.

-          Ampiana ranon-tsavony fanasana lovia in-telo mitete izany avy eo.

-          Ahontsana tsara ary atsifitra amin’ny solomaso.

-          Fafana moramora amin’ilay lamba natokana hamafana solomaso na amin’ny lamba malefaka.

Fadiana kosa ny mamafa ny solomaso amin’ny mosoara taratasy satria mikiky ny vera izy ireny.

Raha efa misy kiaka kosa ny veran’ny solomasonao dia azo fafana amin’ny feta fiborosiana nify  mba tsy hampihitatra azy sy hampazava indray ilay vera.

 

Meva

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo