Jejoo

Dans la même rubrique

Zaza manavy : tsy ampidinina fotsiny ny hafanana fa manatona dokotera !

18/03/2019

Rehefa manavy zaza dia tsy tokony hionona amin’ny fampididina hafanana fotsiny fa tsaboina hatramin’ny aretina nahatonga ilay hafanana niakatra. Hoy ny fanazavan’ny mpitsabo.

 Lire la suite...

Tsiry mpanentana mikorontana : manatona dokotera raha…

14/03/2019

Mety hiaina fikorontanan’ny tsiry mpanentana ny vehivavy. Rehefa milamina anefa ny toe-batana sy ny saina dia tokony hiverina ho ara-dalàna izany. Raha tsy izay dia aleo manatona dokotera.

 Lire la suite...

Tambavy : Mankarary raha tsy manaraka fatra !

11/03/2019

Ny olana amin’ny fisotroana ny tambavy matetika dia ny aretin’ny voa. Ambaran’ireo mpitsabo ombieny ombieny fa ny fatran’ilay zava-pisotro mihitsy no tsy hay ka raha be loatra dia mety hanimba.

 Lire la suite...

Mamely ny « bronchiolite » amin’ny zazakely : mahaiza misoroka!

04/03/2019

Aretina mamely ireo zazakely sy ankizikely amin’izao fotoana izao ny « bronchiolite ». Raha andro mangatsiaka no tena hisehoan’izy ity, amin’izao, noho ny loton’ny tontolo iainana, dia maro ireo ankizy voa. Inona moa izany izy io? Inona no tokony atao?

 Lire la suite...

“Echographie” : mila atao na tsy bevohoka aza!

28/02/2019

Tsy ny resaka vohoka ihany no hamporisihina ny vehivavy hanao “echographie” fa amin’ny fizahana ny fahasalamana ihany koa. Isam-bolana, ho an’ny vohoka, in-1 mandeha isan-taona kosa, farafahakely, ho an’ny vehivavy.

 Lire la suite...

Fiparitahan’ny kitrotro ao Betroka : Tsy ny latsaky ny 80 ireo maty tao anatin’ny iray volana

26/02/2019

Manjaka tanteraka ary miparitaka ny valan’aretina kitrotro any amin’iny distrikan’i Betroka ity. Tsy latsaky ny 80 isa ireo matin’ny kitrotro tany an-toerana tao anatin’ny volana febroary,

 Lire la suite...

Sasa tanana : 20 segondra vao tena madio

25/02/2019

Zavatra tsotra fa lehibe, mora atao kanefa tena tokony atao tsara ny manasa tanana. Araka ny fenitra iraisam-pirenena sy voalazan’ny mpitsabo anefa, dia misy fomba sy fe-potoana ny fanasana tanana.

 Lire la suite...

Santé

Ireo fambaran’aretina avy amin’ny firaisana ara-nofo…

10/01/2019

Aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ny M.S.T raha atao bango tokana. Misy amintsika anefa no tsy mahafantatra mazava tsara ireo fambara tokony ahiahiana fa tratran’io aretina io ny vehivavy iray. Ireto ny tsara ho fantatra.

 

 

 

 

 

·         Tsiranoka misy fofona, miloko na mampangidihidy

Amin’ny ankapobeny dia mety misy tsiranoka mandeha  amin’ny vehivavy na tsy voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo aza izy. Ara-dalàna izy io raha toa ka tsy misy fofona, tsy miloko ary tsy mampangidihidy. Raha mifanohitra amin’izany anefa ilay tsiranoka : misy fofona, miloko mety ho mavo na fotsifotsy na maloto fa indrindra mampangidihidy dia mety ho aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo izy izany. Isan’ny aretina manambara io tsiranoka io ohatra ny “trichomonas”, ity farany dia mahatonga fofona toy ny trondro maina na paoma lo amin’ny vehivavy tratrany.

 

·         Fery amin’ny fivaviana

Ahitana fery amin’ny fivaviana. Mety harary sy hanaintainana izy io. Ny tety sy ny “Herpès genital” ohatra ny aretina tena isehoany.

 

·         Marary ny andovania

Manaintaina be ny andovania, na ilay faritra ankavia sy ankavanana ambanin’ny foitra  na ny lalan’atodinaina. Rehefa miparitaka mantsy ny aretina dia tonga hatrany amin’ny tranon-jaza ilay izy ka mahatonga ny manaintaina. Mety hanavy ihany koa ilay vehivavy. Ny “Chlamydia’ izao ohatra no tena voatondro ho aretina miseho amin’izany. Marihina fa mety hahatonga zaza an-tsoso-koditra na fahamombana mihitsy aza ity aretina ity raha tsy voatsabo mialoha sy ara-dalàna.

 

Aretina tsy misy seho ivelany

Misy ihany koa ireo aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo no mety tsy ahitana seho ivelany. Isan’izany ohatra ny “Chlamydia” sy ny V.I.H. Marihina anefa fa ireto farany dia tokony ho tadiavina rehefa hanao fitiliana mikasika ny M.S.T ny olona iray.

 

 Fisorohana…

Inona ny fisorohana tokony hatao?

Tsy misy afa-tsy ilay raikipohy A.B.C (Abstinence, Bonne fidélité, Condomn). Izany hoe tsy fanaovana firaisana ara-nofo ; ny fiarahana amin’ny olona iray ihany ; ary ny fampiasana fimailo. Ankoatra izay, dia tokony hanao fitiliana V.I.H ny olona efa manao firaisana ara-nofo, farafaharatsiny in-1 mandeha isaky ny miova olona hiarahana.

 

Isaorana ny Profesora Rakotoarivelo Rivo,

Infectiologue

 

Nelly-Bri

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo