Jejoo

Dans la même rubrique

Ny fomba fikoloana tarehy sy hoditra, raha milomano matetika

15/01/2019

Rehefa hilomano dia misy ireo fihetsika amam-pahazarana tokony hatao, mba hitazonana ny hatsaran’ny hoditra. Ho an’ireo tena milomano matetika sy amin’ny fotoana raikitra kosa indray dia tena mila ovaina sy ahitsy hatramin’ny akora sy ny fahazarana atao mihitsy. Inona avy izany ny tokony hatao mba tsy ho simba ny tarehy sy ny hoditra ?

 Lire la suite...

Manala ireo faritra mangana eo amin’ny maso ny ovy

14/01/2019

Bongongo matetika ny hodi-masonao, ary mamariparitra mangana mihitsy aza izany ho an’ny sasany.

 Lire la suite...

Ireo antony tena mampikentrona ny tarehy

09/01/2019

Manaratsy endrika ny kentrona. Fihetsika tsy voatandrina fotsiny dia efa mety hahatonga ny fipoirany. Ireto no tsara ho fantatra mahakasika azy ireny sy ny fomba fiarovana ny tarehy amin’ny kentrona.

 Lire la suite...

Tamenak’atody sy tantely : manatsara ny tarehy be menaka

07/01/2019

Andairan’ny mony sady mora mangirana ny hoditra mitera-menaka na matavy. Noho ireo tavo mivoaka eo aminy no mitarika izany. Azo arindra anefa ny fivoahan’io tavy io, mba tsy ho simban’ny mony sy ny loto ny hodi-tava ary hikatona kokoa ny mason-koditra. Tamenak’atody sy tantely no vahaolana !

 Lire la suite...

Mampiankin-doha ve ny « produits » fanao amin’ny tarehy ?

03/01/2019

Maro amin’ny vehivavy malagasy no manam-paniriana te hikolokolo ny tarehy, rehefa tonga amin’ny taona sy fotoana iray.

 Lire la suite...

“Lait” sy “lotion” natoraly, ho an’ireo hoditra marefo

03/01/2019

Mila mailo sy mitandrina amin’ny akora fampiasany amin’ny tarehiny ny olona manana karazan-koditra marefo.

 Lire la suite...

Hodi-boasary sy yaourt : Manala mony sy “points noirs”

03/01/2019

Mbola misy voasary tazana eny an-tsena eny amin’izao ankatoky ny fiafaran’ny ririnina izao. Azonao araraotina tsara ny mampiasa ny hoditr’izy ireny, hanesorana tsikelikely ireo mony sy “points noirs” tavela eo amin’ny tarehinao. Ho hitanao fa hadio ny hodi-tavanao, halandina ary ho velom-bolo sy hihatanora ihany koa.

 Lire la suite...

Beauté

Tsotra ny manala tsatsakaotra : Citron, vinaingitra, diloilo kôkô … no vahaolana !

10/01/2019

Misy tsatsakaotra ny hoditrao. Tena feno azy ny hoditra manodidina ny fitombenana sy ny kibo, ny fe, ny nono, ny andilana…

 

 Hoy ianao hoe, tsy ho afaka intsony izy ireo. Aza mbola manary toky, raha tsy efa nampiasa an’ireto paipaika atoronay anao ireto. Telo ny safidy ananana : voasarimakirana, “vinaigre de pomme”, na diloilo kôkô no vahaolana.

  • Voasarimakirana

Hosory ranom-boasarimakirana atao manoritra boribory ireo faritra feno tsatsakaotra. Avelao hiasa sy hilona eo mandritra ny 10 minitra. Kobanina amin’ny rano matimaty avy eo. Hamainina, dia hosorana menaka manamandina.

  • Vinaigre de cidre

Ataovy ao anaty tavoahangy fanaovana tsifitsifitra ny vinaingitra paoma. Ny alina mialoha ny hatory, dia atsifitsifitra eo amin’ireo tsatsakaotra ity vinaingitra ity, dia aleo ho main’ny rivotra ho azy eo. Ny maraina mifoha vao kobanina sy hamandinina amin’ny menaka mahazatra ny hoditrao.

  • Diloilo kôkô

Diloilo kôkô tsy mitapoka no ilainao. Ahosotra sady hanorana ny faritra misy tsatsakaotra isan’andro, indrindra fa amin’ny alina mialoha ny hatory. Hihena tsikelikely sady ho zara raha ho tazana ireo tsasakaotra.

 

 

Ando

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo