Jejoo

Dans la même rubrique

Manala fofom-bava amin’ny yaourt…

15/01/2019

Manala ny fofona ratsy ao anatin’ny vava ny yaourt. Mampihena ny tahan’ny singa antsoina hoe “sulfure d’hydrogène”, izay miteraka ny fofona ratsy ao anatin’ny vava mantsy izy ity. Ankoatra izay dia mahasalama ny ati-vava ny vitamina D sy ny kalsioma anatin’ny yaourt.

 Lire la suite...

Akora fanadiovana solamaso vita ao an-trano…

11/01/2019

Manimba ny maso tokoa ireny solomaso ireny, raha maloto. Mila tandremana tsara anefa ny fanasana azy mba tsy hikiky ny vera. Raha tsy manana ny akora manokana natao hanadiovana ny solomaso ary ianao dia andramo ity akora iray ity.

 Lire la suite...

Manala tain-dabozia amin’ny alikaola…

09/01/2019

Ny alikaola dia manala ny tain-dabozia miraikitra amin’ny lamba. Mandaitra hatrany izany amin’ny karazana lamba rehetra saingy mila faharetana kely.

 Lire la suite...

Maso ditsoka… andramo ity

07/01/2019

Manindrona, manitikitika, manelingelina ny maso rehefa ditsoka. Marihina fa tsy azo kosehina mihitsy ny maso raha sendra ditsoka. Raha tsy misy mandaitra mihitsy ireo fomba fanalana izany dia andramo ity fomba iray ity.

 Lire la suite...

Tsy nahalevon-kanina… Coca-cola ampiasaina!

04/01/2019

Mampitony ny tsy fahalevonan-kanina ny Coca-cola. Raha ampiarahina amin’ny fisotroana rano betsaka sy ny sakafo maivamaivana izy ity dia tena mandaitra tokoa. Araho ary ity torohevitra ity raha hampitony ny tsy fahalevonan-kanina amin’ity zava-pisotro ity.

 Lire la suite...

Ronono sy karibonetra, mitsabo tongotra vakivaky

03/01/2019

Anisan’ny toe-javatra tena manahirana amin’izao vanim-potoan’ny ririnina izao ny tongotra vakivaky. Ity misy fomba iray mbola tsy faheno loatra, azo entina mitsabo izany.

 Lire la suite...

Vinaigre de cidre + Menaka oliva : Manala « cellulite »

03/01/2019

Tavy miandrona ao ambany hoditra ny « cellulite », izay maqhatonga ny hoditra hanana endrika mikilavadavaka, toy ny hodi-boasary.

 Lire la suite...

Astuces

Ranona persily sy citron : Analana mony sy kentrona

10/01/2019

Vita amin’ny akora natoraly tanteraka ity fangaro iray ity kanefa tena manadio tarehy tokoa. Manala ny mony sy ny tasy izy ity. Ankoatra izay anefa dia misoroka ny kentrona ihany koa.

 

 

Akora ilaina

  • Persily 2 sf
  • Ranom-boasarimakirana 1 sk
  • Rano 200ml

Fikarakarana

Ø  Miaraka ampangotrahina ny rano sy ny persily ka rehefa mangotraka dia esorina ambony afo ary ampangatsiahana.

Ø  Rehefa mangatsiaka dia afaka alefa ihany koa ny ranom-boasarimakirana. Aroina tsara, araraka anaty tavoahangy vera ary apetraka anaty vata fampangatsiahana.

Ø  Hanadiovana ny tarehy amin’ny maraina sy amin’ny hariva ity fangaro ity mba hanidy ny mason-koditra sy hiadiana ny fahanteran’ny hoditra.

Meva

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo