Jejoo

Dans la même rubrique

Spray Arnica - Katrafay : manala fanaintainana sy mangana

12/12/2018

Eny amin’ny Homeopharma no ahitana an’ity “Spray Arnica- Katrafay” ity. Singa roa samy hafa no natambatra nahazoana azy dia ny “arnica” sy ny katrafay. Any amin’ny hozatra no tena miasa izy ity.

 Lire la suite...

Produit de la Rédac

Vahona : Manatsara volo, manala angadrano !

09/01/2019

Azo araraotina hitaizana ny volo simba ny toetrandro avy orana tahaka izao. Tsara kokoa mantsy raha mba omena aina kely ny volo ka tsy atao amin’ireny fitaovana fanaovam-bolo ireny ka tazonina ho natoraly. Fomba iray hanatsarana azy ny fampiasana ny dintina vahona.

 

 

Fikarakarana :

Vahona lava iray no ilaina. Esorina ny dinty ao anatiny. Potsehina ao anaty “mixeur” izany. Maka bà “collant” manify, efa tsy miasa intsony ary tantavanina amin’izany ilay dintina vahona. Ilay vahona azo amin’izany no ampiasaina.

Fampiasana azy:

·         Rehefa avy manasa loha, vita ny “shampooing” sy ny “masque” dia hosorana izany ny volo sy ny hodi-doha. Tsy kobanina.

·         Azo ahosotra amin’ny loha mialohan’ny hanasana azy. Lomana 30 minitra vao kobanina.

Cadrée : Manala angadrano, manamandina, manatsara ny hodi-doha sy ny tahom-bolo ny vahona. Ireo olona mitaiza volo ho “frisé” no tena tsara mampiasa azy.

Vidiny : 500Ariary ny tahony kelikely iray.

Nelly-Bri 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo