Jejoo

Dans la même rubrique

Mpiandry manokan’ireo olo-malaza : “sady taviny no volony” araka ilay fiteny

04/03/2019

Manana mpiandry manokana avokoa ireo olo-malaza noho izy ireo be mpanaraka ary indraindray dia maratra mihitsy vokatry ny fifanosehan’ireo mpankafy na ny herisetra ataon’ireto farany.

 Lire la suite...

1. Tao anaty fandaharana maraina amina fahitalavitra frantsay iray no nametra-panontaniana ilay mpanentana Matthieu Delormeau.

27/02/2019

Raha toa ka azo sary miaraka amina vehivavy hafa ankoatra an’i Brigitte Macron dia mety ohatrinona no ho saran’izany?

 Lire la suite...

Mitentina 185 tapitrisa dolara: Lovan’ilay sakan’i Karl Lagerfeld

25/02/2019

Taorian’ny nahafatesan’ity mpamorona teratany alemana Karl Lagerfeld ity dia naha be resaka ny lova izay napetrany ho an’ilay sakany, “choupette”.

 Lire la suite...

Ireo zanak’olo-malaza andrasana fatratra amin’ity taona 2019 ity

21/02/2019

Isan’ireo zaza nandrasana tamin’iny taona 2018 iny ny zanak’i Eva Longoria izay niteraka voalohany teo amin’ny faha-43 taonany.

 Lire la suite...

Nodimandry i Karl Lagerfeld, ilay amperoran’ny marika “Chanel”

20/02/2019

Nodimandry ny talata 19 febroary, teo amin’ny faha-85 taonany ilay mpamorona, Karl Lagerfeld. Efa narary herinandro vitsy izay ity mpamorona ity ary voalohany teo amin’ny fiainany no tsy nanatrehany filatroana nokarakarain’ny “Chanel”, ny 22 janoary lasa teo.

 Lire la suite...

Toa ny ahoana ny lehilahy manintona an’i Taylor Swift, JLo…?

19/02/2019

Tsy mifidy taona, bika aman’endrika na firazanana ny fitiavana fa rehefa hitia olona iray dia fanontaniana voalohany mipetraka ihany ny endrika sy ny toetoetry ny olona mety hanintona. Mba toa ny ahoana ary ireo lehilahy na vehivavy manintona ny olo-malaza ?

 Lire la suite...

Ireo fiakanjo nanamarika ny “Grammy Awards 2019”

13/02/2019

Notanterahina ny 10 febroary lasa teo tao Staples Center ao Los Angeles ilay hetsika Grammy Awards, fanolorana amboara ho an’ireo olo-malaza mendrika izany.

 Lire la suite...

People

1. Efa tsy tokan-tena intsony amin’izao fotoana ilay mpilalao sarimihetsika, Jim Carrey.

09/01/2019

Nandritra ilay lanonana Showtime Golden Globes Nominees Celebration notanterahina tao Hollywood mantsy dia niaraka tamin’i Ginger Gonzaga izy.

 Ity mpilalao sarimihetsika, miara-mandray anjara aminy ao anatin’ilay andian-tantara Kidding ity izany no olon-tiany amin’izao. Hatramin’izay namonoan’ilay olon-tiany teo aloha, Cathriona White, tena izay dia izao vao nisy olona niaraka taminy ka nasehony tamim-pomba ofisialy.

 

2.      Fotoana vitsy izay no nandeha ny sion-dresaka fa ilay mpilalao sarimihetsika Rami Malek no handray ny anjara asan’i James Bond, ao anatin’ity horonan-tsary ity. Nilaza moa ity mpilalao sarimihetsika ity fa mahafinaritra azy izany hilalao anjara toerana masiaka izany saingy tsy mbola fantatra ny mahakasika ny handraisany io anjara toeran’i James Bond io. Na dia mandeha aza ny resaka nefa dia mety tsy hifandray ihany ny tetiandro amin’ny fanodinana ny horonan-tsary James Bond sy ilay horonan-tsary “Mr Robot” handraisan’i Malek anjara, amin’izao fotoana.

 

 

3.      Tany amin’ny taona 1994 tany dia voasazy handoa lamandy mitentina 22. 866 euros ilay mpanentana, Julien Lepers  satria raha tokony ho 760.540 euros no nosoratany nandritra ny fanambaram-panana nataony dia 300.359 euros monja no nosoratany tamin’izany. Fantatra nefa amin’izao fotoana fa nanafina vola mitentina 1,08 tapitrisa euros indray ity mpanentana ity ka nanome fanazavana tsy nitombina loatra tamin’ny fampiasany ireo vola ireo. Efa mahatratra 505.000 euros izany izao ny hetra tokony ho aloan’i Julien Lepers, taorian’ireo tsy fanambarana marina ny vola tena miditra aminy ireo.

 

4.      Nahatonga resa-be indray ny fandokoana tarehy entina hanaratsiana ny olona mainty fihodirana na “blackface”, any anaty aterineto. Ilay mpanakanto Aya Nakamura mantsy no lasibatra tamin’izany satria nisy vehivavy mpikirakira aterineto no nandoko tarehy no sady naka tahaka azy ary nindrana ny hirany. Olon-kafa no nizara izany ary nanakiana ny zavatra nataony. Fotoana vitsy taorian’io dia nofafan’ny “Instagram” ilay kaonty namoaka io horonan-tsary fohy io saingy mbola azo jerena ihany izany, taty aoriana. Tsy nahafaly an’i Aya Nakamura ny fangalana tahaka azy fa tsy nanisy resa-be momba ilay izy kosa nefa ity mpihira vao nisondrotra ity.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo