Jejoo

Dans la mÍme rubrique

Zava-pisotro zavoka sy kaokaombra ary yaortaÖ tsara atao sakafo maraina

06/03/2019

Ny akora rehetra anatiníity zava-pisotro iray ity dia feno otrikíaina ilainíny vatana hiatrehana ny tontolo andro. Zava-pisotro tena tsara hanombohana ny tontolo andro izy ity satria sady ahitana vitamina C no ahitana proteina, izay samy ilainíny vatana

 Lire la suite...

Zava-pisotro aminíny tamotamoÖ misoroka homamiadana

27/02/2019

Singa efa fantatra aminíny voka-tsoa izay entiny ny tantely sy ny tamotamo. Isaníny tena hahafantarana azy ireo ny fisorohana ny homamiadana. Ity zava-pisotro iray ity dia ahitana ireo singa roa ireo ka misoroka ny fiparitahaníny singa mitondra homamiadana anatiníny vatana ary mampitombo ny hery fiarovana ihany koa.

 Lire la suite...

Ranona kaokaombra, sakamalao, Önalona : Mampihena kibo

20/02/2019

Efa fampiasa matetika aminíny fampihenam-batana ny kaokaombra. Raha afangaro aminíny sakamalao sy voasarimankirana izy dia mampihena kibo.

 Lire la suite...

Zava-pisotro mahatsara tarehy, aminíny betiravy

13/02/2019

Zava-pisotro natoraly mahasolo ireny akora ďanti-‚geĒ ireny ity zava-pisotro ity. Ny singa tsirairay avy izay mandrafitra azy dia samy manamandina sy mahatsara hoditra avokoa. Ankoatra izay dia mitahiry ny fahatanoraníny hoditra ihany koa izy ity.

 Lire la suite...

Zava-pisotro vita aminíny tamotamo : misoroka ny fihomboníny homamiadana, manadio taova, tsara ho aníny taolana, Ö

06/02/2019

Akora mitondra voka-tsoa marobe ho aníny vatana ny tamotamo. Raha afangaro aminíny akora hafa toy ny voamadilo sy ny voasarimakirana izy dia manasitrana aretina samihafa. Ity zava-pisotro manaraka ity izao dia misoroka ny fiomboníny homamiadana, manadio taova,Ö

 Lire la suite...

Zava-pisotro mampavitrika tontolo andro

30/01/2019

Araka ny filazaníireo ę nutritinioniste Ľ dia ny sakafo maraina no tena manan-danja indrindra aminíireo sakafo mandritra ny tontolo andro

 Lire la suite...

Dite sakamalao : Manala vato aminíny voa, manadio atyÖ

23/01/2019

Manan-karena mineraly isan-karazany toy ny vitamina sy ny manezioma ny sakamalao. Mampiakatra ny hery fiarovana koa izy ity. Noho ireo voka-tsoa ireo dia manadio ny aty ny sakamalao, manala ny vato aminíny voa ary miady aminíny homamiadana. Andramo ary ity zava-pisotro vita aminíny sakamalao iray ity.

 Lire la suite...

Boisson

Ranona vahona + letisia : Misoroka aretiníaty !

09/01/2019

Tena mahasalama izany ny zava-pisotro vita aminíny vahona. Tsara ho aníny aty izy ity, misoroka izay aretina mety hahazo azy, miady aminíny fitohanana ihany koa ary manadio ny hoditra. Indro ny zava-pisotro vita aminíny vahona izay mora karakaraina sady tena mahasalama.

 

 

Akora ilaina

·         Rano 30 sl

·         Ranona letsia 15 sl

·         Dintina vahona 50g

·         Voasarimakirana maitso 1

 

Fikarakarana

Ø  Rehefa madio tsara ny vahona dia  zaraina manaraka ny halavany.

Ø  Atsangana ao anaty vera misy rano mandritra ny minitra vitsy izany.

Ø  Rehefa izay dia averina kobanina indray ary esorina ilay tsilo amin’ny sisiny ary esorina koa ny hodiny.

Ø  Rehefa afaka ny hoditry ny vahona dia kobanina indray izay dintiny azo eo ary potehina amin’ny “mixeur”.

Ø  Aorian’izay dia alefa ao anaty tavoahangy ilay dintina vahona ary araraka ao ihany koa ny ranom-boasarimakirana, ny ranona letisia ary ny rano.

Ø  Ahontsakontsana mba hifangaro tsara.

Ø  Tehirizina ao anatin’ny vata fampangatsiahana ary sotroina ao anatin’ny 2 andro.

Ireo voka-tsoa

·         Betsaka dia betsaka ny rano ao anatin’ny vahona. Manampy ireo olona izay sendran’ny tsy fahampian-drano ny vahona araka izany. Tena tsara ho an’ireo mpanao fanatanjahantena ihany koa izy ity satria mamerina ao anatin’ny fotoana fohy ny rano very noho ny hatsembohana be loatra.

·         Mahasalama ny aty ihany koa ny vahona. Miasa bebe kokoa mantsy ny aty rehefa ampy rano sy sakafo tsara ny vatana.

·         Manampy be dia be an’ireo mitohana ihany koa ny zava-pisotro vita amin’ny vahona satria vokatry ny tsy fahampian’ny rano ao anatin’ny vatana no mahatonga azy io. Araka ny efa voalaza teo anefa dia mamerina haingana ny rano ao anatin”ny vatana ny vahona.

·         Manadio ny hoditra ny zava-pisotro vita amin’ny vahona. Miady amin’ny mikraoba izay mahatonga ny mony sy aretin-koditra isan-karazany mantsy izy ity.

Meva

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo