Jejoo

Dans la même rubrique

Manatanora ny diloilo kôkô , tantely, citron…izao atao

25/03/2019

Azo sokajiana ho tanora ny endrika iray rehefa mandimandina tsara, madio, mazava loko ary indrindra tsy misy kentrona na miroradroraka.

 Lire la suite...

Mifidy « gel douche » araka ny sokajin-koditra

22/03/2019

Nentina taminao vao tsy ela ny fomba fisafidianana ny savony sy ireny « gel douche » ireny, arakaraky ny filàn’ny hoditra. Raha toa ka tafiditra ao anatin’ireo mila mampiasa « gel douche » ianao dia atoro anao eto indray ny fomba fisafidianana azy, arakaraky ny sokajin-koditrao.

 Lire la suite...

Azo sorohana ny kentrona manodidina ny maso

20/03/2019

Faritra isan’ny sarotiny sy marefo indrindra raha samy hoditra ny eo amin’ny manodidina ny maso.

 Lire la suite...

Vahaolana ho an’ny hoho mihamavo, mora tapaka, …

19/03/2019

Betsaka ireo karazana fahasimbana mety hahazo ny hoho. Mety ho noho ny fahasalamany sy ny toetoetrany izany, kanefa mety ho avy amin’ny akora nampiasainao taminy ihany koa. Soa fa misy ary azo arahina tsara ireo vahaolana mety ho an’ny olana tsirairay…

 Lire la suite...

Manadio tarehy amin’ny tantely, miaro amin’ny kentrona sy firorahana

18/03/2019

Akora tsotra sy natoraly ary sakafo feno ny tantely. Raha hikolo endrika aminy, dia amarino tsara mba ho ireny tantely tsy mitapoka ireny no ampiasaina. Tsotra kely ny fanao azy, raha hanadio tarehy aminy.

 Lire la suite...

Ny fomba fikarakarana tarehy tsy manana olana…

15/03/2019

Betsaka amin’ny vehivavy tsy manana olana loatra eo amin’ny tarehy, na manana tarehy ara-dalàna, no manapa-kevitra ny tsy hikitikitika ilay hodi-tava mihitsy sao miova ny kalitaony.

 Lire la suite...

Lalàna 6 mahatsara ny tongotra mandavan-taona …

14/03/2019

Andro mafana, orana sy fotaka, vovoka… mety hanimba ny tongotra avokoa izany. Raha voafehinao tsara anefa ny “lalàna”

 Lire la suite...

Beauté

Ireo antony tena mampikentrona ny tarehy

09/01/2019

Manaratsy endrika ny kentrona. Fihetsika tsy voatandrina fotsiny dia efa mety hahatonga ny fipoirany. Ireto no tsara ho fantatra mahakasika azy ireny sy ny fomba fiarovana ny tarehy amin’ny kentrona.

 

 

 

Fahanterana, hain’andro…

Betsaka ireo fototra manosika ny fipoiran’ny kentrona amin’ny tarehy :

·         Ny fandrosoan’ny taona, izay miankina amin’ny karazan-koditry ny tsirairay koa ny maha-betsaka azy na tsia ary mety hanaranaka ihany koa.

·         Ny hain’andro.

·         Ny tsy fahampian-drano ka manamaina ny hoditra.

·         Ny adin-tsaina na harerahana be loatra.

·         Ny fampiasana akora tsy mifanaraka amin’ny hoditra, ka mampikentrona azy mialohan’ny fotoana.

·         Ny tsy fahampian’ny fiarovana azy amin’ny rivotra sy ny loto.

 

Tsy ampy menaka

Rehefa tena dinihina dia ny tsy fahampian’ny menaka amin’ny hoditra no mahatonga azy hikentrona. Manampy trotraka izany ireo singa avy ety ivelany : tsy fahampian-drano, loto…

 

Manatona matihanina, na dia tanora aza

Mila arovana amin’ireo singa ety ivelany ny hoditra. Mba hahafahany miaro-tena dia tokony hihinana sakafo ara-pahasalamana, hisotro rano amin’ny fatra atonony ary miala voly kely. Tokony akora mifanaraka amin’ny hoditra ihany koa no ampiasaina. Ankoatra izay, mila mikarakara hoditra eny amin’ny matihanina, mialohan'ny fipoiran’ny ketrona, eny fa na dia mbola tanora aza.

 

Otra mampihemotra ny kentrona

Ity otra ity no ataovy any an-trano mba hampihemotra ny fipoiran’ny kentrona. Somary tsongotsongoy isan’andro ireo faritra mikentrona, mba hikorian’ny rà tsara.

 

Akora tsara ampiasaina

Ho an’ny mariky ny akora indray dia mila atao mifanaraka amin’ny karazan-koditra no ampiasaina. Ny tena mikolo ny hoditra dia ireo ahitana singa “coco”, zavoka, “elastine”, “collagène”, ary ireo “sérum” isan-karazany arakaraky ny hoditra.

 

 

Isaorana i Ambinintsoa Rasoanaivo, Beauty And’Ntsoa Faravohitra. Fifandraisana  : 033 11 276 98

Ando

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo