Jejoo

Dans la même rubrique

Firaisana ara-nofo…mampisaraka mpivady raha tsy ampy!

19/03/2019

Voalaza fa isan'ny antony iray tena mahatonga ny fisaraham-panambadia­na ny tsy fahampian'ny firaisana ara-nofo.

 Lire la suite...

Lalan-kafa mankany amin’ny lanitra faha-7…

12/03/2019

Rehefa hanafosafo ny olon-tiany ny vehivavy, mandritra ny firaisana ara-nofo, dia matetika no mivantana avy hatrany any amin'ny taovam-pananahan’ilay lehilahy.

 Lire la suite...

Misafosafo amin’ny lela …

05/03/2019

Fomba iray tanterahina ao anatin’ny firaisana ara-nofo ary entina hanaitairana ny vehivavy ao anatin’ny savaranonando, indrindra indrindra, ny « cunnilingus ». Azo lazaina ho mizara ihany ny hevitry ny lehilahy amin’ny fanatanterahana azy io, saingy ny ankamaroany dia mankafy izany.

 Lire la suite...

Filàna ara-nofo, taitairin’ny fofona !

19/02/2019

Mitana anjara toerana lehibe ny fofona, eo amin'ny fananahana. Mety mahatonga antsika ho voasintona amin'olona iray izy io, nefa mety tsy hitiavantsika olona iray ihany koa. Tsy azo atao ambanin-javatra, noho izany, ny fofona avoakan'ny vatana sy ny fivaviana. Andao fantarina ny tsiambaratelony !

 Lire la suite...

Fahadisoana 4 tsy tokony atao intsony

05/02/2019

Misy fomba fiheverana malaza izay manao hoe : tsy misy vehivavy tsy liana amin’ny firaisana ara-nofo, fa ny lehilahy tsy mahay mampianoka no misy.

 Lire la suite...

Mahatsara ny fiainam-pananahana ny “masturbation”

29/01/2019

Mahamenatra ary fahotana mihitsy aza, ho an’ny olona sasany, izany fanomezana fahafinaretana samy irery ny tena izany.

 Lire la suite...

Fahadisoana 4 tsy tokony atao intsony

15/01/2019

Misy fomba fiheverana malaza izay manao hoe : tsy misy vehivavy tsy liana amin’ny firaisana ara-nofo, fa ny lehilahy tsy mahay mampianoka no misy.

 Lire la suite...

Sexo

Fanapahan-kevitra 3 manatsara ny fiainam-pananahana

08/01/2019

Rehefa miandoha ny taona dia miezaka mandray fanapahan-kevitra tsara, na mametraka tanjona sy vina hotratrarina ny ankamaroan’ny olona.

 

 Koa maninona moa raha handraisana an’izay fanapahan-kevitra tsara izay ihany koa ny fiainam-pananahana ? Simenitra mampiraikitra ny olon-droa mifankatia izy io, ka mendrika ny hametrahana tanjona ihany koa, mba hihatsara hatrany.

Tsy mifaninana amin’ny hafa intsony

Indraindray tokoa mantsy, tsy tsapantsika akory hoe : ny hafa no lasa mamaritra ny fiainam-pananahantsika. Mamaky boky, mijery aterineto, mihaino ny resaky ny namana, dia lasa mieritreritra fa misy « ara-dalàna » tokony harahina, na misy taham-pahafinaretana tokony ho tratra, na ihany koa misy zava-baovao tokony handramana foana… Lasa tsindry mavesatra, manampy ny karazana tsindry hafa efa iainana izy ireny, ka aleo tsy raisina ho tena zava-dehibe. Tsy voatery hitovy rahateo ny fahazaran’ny mpifankatia sy ny fomba fifandraisany. Raha tianareo roa ny hanandrana zava-baovao, dia ataovy ! Raha mahatsara anareo ny efa mahazatra isan’andro, aza ialàna, fa aza manaiky hobaikoin’ny hevitry ny hafa !

Mitia sy mikasika ny vatana

Aza raisina ho zava-pady intsony ny fanomezana fahafinaretana samy irery ny tena. Fomba iray hamantarana ny vatana sy izay ankafizina mantsy izany. Amin’izay koa dia matoky tena kokoa rehefa miaraka amin’ilay olon-tiana. Tsy ho sarotra sy tsy hampisalasala intsony ny manoro azy an’izay fomba fikitika sy fanafosafo hahatakaranao ny lanitra fahafito. Amin’izay ihany koa dia ho hainao ny mandrindra sy mibaiko ny vatanao sy ny fahafinaretanao, satria efa voafehinao tsara.

Miteny sy miresaka

Mba hialana amin’ny olana sy ny tsy fifankazahoan-kevitra, amin’ny akapobeny, dia tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana amin-kitsim-po. Tena mitombina ihany koa io eo amin’ny lafiny ara-pananahana. Tsy hahafantatra izay tianao, izay irianao sy izay mahazo anao mihitsy ny olon-tianao, raha tsy lazainao azy izany. Dia tahaka izany koa, mila miresaka aminao ny olon-tianao, vao fantatrao ny zavatra tsapany. Aza atao mahamenatra intsony, noho izany, ny miresaka momba ny firaisana ara-nofo, indrindra raha ny hahatonga lafatra hatrany an’izany fifampizaràna mamy izany no tanjona.

 

Fytia

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo