Jejoo

Dans la même rubrique

Fomba 6 tsy ampoizina, manampy anao hihena vetivety!

17/12/2018

Raha efa nandramanao avokoa ny fomba rehetra hampihenan-tena saingy tsy nahomby izany dia andramo indray ireto manaraka ireto. Tsy dia ampoizina loatra izy ireo kanefa dia mahomby amin’ny fandrisihina anao ao anatin’ny ezaka fampihenan-tena

 Lire la suite...

Ireo legioma sy voankazo 3 ampiarahana, mamotika tavy!

10/12/2018

Raha tsy manan-kevitra ianao ny amin’ireo voankazo sy legioma tsara ampiarahina hanaovana “smoothie” dia atoronay anao ireto karazany roa ireto, izay mora mampihena tokoa noho ireo tombontsoa azo avy amin’ireo akora mandrafitra azy.

 Lire la suite...

Ireo sakafo mampihena

03/12/2018

Fantatrao ve fa misy ny sakafo tsara ampiarahina mba hahatonga azy ireo handoro kaloria sy hampihena haingana kokoa ? Ireto ny santionany amin’izany, ka tsara ho fantatra :

 Lire la suite...

Mihena 60 kilao noho ny fampiasana ny tambajotram-pifandraisana

26/11/2018

Misy akony amin’ny fiainan’ny mpampiasa azy, ny tambajotram-pifandraisana. Tsy voatery ho ratsy foana anefa izany fa mety hitondra izay mahasoa ihany koa.

 Lire la suite...

“Avoine” sy “citron” atao “jus” : 5 andro dia mihena 5 kilao

05/11/2018

Mahery vaika ny fiasan’ity zava-pisotro iray ity ary mety hampihena hatrany amin’ny 5 kilao mihitsy, ao anatin’ny herinandro monja. Mitroka tavy mantsy izy ity. Araho ange e !

 Lire la suite...

Avoine no atao sakafo maraina, raha te hihena

15/10/2018

Ny sakafo maraina no sakafo lehibe indrindra ao anatin’ny tontolo androary efa voamarin’ireo imatihanina momba ny fomba fisakafo, na ny “nutritionnistes” izany.

 Lire la suite...

Fahazarana 5 mila atao, raha te hihena vetivety

08/10/2018

Fihetsika kely fotsiny no atao dia mandoro kaloria betsaka kokoa ny vatana. Voaporofo ara-tsiansa rahateo izany satria efa nanaovana andrana. Ireto avy ny tsara atao raha te hihena tokoa…

 Lire la suite...

Minceur

Ranom-boankazo “majika” mitroka tavy miandrona, amin’ny alina

08/01/2019

Maro ireo antony mahatonga ny vehivavy ho lasa be kibo. Ny fomba tena tsotra sy mahomby hisorohana izany nefa dia ny fihinana sakafo voalanjalanja hatrany, ankoatra ny fanaovana fanazaran-tena.

 Na izany aza dia atoronay fikarakarana  ranom-boankazo mora kararakaina ianao, ho fanampiana amin’izany fampihenana kibo haingana sy azo antoka izany. Sotroina alohan’ny hatory izy ity ary mandritra ny alina manontolo no handorany ireo tavy miandrona rehetra

Ireto avy ny zavatra ilaina

·         Vovoka kanelina ½ sk

·         « Vinaigre de cidre de pomme » 1 sk

·         Sakamalaho voakiky ½ sk

·         Tantely

·         Persily 1 tasy

·         Ranom-boasarimakirana 1

·         Rano ½ l

Potserina miaraka ao anaty “mixeur” ireo fangaro rehetra ireo na haroina miaraka tsara fotsiny dia tantavanina rehefa avy eo. 15 minitra eo ho eo, mialohan’ny hatoriana no hisotroana azy mandritra ny 15 andro.

Inona ny vokatsoa entin’ireo akora tsirairay ireo?

·         Manakana ny fitiavana te hihinan-kanina matetika ny kanelina sady mandoro tavy. Tsy maha be rivotra ihany koa izy ka manampy betsaka amin’ny fahamoran’ity fampihenana kibo  ity.

·         Ny “vinaigre de cidre” indray dia misoroka amin’ny aretim-bavony. Miady amin’ny fiforonan’ny “cholesterol” koa ny asidra ao anatiny.

·         Mampihena ny fiforonan’ny rivotra any anaty kibo ihany koa ny sakamalaho no sady manampy amin’ny fanadiovana ireo loto rehetra miandrona ao anaty ao. Tsy mety ho an’ny vehivavy bevohoka sy diabetika kosa anefa izy ity.

·         Ny tantely indray dia sakafo tena tsara indrindra hanoloana ny siramamy. Namana tsara ananana mandavan-taona satria hisorohana ny fitiavana te hitsakotsako amin’ny alina

·         Ny persily indray dia mananankarena “fibres” ka manamora ny fandorana ny tavy miandrona ao anaty ao. Manamafy ny hery fiarovana ihany koa izy

·         Ny voasarimakirana moa dia fantatra loatra amin’ny ireo singa mampihena ao aminy. Tsy mety amin’ireo manana olana amin’ny vavony, na voa izy.

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo