Jejoo

Dans la mÍme rubrique

Mankarary ny tsy manao ďechauffementĒ

11/06/2019

Tafiditra ao anatiníny fitaizam-batana tokony hataoníny olona rehetra ny fanaovana fampihetseham-batana.

 Lire la suite...

Tavy amin'ny andilana, azo esorina !

04/06/2019

Ny faritra manodidina ny valahana sy ny andilana no anisany sarotra ahena indrindra. Hanampy anao hanala ireo tavy amin'ireo faritra ireo kosa ireto fampihetseham-batana manaraka ireto :

 Lire la suite...

Otra 5 miaro ny tarehy tsy hiroraraka

28/05/2019

Rehefa mandroso ny taona dia miha-miroraka sy mivaha ny fizozoraníny hodi-tava hany ka miroraka ny takolaka. Aminíny fahatanorana dia miendrika telozoro mivadika miainga aminíny saoka mankany aminíny pomety sy ny volomaso ny tarehy.

 Lire la suite...

Manamafimafy ny fitombenana, ao an-trano

21/05/2019

Raha te-hanamafy sy hanalehibe ny fitombenana sy ny fe dia azo atao tsara ireto fampihetseham-batana ireto na dia ao an-trano ihany aza :

 Lire la suite...

Mampiakatra ny tratra ao an-trano

14/05/2019

Ny tratra no anisaníny mampiavaka ny bikaníny vehivavy aminíny aníny lehilahy. Toy ny faritra rehetra aminíny vatana dia mila koloina izy io.

 Lire la suite...

Mampiakatra ny tratra ao an-trano

07/05/2019

Ny tratra no anisaníny mampiavaka ny bikaníny vehivavy aminíny aníny lehilahy. Toy ny faritra rehetra aminíny vatana dia mila koloina izy io.

 Lire la suite...

Manafisaka kibo ao an-trano

30/04/2019

Raha tiana hiala ny roroa eo aminíny kibo dia mila ovaovaina ny fampihetseham-batana hikoloana azy. Ireto telo manaraka ireto dia mikolo ny hoza-kibo manokana. Atao marina tsara ny fihetsika mba handaitra.

 Lire la suite...

Forme

Manatsara bika aorianíny fety

08/01/2019

Hanampy anao hanintsana ireo lanja azo nandritra ny fety ireto fampihetseham-batana tsotra ireto. Ny tombony dia mampiasa ny faritra rehetra aminíny vatana izy ireto.

 

 

Manamafy ny fe

Mitsangana ka atao mitovy tantana amin’ny soroka ny tongotra roa. Atosika mihemotra mankany aoriana ny fitombenana sady aforitra ny lohalika, toy ny handeha hipetraka. Atao mitovy tantana amin’ny gorodona ny fe vao mijanona. Raha efa izay dia arenina moramora ny vatana sady manosika mafy ny vatana amin’ny alalan’ny vody tongotra. Rehefa mampiakatra ny vatana no mamoaka rivotra amin’ny vava. Terena hikainkona ny fitombenana rehefa tafiarina. Izay fihetsika izay no averina in-15 dia miato 3 minitra vao mamerina indray. Manao andiany 3.

 

Manamafy ny tratra

Mipetraka eto dia mitazona tavoahangin-drano na « haltères » raha manana. Tazonina hahitsy ny lamosina. Tsy azo alempona. Ampidirina tsara ny hoza-kibo. Akarina ny tanana roa dia havonkona hahazo zoro 90° ny  kiho ka atao mifanitsy amin’ny soroka izany. Atao mifanakaiky ny kiho roa sady mamoaka rivotra amin’ny vava dia averina amin’ny paozy niaingana no mitroka rivotra amin’ny orona. Izay fihetsika izay no averina in-15. Miato 30 segaondra dia mamerina andiany iray vaovao. Manao andiany 3

 

Mampitombo ny fitombenana

Mitsilany amin’ny tany indray eto. Aforitra ny lohalika roa. Akarina amin’ny farany avo izay takatra ny fitombenana sady terena hikainkona.  Ny tanana kosa ajanona hitehaka amin’ny tany manaraka ny vatana ihany. Tokony hijanona hahitsy ny lamosina mandritra izany. Miato 2 segaondra eo dia miverina amin’ny paozy niaingana. Averina in-50 ity fihetsika ity. Miato kely dia manao andiany iray hafa.

 

Manafisaka ny kibo

Mitsilany ihany dia akarina eo amin’ny tratra ny lohalika. Atao mitehaka eo amin’ny fitombenana kosa ny vody tongotra. Atao ao ambadiky ny loha ny tanana. Sokafana ny kiho. Tsy atao mitehaka amin’ny tratra ny saoka mba tsy hampijaly ny tenda. Akainkona hiditra ny foitra. Ampiakarina miaraka ny valahana sy ny soroka sady mamoaka rivotra amin’ny vava. Rehefa mamotsotra ny tongotra sy ny soroka ka mamerina azy amin’ny paozy niaingana no mitroka rivotra amin’ny orona. Averina in-15 izay fihetsika izay dia atao mahavita andiany 4.

 

Mampanify ny valahana

Matory miorirana dia apetraka ambanin’ny loha ny tanana iray. Apetraka manoloana kosa ny tanana faharoa. Akarina avo izay takatra ny tongotra roa mifampitehaka sady mamoaka rivotra amin’ny vava. Rehefa mampidina ny tongotra vao mitroka rivotra amin’ny orona. Averina in-30 izao fihetsika izao dia asiana in-15 kelikely, izany hoe tsy akarina avo loatra ny intsony ny tongotra. Mivadika amin’ny lafiny ilany avy eo.

Atao matetika fotsiny ireo dia hihatsara ny bika sady hihena ny vatana

Lilou

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo