Jejoo

Dans la même rubrique

Ny fomba fikoloana tarehy sy hoditra, raha milomano matetika

15/01/2019

Rehefa hilomano dia misy ireo fihetsika amam-pahazarana tokony hatao, mba hitazonana ny hatsaran’ny hoditra. Ho an’ireo tena milomano matetika sy amin’ny fotoana raikitra kosa indray dia tena mila ovaina sy ahitsy hatramin’ny akora sy ny fahazarana atao mihitsy. Inona avy izany ny tokony hatao mba tsy ho simba ny tarehy sy ny hoditra ?

 Lire la suite...

Manala ireo faritra mangana eo amin’ny maso ny ovy

14/01/2019

Bongongo matetika ny hodi-masonao, ary mamariparitra mangana mihitsy aza izany ho an’ny sasany.

 Lire la suite...

Ireo antony tena mampikentrona ny tarehy

09/01/2019

Manaratsy endrika ny kentrona. Fihetsika tsy voatandrina fotsiny dia efa mety hahatonga ny fipoirany. Ireto no tsara ho fantatra mahakasika azy ireny sy ny fomba fiarovana ny tarehy amin’ny kentrona.

 Lire la suite...

Tamenak’atody sy tantely : manatsara ny tarehy be menaka

07/01/2019

Andairan’ny mony sady mora mangirana ny hoditra mitera-menaka na matavy. Noho ireo tavo mivoaka eo aminy no mitarika izany. Azo arindra anefa ny fivoahan’io tavy io, mba tsy ho simban’ny mony sy ny loto ny hodi-tava ary hikatona kokoa ny mason-koditra. Tamenak’atody sy tantely no vahaolana !

 Lire la suite...

Mampiankin-doha ve ny « produits » fanao amin’ny tarehy ?

03/01/2019

Maro amin’ny vehivavy malagasy no manam-paniriana te hikolokolo ny tarehy, rehefa tonga amin’ny taona sy fotoana iray.

 Lire la suite...

“Lait” sy “lotion” natoraly, ho an’ireo hoditra marefo

03/01/2019

Mila mailo sy mitandrina amin’ny akora fampiasany amin’ny tarehiny ny olona manana karazan-koditra marefo.

 Lire la suite...

Hodi-boasary sy yaourt : Manala mony sy “points noirs”

03/01/2019

Mbola misy voasary tazana eny an-tsena eny amin’izao ankatoky ny fiafaran’ny ririnina izao. Azonao araraotina tsara ny mampiasa ny hoditr’izy ireny, hanesorana tsikelikely ireo mony sy “points noirs” tavela eo amin’ny tarehinao. Ho hitanao fa hadio ny hodi-tavanao, halandina ary ho velom-bolo sy hihatanora ihany koa.

 Lire la suite...

Beauté

Mahay mikarakara « peau mixte »

08/01/2019

Sokajin-koditra roa indray hita eo amina endrika iray no atao hoe : « peau mixte ». Araka izany, misy faritra maina sy makina no sady ahitana faritra mitera-menaka eo aminy.

 

Ahoana àry no hikoloana azy ? Inona ny “produits” ampiasaina ? tahaka ny ahoana ny « maquillage » mifanaraka aminy ? ….

Ny hamantarana azy

Rehefa « peau mixte » ny sokajin-koditra dia mora mitera-menaka sy mora tsemboka ny tarehy. Indraindray anefa, toa ara-dalàna tsy misy olana mihitsy. Isan’ny hamantarana azy koa ny “points noirs” matetika, satria misy faritra misy mason-koditra misokatra eo aminy. Araka izany dia tsy mifandanja ilay tarehy ka izay no mahasarotra ny fikarakarana azy. Na izany aza, tsy maharitra mandava-taona ireo olana ireo, fa mandalo ihany.

Miovaova

Rehefa eo anelanelan’ny 20 hatramin’ny 35 taona ny vehivavy no tena matetika manana an’ity sokajin-koditra ity. Tandremo fa mety ho avy amin’ny tsiry mpanentana mikorontana na avy amin’ny singa ety ivelany no mahatonga ny hoditrao ho lasa “mixte”. Isan’ny mitarika izany izao ny sigara, ny siramamy be loatra, ny sakafo voahodina ara-indostrialy, ny fanabeazana aizana toy ny pilina na ny “stérilets”, ny loto, ny rarin-tsaina… Toy izay koa ireo akora ampiasaina : “huiles”, “crème”, “lait”, “lotion”… raha tafahoatra na tsy hay ny nampiasa azy.

Alikaola sy sigara

Vakiana fotsiny eo amin’ny tarehy, tahaka ny fitenin’ny tanora, ny fomba fisakafo tsy mety, ny alikaola sy sigara, ny tsy fisotroana rano. Raha te hanana tarehy tsara hoditra dia ireo antony telo ireo no arahi-maso voalohany, mialohan’ny hampiasana akora. Azo leferina kokoa ny alikaola raha amin’ny antonony, fa ny sigara no tena fadiana, indrindra raha efa “peau mixte” ny sokajin-koditra. Miketraka avy hatrany ilay hodi-tava, mihamanify, miroraka, mikentrona… ao anatin’ny fotoana fohy.  Eo amin’ny haingon-tava indray dia “maquillage” malefaka sady manome vokatra natoraly, tsy mirentirenty be, no mety amin’ity sokajin-koditra ity. Afaka manao “fond de teint” tsara ireo manana sokajin-koditra mifangaro, saingy tsy tsara loatra raha ampiana sy tsindriana matetika, mandrapaharivan’ny andro. Afaka manao “poudre” ihany koa, saingy tsy azo tsindriana hosotra maro sosona na atao matevina.

 Ireo akora tian’ny « peau mixte »  :

-          “Gel moussant” ; “eau micellaire” na “eau démaquillant »,  hanadiovana tarehy

-          « Crème légère » misy fangarona voankazo, na misy misy soratra hoe : « peaux à imperfections », ampiasaina amin’ny alina

-          « Crème fluide matifiante », hanamandinana isa-maraina.

 

Ando

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo