Jejoo

Dans la même rubrique

Ranom-boankazo “majika” mitroka tavy miandrona, amin’ny alina

08/01/2019

Maro ireo antony mahatonga ny vehivavy ho lasa be kibo. Ny fomba tena tsotra sy mahomby hisorohana izany nefa dia ny fihinana sakafo voalanjalanja hatrany, ankoatra ny fanaovana fanazaran-tena.

 Lire la suite...

Fomba 6 tsy ampoizina, manampy anao hihena vetivety!

17/12/2018

Raha efa nandramanao avokoa ny fomba rehetra hampihenan-tena saingy tsy nahomby izany dia andramo indray ireto manaraka ireto. Tsy dia ampoizina loatra izy ireo kanefa dia mahomby amin’ny fandrisihina anao ao anatin’ny ezaka fampihenan-tena

 Lire la suite...

Ireo legioma sy voankazo 3 ampiarahana, mamotika tavy!

10/12/2018

Raha tsy manan-kevitra ianao ny amin’ireo voankazo sy legioma tsara ampiarahina hanaovana “smoothie” dia atoronay anao ireto karazany roa ireto, izay mora mampihena tokoa noho ireo tombontsoa azo avy amin’ireo akora mandrafitra azy.

 Lire la suite...

Ireo sakafo mampihena

03/12/2018

Fantatrao ve fa misy ny sakafo tsara ampiarahina mba hahatonga azy ireo handoro kaloria sy hampihena haingana kokoa ? Ireto ny santionany amin’izany, ka tsara ho fantatra :

 Lire la suite...

Mihena 60 kilao noho ny fampiasana ny tambajotram-pifandraisana

26/11/2018

Misy akony amin’ny fiainan’ny mpampiasa azy, ny tambajotram-pifandraisana. Tsy voatery ho ratsy foana anefa izany fa mety hitondra izay mahasoa ihany koa.

 Lire la suite...

“Avoine” sy “citron” atao “jus” : 5 andro dia mihena 5 kilao

05/11/2018

Mahery vaika ny fiasan’ity zava-pisotro iray ity ary mety hampihena hatrany amin’ny 5 kilao mihitsy, ao anatin’ny herinandro monja. Mitroka tavy mantsy izy ity. Araho ange e !

 Lire la suite...

Avoine no atao sakafo maraina, raha te hihena

15/10/2018

Ny sakafo maraina no sakafo lehibe indrindra ao anatin’ny tontolo androary efa voamarin’ireo imatihanina momba ny fomba fisakafo, na ny “nutritionnistes” izany.

 Lire la suite...

Minceur

Rano mamay, asiana citron sy sakamalaho : Mampitsonika tavy haingana be

07/01/2019

Azo ampiasaina tsara ny rano hampihenan-tena satria ny rano no manadio ny ao anaty amin’ny loto sy poizina rehetra tafiditra ao.

 

 

Ireny mantsy no mahatonga ny tavy hiandrona. Tena ilaina izany, indrindra taorian’ireny fety ireny izay nihinanana sakafo matsiro nisesisy. Misy fomba tena mety kosa hisotroana rano mba hahatonga azy hampihena tokoa.

 

Rano mamay na matimaty ihany

Raha ampiarahana amin’ny fanamboarana ny sakafo ho voalanjalanja tsara ny fisotroana rano mamay na matimaty dia hampihena haingana. Noho izany dia tokony hisotro rano matimaty na mamay betsaka raha te hihena. 1,5 litatra isan’andro eo.

 

  • Ny fotoana isotroana azy 

Sotroina alohan’ny sakafo maraina raha  mbola tsy misy  na inona na  inona ny vavony, mba ho voadio ny taovam-pandevonan-kanina sy ny  tsinay.  Sotroina mandritra ny  tontolo andro avy eo.

 

Tapohina ranom-boasarimakirana

Hitombo ny fahafahan’ny rano mafana na matimaty hanadio sy hampihena raha tapohina ranom-boasarimakirana kely. Sady be vitamina C mantsy ny voasarimakirana no manana fahafahana manapaka fahazotoan-komana sy mandoro tavy koa. Tsy tokony hatao diso tafahoatra ny fatrany anefa mba tsy hitarika fikorontanana ho an’ny vavony sy ny voa. Voasarimakirana tapany ihany ho an’ny rano 1,5 litatra.

Asiana sakamalaho

Fomba azo hampihenana tena avy any Atsinanana koa ny misotro dite sakamalaho. Sady mampihisatra ny fahazotoan-komana izy ity no manome hery koa ankoatra izay.

  • Toy izao ny fanamboarana azy 

Voasana ny sakamalaho 3 sm dia tetehina manify. Atao ao anaty  « carafe » dia tapohina rano vao nangotraka eo amboniny. Avela hahazo ny tsiron’ny sakamalaho mandritra ny 10 minitra ilay rano. Tantavanina dia io no sotroina mandritra ny tontolo andro.

Raha ampiana voasarimakirana kely ity dite ity dia sady manapaka ny fahazotoan-komana no tsy mampitohana sady manatsara ny fandevonan-kanina koa. Hampihena haingana kokoa.

.

Miss

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo