Jejoo

Dans la même rubrique

Tsiambaratelo mampaharitra ny fanambadiana

15/07/2019

Inona ny tsiambaratelo mampaharitra ny fiarahana sy mikolo ny fitiavana eo amin’ny olon-droa ?Mety fihetsika kely sy bitika izy ireny kanefa misy vokany. Atoronay anao ny santionany :

 Lire la suite...

Ny atao haha-latsa-pitia azy tanteraka

08/07/2019

Tianao ho latsa-pitia tanteraka aminao ve izy ? Azo atao ihany izany. Ireto misy torohevitra mety hanampy anao : Efa mba nifanerasera aloha

 Lire la suite...

Torohevitra 5 hanadinoana tanteraka ny olon-tianao taloha

01/07/2019

Vehivavy maromaro no nizara tamin’ny Jejoo ny fomba nanadinoany ny olon-tiany izay nandao azy sy nisaraka taminy. Azonao angalana hevitra izany satria nandaitra tamin’izy ireo.

 Lire la suite...

Azo havotana ny tokantrano miha-rava…

24/06/2019

Azo hatao ny manarina sy manavotra ny tokantrano mitady ho rava raha arahina ireto fitsipika 10 ireto. Tsy mora tokoa kanefa azo atao tsara :

 Lire la suite...

Mihataka amiko izy, inona ny hataoko ?

17/06/2019

Zavatra mety hitranga eo amin’ny mpifankatia ny hoe : toy ny mihataka izany ny an-daniny. Tsy dia mazoto miantso na mandefa someso toy ny tamin’ny vao niaraka. Fa inona ny mitranga? Tsy te-hiaraka aminao intsony ve izy? Tsy tia anao intsony ve izy ? inona ny hatao ?

 Lire la suite...

Paikady 3 hatao dia tsy saro-piaro intsony

03/06/2019

Ratsy avokoa ny vokatry ny hasarotam-piaro indrindra raha diso tafahoatra izany. Mampijaly ny sain’ny olona saro-piaro mantsy izany.

 Lire la suite...

Liva : Tsy tiako intsony ny vadiko

24/05/2019

Tranga mety miseho ao anatin’ny tokantrano koa ny hoe : tsy tiana intsony ny vady. Anisan’ny nahatsapa izany i Liva. Solon’anarana nosafidiany io fa tsy tena nomeny anay ny anarany mba hiarovana ny tokantranony :

 Lire la suite...

Love

Toetra 3 tsy maintsy ovaina mba hampaharitra ny fitiavana

07/01/2019

Tsy misy fiarahana azo antoka 100% fa tena tsy ho rava mihitsy, saingy azo atao ny mampaharitra azy.

 


 Mila finiavana izany, izay tokony handeha ho azy anefa, raha toa ka tena mifankatia. Misy toetra sy fomba sasany mantsy mamparefo ny fitiavana. Isan’izany ireto 3 ireto, izay azo ahitsy, raha tiana ny hiarahana faran’izay ela indrindra amin’ilay olon-tiana.

 
1° Ny fieritreretana fa natao hameno ny banga ilay olon-tiana
Andraikitra be loatra apetraka eo an-tsoroky ny olon-tiana ny fianteherana aminy hameno izay tsy ampy ao aminao.
Midika mantsy izany fa tsy afaka ny mahasambatra ny tenanao ianao, fa mila ilay olon-tiana vao sambatra. Io fiankinan-doha ara-pitiavana io anefa dia mitarika anao hitaky zavatra betsaka loatra amin’ilay olon-tiana. Handreraka azy izany, hankaleo azy ihany koa, ka hiafara amin’ny fisarahana. Ny tokony ho izy dia izao : tsy ankinina amin’olona ny hasambaran’ny tena, satria tsy misy na iza na iza afaka ny tena hahasambatra anao, afa-tsy ny tenanao ihany. 


2° Ny zavatra hafa rehetra no loha-laharana, mandefitra ny olon-tiana
Raha toa ka ambony kokoa aminao ny asanao, ny fianakavianao, ny namanao… noho ilay olon-tianao, dia misy zavatra tsy mandeha ao izay. Indraindray, noho ny antony tsy azo anoharana dia tsy maintsy ampandeferina ilay olon-tiana, saingy raha izany foana mihitsy no fomba itondranao azy dia mila manontany tena ihany hoe : tena tianao ve izy. Angamba koa, misy antony ao, mahatonga anao hidify sy handositra azy, ka mila vahana izany olana izany. Raha toa mantsy ka mitarazoka loatra io fomba fifampitondranareo io dia hitady olona miraharaha azy kokoa ilay olon-tianao. Rehefa mahatsapa fitiavana avy any izy dia handao anao. 


3° Ny fitsaràna ilay olon-tiana sy ny fiezahana hanova azy
Amin’ny ankapobeny, ny olona iray tsy mahavita manaiky ny olon-tiany amin’ny maha-izy azy dia mihevitra fa ho afaka manova tsikelikely io olona iarahany io. Ilay olon-tiana ezahina ovaina indray dia manantena fa rehefa leo ilay mikasa hanova, dia mitsahatra ihany ny farany. Araka izany, tsy misy fifanarahana mipetraka eo amin’ny olon-droa tahaka izany, fa samy manenjana daholo ary samy te ho tompon’ny teny farany. Lasa fifaninana ny fiarahana, ka samy miezaka mandresy avy. Ny tena mety, raha tsy zaka ny toetran’ilay olon-tiana, dia iresahana mazava izy, anontaniana raha vonon-kiova, na tsia. Raha tsy te hiova izy, dia na manaiky azy amin’ilay maha-izy azy iny ianao, na aleo misaraka.

Fytia

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo