Jejoo

Dans la même rubrique

Manatanora ny diloilo kôkô , tantely, citron…izao atao

25/03/2019

Azo sokajiana ho tanora ny endrika iray rehefa mandimandina tsara, madio, mazava loko ary indrindra tsy misy kentrona na miroradroraka.

 Lire la suite...

Mifidy « gel douche » araka ny sokajin-koditra

22/03/2019

Nentina taminao vao tsy ela ny fomba fisafidianana ny savony sy ireny « gel douche » ireny, arakaraky ny filàn’ny hoditra. Raha toa ka tafiditra ao anatin’ireo mila mampiasa « gel douche » ianao dia atoro anao eto indray ny fomba fisafidianana azy, arakaraky ny sokajin-koditrao.

 Lire la suite...

Azo sorohana ny kentrona manodidina ny maso

20/03/2019

Faritra isan’ny sarotiny sy marefo indrindra raha samy hoditra ny eo amin’ny manodidina ny maso.

 Lire la suite...

Vahaolana ho an’ny hoho mihamavo, mora tapaka, …

19/03/2019

Betsaka ireo karazana fahasimbana mety hahazo ny hoho. Mety ho noho ny fahasalamany sy ny toetoetrany izany, kanefa mety ho avy amin’ny akora nampiasainao taminy ihany koa. Soa fa misy ary azo arahina tsara ireo vahaolana mety ho an’ny olana tsirairay…

 Lire la suite...

Manadio tarehy amin’ny tantely, miaro amin’ny kentrona sy firorahana

18/03/2019

Akora tsotra sy natoraly ary sakafo feno ny tantely. Raha hikolo endrika aminy, dia amarino tsara mba ho ireny tantely tsy mitapoka ireny no ampiasaina. Tsotra kely ny fanao azy, raha hanadio tarehy aminy.

 Lire la suite...

Ny fomba fikarakarana tarehy tsy manana olana…

15/03/2019

Betsaka amin’ny vehivavy tsy manana olana loatra eo amin’ny tarehy, na manana tarehy ara-dalàna, no manapa-kevitra ny tsy hikitikitika ilay hodi-tava mihitsy sao miova ny kalitaony.

 Lire la suite...

Lalàna 6 mahatsara ny tongotra mandavan-taona …

14/03/2019

Andro mafana, orana sy fotaka, vovoka… mety hanimba ny tongotra avokoa izany. Raha voafehinao tsara anefa ny “lalàna”

 Lire la suite...

Beauté

Tamenak’atody sy tantely : manatsara ny tarehy be menaka

07/01/2019

Andairan’ny mony sady mora mangirana ny hoditra mitera-menaka na matavy. Noho ireo tavo mivoaka eo aminy no mitarika izany. Azo arindra anefa ny fivoahan’io tavy io, mba tsy ho simban’ny mony sy ny loto ny hodi-tava ary hikatona kokoa ny mason-koditra. Tamenak’atody sy tantely no vahaolana !

 

Akora ilaina

·         Tamenak’atody 1

·         Tantely 1 sotrokely

·         Ranom-boasarimakirana 1 sotrokely

Fikarakarana sy fampiasana azy

Afangaro tsara ireo akora rehetra ireo. Ahosotra amin’ny tarehy efa voadio tsara izany avy eo ary avela hilona mandritra ny 20 minitra. Kobanina amin’ny rano matimaty ny tarehy avy eo.

Inona no tombony entin’ireto akora ireto ?

·         Ny tamenak’atody dia manamandina ny hodi-tava. Ilaina izany, satria io no manarina ny tsy fahampian-drano ao amin’ny hoditra

·         Ny tantely dia sady antibiôtika no manakatona ny mason-koditra ihany koa. Miaro sahady amin’ny mety ho fipoiran’ny kentrona ihany koa izy.

·         Ny voasarimakirana dia manala ny sela maty sady mampamiratra ny tarehy. Manamaina ny mony izy no sady manafaingana ny fahasitranany. Tsy tia masoandro mihitsy ny voasarimakirana rehefa apetaka amin’ny hoditra, ka fadio ny mitanina andro rehefa manao ity maska ity.

 

Ando

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo