Jejoo

Dans la même rubrique

Fraomazy, mofomamy… tandremo, mety hahatonga tohina!

15/07/2019

Indraindray zavatra tsy ampoizina akory dia mety hahatonga tohina eo amin’ny olona iray. Ireto omena anao manaraka ireto ireo mila tandremana manokana satria mety hiteraka izany.

 Lire la suite...

Fomba ahitana torimaso haingana

13/07/2019

Tranga mety hiseho amin’olona ny tsy fahitana torimaso. Maro karazana ny antony mahatonga an’io : rarintsaina, aretina sns. Ireto ny torohevitra atao hampiharina, hahitana torimaso haingana.

 Lire la suite...

Rehefa inona no mila mijery nono ny vehivavy?

12/07/2019

Isan’ny fomba iray hitarafana ny nono, hamantarana raha toa ka misy homamiadana ny « mammographie ». 35 taona, raha aloha indrindra, no tokony hanao azy ny vehivavy.

 Lire la suite...

Tazovony : vodina tamotamo no hanasitranana azy !

12/07/2019

Raha ny fitsaboana ady gasy, rehefa miresaka tazovony matetika dia rongony no mby ao an-tsaina, atao vary amin’anana. Raha ny finoana mantsy dia vokatry ny famisaviana, hono, izy io. Misy ihany anefa ireo nahita fomba hafa dia ny fampiasana ny tamotamo.

 Lire la suite...

Tsy fitovian’ny sokajin-drà amin’ny reny sy zaza: maha-afa-jaza na mahatonga « jaunisse »-ny zaza vao teraka.

11/07/2019

Isan’ny fototra iray mety hampisy olana ny fitondrana vohoka na tsy hahatomombana azy ny tsy fitovian’ny sokajin-drà na « rhésus » eo amin’ny reny sy ny zaza, na ilay antsoina hoe :« incompatibilité foeto-maternelle ».

 Lire la suite...

Areti-nify, aretin-tenda ..mety hitarika “rhumatisme”!

08/07/2019

Aretina tena mitranga amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao ny « rhumatisme » na ny fanaintainan’ny vanin-taolana. Ireto ny resadresaka miaraka amina mpitsabo, momba an’io aretina io.

 Lire la suite...

“Aphtes” : Rahoviana no tokony hanatona dokotera?

01/07/2019

Na olon-dehibe, na ankizikely, dia mety hiseho foana ny “aphtes”. Isan’ny mahatonga azy io ny harerahana, ny rarin-tsaina, ny aretina mitaiza, ny tsy fahampiana fer, ny tsy fahampiana vitamina sns. Ity no tokony hanatonana dokotera, raha misy “aphtes”.

 Lire la suite...

Santé

Voankazo sy legioma, mahavoan’ny homamiadana raha tsy voasasa tsara !

04/01/2019

Tsy ny loto ihany no mankarary fa ny fanafody famonoana bibikely amin’ny voankazo na legioma hanina manta ihany koa.

Na mbola zezika biôlôjika aza no tena ampiasaina eto amintsika, misy ihany ireo karazana legioma sy voankazo,no tsy maintsy ampiasaina io akora simika io. Mila sasana tsara ireo akora ireo mba tsy hankarary.

Mahatonga aretina maro

Raha 12 isa ny legioma sy voankazo nohanina manta isan’andro ka tsy nosasana tsara, dia azo ambara ho efa amin’ny taha ambony ny fanafody famonoana bibikely tafiditra ao anatin’ny vatana. Mety hitarika “maladie de parkinson”, na “Alzheimer”, na homamiadana anefa io singa io, raha be loatra. Ny fanasana tsara ireo voankazo sy legioma hanina no vahaolana tsara, na dia ny 70%-n’io singa io ihany aza no afaka tamin’izany fanadiovana izany. Ho fanampin’izany, mila manadio ny ao anaty ihany koa.

·         Rano mafana : lomana ao anaty rano matimaty mandritra ny 20 minitra eo ho eo aloha ny voankazo sy legioma. Kobanina in-1 mandeha vao hanina.

·         Karibonetra: rarahana karibonetra 2 na 3 tsongo ao anatin’ilay rano hanasana azy. Alona kely 20 minitra vao hanina. Azo soloina ranom-boasarimakirana antsasany ny karibonetra.

·         Zava-pisotro  sotroina rehefa mahatsiaro: ranom-boankazo paoma 1 tasy + ranom-boasarimakirana 2 sotro fihinanana + ranona sakamalaho 1 sotro + sira vaingany ½ + rano avy amin’ny loharano ½ tasy .

Araraka ao anaty kaserôly ny rano ary avela hangotraka eo ambony afo malefaka. Raha efa izay dia araraka ao anaty vera, ka arotsaka ao anatiny ny sira vaingany. Aroina tsara mandrapahalevon’ny sira. Araraka ao avy eo ny ranona sakamalaho, ranom-boasarimakirana ary paoma. Afangaro dia sotroina avy hatrany.

Nelly-Bri

 

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo