Jejoo

Dans la même rubrique

Fa maninona aho no tsy misy mpitia?

25/03/2019

Misy milaza fa iria-mahaory ny olon-tiana. Indraindray tokoa manko, toa mankaleo ihany izy ireny, indrindra rehefa miady lava izay, saingy ireo tokan-tena, tsy mba manana olon-tiana kosa, dia mahatsiaro tena ho very hevitra sy mijaly, indrindra ireo izay mbola tsy niaraka tamin’olona hatrizay niainany.

 Lire la suite...

Ahoana no hifehezana ny hasarotam-piaro ?

18/03/2019

Raha ny tena marina, dia sady tsy tsara no tsy ratsy ny hasarota-piaro. Ny mety ho zava-bitan'ny olona iray saro-piaro tafahoatra, no mety ho ratsy, fa tsy ilay fihetseham-po akory.

 Lire la suite...

Mpifankatia mifanaja : ahoana marina izany ?

15/03/2019

Hoy i Om-Gui any anatin'ny asa-sorany iray hoe : manaja vao mitia. Misy fahamarinany izany, satria raha ny fanadihadiana natao tany Frantsa tany dia isan'ny antony faharoa mahatonga ny fisaraham-panambadiana ny tsy fahaizana mifanaja !

 Lire la suite...

Ahoana no hiatrehana ny homamiadana mahazo ny olon-tiana ?

11/03/2019

Toa latsaham-baratra foana rehefa mahare fa tratran’ny homamiadana ny olon-tiana. Tsy maintsy mitraka anefa, satria sady mitsabo no mila manohana azy ara-tsaina ihany koa. Inona no tena ilainy ? Toy ny ahoana ny toe-tsaina entina miatrika izany sedra lehibe ?

 Lire la suite...

Vehivavy tsy maharitra mitia… Fa maninona ?

04/03/2019

Misy amintsika vehivavy no tsy mba mety maharitra amin’olona anankiray, fa miova lehilahy hiarahana foana.

 Lire la suite...

Lehilahy be revy, atao ahoana ?

25/02/2019

Misy lehilahy tsy azo raràna mihitsy amin’io fitiavana revy io, fa izay tiany ihany no ataony. Ny olana dia tena manelingelina ny tokantrano izany ary mety hitarika hatrany amin’ny fisaraham-panambadiana mihitsy aza.Inona ary no atao ?

 Lire la suite...

Na tena tia aza, tsy azo atao ireto …

22/02/2019

Rehefa tia ny vehivavy dia mahavita mahafoy ny hasambarany mihitsy, mba hahasambatra ny olon-tiany.

 Lire la suite...

Love

Hitia ihany, tsy aleo lehilahy mahay ?!

04/01/2019

Amin’izao fiandohan’ny taona izao dia maro amin’ireo vehivavy tokan-tena no maniry hanana olon-tiana amin’izay.

 Misy mihitsy aza no vonona sy sahy hiditra amin’izay lehilahy sendra azy fotsiny, satria leon’ny fanginana sy tsy mahazaka ny irery intsony. Tsarovy anefa fa hafa ihany izany mifankatia amin’ny lehilahy marani-tsaina izany. Voaporofo ara-tsiantifika rahateo fa tena mambabo fo izy ireny sady tsy mahafaty antoka ny mitia azy...

Tombony tsy azo tsinontsinoavina

Rehefa mijery horonan-tsarimihetsika dia tsy maha-te ho tia foana ny endrika omena ireo olona manam-pahaizana sy mahira-tsaina. Tsy vitsy anefa no voasarika amin’izy ireny, amin’ny tena fiainana. Raha ny fandinihan’ireo manam-pahaizana momba ny fifandraisan’ny olombelona aza, dia lasa «sexy» mihitsy ny lehilahy manan-tsaina, amin’izao vanin’andro iainantsika izao. Nahoana tokoa moa no tsy hanintona ny lehilahy manan-tsaina ? Amin’ny ankapobeny dia tena tian’ny vehivavy ilay mahatsiaro tena ho miaraka amin’olona manana tombony kely : manam-bola, matanjaka, manam-pahefana... Fa tombony iray hafa koa ny fahaizana, sady io tsy mety ritra tahaka ny vola, na mihaosa tahaka ny tanjaka sy andalovana toy ny fahefana. Rehefa miaraka amin’ny lehilahy manan-tsaina dia mahafantatra zavatra betsaka, mahatsiaro tena ho tsy very mihitsy, satria eo foana izy hampianatra sy hitari-dalana ary hanoro hevitra. Etsy an-daniny, tsy azo adinoina fa ny atidoha no tena ifaharan’ny taova rehetra, isan’izany ny taovam-pananahana.

Voaporofo ara-tsiantifika
Tsy resa-be fotsiny anefa izany, fa voaporofo ara-tsiantifika mihitsy ny tombony ananan’ny lehilahy manan-tsaina. 
• Araka ny nambaran’ny avy ao amin’ny oniversiten’i Mexico dia matanjaka kokoa ny tsirinain’ny lehilahy mahay sy marani-tsaina. Olona 400 no nanaovana fanandramana sy nampanaovina fitsapam-pahaizana tamin’izany. 
• Araka ny fikarohana nataon’ny orinasa LoveHoney, izay mpanamboatra kilalaom-pitian’olon-dehibe, dia matetika miray ara-nofo kokoa ny lehilahy marani-tsaina ary tena tia miray ara-nofo mihitsy. 
• Matoky kokoa sy mora mandray kokoa ny lehilahy miaraka amin-janany vavy, ny ray aman-dreny, raha tsapany fa manan-tsaina io lehilahy io. Tsy mila porofo ara-tsiantifika akory izany, fa zavatra hitan’ny maso eny anaty fiarahamonina eny. 
• Tiantsika ny mahita olona manao hadalana sy mampiseho havendranana. Ihomehezantsika ireny, manala andro antsika, saingy tsy ilaintsika ho ao anatin’ny fiainana. Tsy mbola nisy vehivavy babo, noho ny fahabadoan’ny lehilahy anankiray mihitsy !

Fytia

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo