Jejoo

Dans la même rubrique

Mihataka amiko izy, inona ny hataoko ?

17/06/2019

Zavatra mety hitranga eo amin’ny mpifankatia ny hoe : toy ny mihataka izany ny an-daniny. Tsy dia mazoto miantso na mandefa someso toy ny tamin’ny vao niaraka. Fa inona ny mitranga? Tsy te-hiaraka aminao intsony ve izy? Tsy tia anao intsony ve izy ? inona ny hatao ?

 Lire la suite...

Paikady 3 hatao dia tsy saro-piaro intsony

03/06/2019

Ratsy avokoa ny vokatry ny hasarotam-piaro indrindra raha diso tafahoatra izany. Mampijaly ny sain’ny olona saro-piaro mantsy izany.

 Lire la suite...

Liva : Tsy tiako intsony ny vadiko

24/05/2019

Tranga mety miseho ao anatin’ny tokantrano koa ny hoe : tsy tiana intsony ny vady. Anisan’ny nahatsapa izany i Liva. Solon’anarana nosafidiany io fa tsy tena nomeny anay ny anarany mba hiarovana ny tokantranony :

 Lire la suite...

Fambara sivy fa miankin-doha ara-pihetseham-po

20/05/2019

Ahoana no hahafantarana fa tsy fitiavana fa efa fiankinan-doha ara-pihetseham-po no tsapanao ho an’ny olona miaraka aminao ? ireto ny fambara hanavahana azy :

 Lire la suite...

Inona ny tsy hahafoizanao ny vadinao na ny olon-tianao?

17/05/2019

Nahoana no io olona miaraka aminao io no olon-tianao na vadinao fa tsy hafa ? Inona no tsy hahafoizanao azy, inona ny tombony hananany raha mihoatra ny hafa? Nanontaninay ny lehilahy ny hevitr’izy ireo mahakasika izany. Namaly izy ireo :

 Lire la suite...

Te hanadino lehilahy tiana

13/05/2019

Anisan’ny fanontaniana apetraky ny tovovavy vao nisaraka tamin’ny olon-tiany matetika ny hoe : ahoana ny atao hanadinoana azy ? Mankarary fo loatra mantsy ilay fisarahana ary mila adinoina izy. Tena tsy mora ny manadino olon-tiana. Hampahory anao tanteraka anefa raha tsy manapa-kevitra ny hanao izay tokony atao hanadinoana azy ianao.

 Lire la suite...

Nisaraka, ny atao hitrakana indray

15/04/2019

Toy ny fahafatesana kely mafaitra sady mangidy ihany ny fisarahana amin’ny olon-tiana. Sarotra tokoa ny miarina amin’izany saingy azo atao kosa anefa fa mila ezaka anaty. Ny atao :

 Lire la suite...

Love

Hitia ihany, tsy aleo lehilahy mahay ?!

04/01/2019

Amin’izao fiandohan’ny taona izao dia maro amin’ireo vehivavy tokan-tena no maniry hanana olon-tiana amin’izay.

 Misy mihitsy aza no vonona sy sahy hiditra amin’izay lehilahy sendra azy fotsiny, satria leon’ny fanginana sy tsy mahazaka ny irery intsony. Tsarovy anefa fa hafa ihany izany mifankatia amin’ny lehilahy marani-tsaina izany. Voaporofo ara-tsiantifika rahateo fa tena mambabo fo izy ireny sady tsy mahafaty antoka ny mitia azy...

Tombony tsy azo tsinontsinoavina

Rehefa mijery horonan-tsarimihetsika dia tsy maha-te ho tia foana ny endrika omena ireo olona manam-pahaizana sy mahira-tsaina. Tsy vitsy anefa no voasarika amin’izy ireny, amin’ny tena fiainana. Raha ny fandinihan’ireo manam-pahaizana momba ny fifandraisan’ny olombelona aza, dia lasa «sexy» mihitsy ny lehilahy manan-tsaina, amin’izao vanin’andro iainantsika izao. Nahoana tokoa moa no tsy hanintona ny lehilahy manan-tsaina ? Amin’ny ankapobeny dia tena tian’ny vehivavy ilay mahatsiaro tena ho miaraka amin’olona manana tombony kely : manam-bola, matanjaka, manam-pahefana... Fa tombony iray hafa koa ny fahaizana, sady io tsy mety ritra tahaka ny vola, na mihaosa tahaka ny tanjaka sy andalovana toy ny fahefana. Rehefa miaraka amin’ny lehilahy manan-tsaina dia mahafantatra zavatra betsaka, mahatsiaro tena ho tsy very mihitsy, satria eo foana izy hampianatra sy hitari-dalana ary hanoro hevitra. Etsy an-daniny, tsy azo adinoina fa ny atidoha no tena ifaharan’ny taova rehetra, isan’izany ny taovam-pananahana.

Voaporofo ara-tsiantifika
Tsy resa-be fotsiny anefa izany, fa voaporofo ara-tsiantifika mihitsy ny tombony ananan’ny lehilahy manan-tsaina. 
• Araka ny nambaran’ny avy ao amin’ny oniversiten’i Mexico dia matanjaka kokoa ny tsirinain’ny lehilahy mahay sy marani-tsaina. Olona 400 no nanaovana fanandramana sy nampanaovina fitsapam-pahaizana tamin’izany. 
• Araka ny fikarohana nataon’ny orinasa LoveHoney, izay mpanamboatra kilalaom-pitian’olon-dehibe, dia matetika miray ara-nofo kokoa ny lehilahy marani-tsaina ary tena tia miray ara-nofo mihitsy. 
• Matoky kokoa sy mora mandray kokoa ny lehilahy miaraka amin-janany vavy, ny ray aman-dreny, raha tsapany fa manan-tsaina io lehilahy io. Tsy mila porofo ara-tsiantifika akory izany, fa zavatra hitan’ny maso eny anaty fiarahamonina eny. 
• Tiantsika ny mahita olona manao hadalana sy mampiseho havendranana. Ihomehezantsika ireny, manala andro antsika, saingy tsy ilaintsika ho ao anatin’ny fiainana. Tsy mbola nisy vehivavy babo, noho ny fahabadoan’ny lehilahy anankiray mihitsy !

Fytia

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo