Jejoo

Dans la même rubrique

Manatanora ny diloilo kôkô , tantely, citron…izao atao

25/03/2019

Azo sokajiana ho tanora ny endrika iray rehefa mandimandina tsara, madio, mazava loko ary indrindra tsy misy kentrona na miroradroraka.

 Lire la suite...

Mifidy « gel douche » araka ny sokajin-koditra

22/03/2019

Nentina taminao vao tsy ela ny fomba fisafidianana ny savony sy ireny « gel douche » ireny, arakaraky ny filàn’ny hoditra. Raha toa ka tafiditra ao anatin’ireo mila mampiasa « gel douche » ianao dia atoro anao eto indray ny fomba fisafidianana azy, arakaraky ny sokajin-koditrao.

 Lire la suite...

Azo sorohana ny kentrona manodidina ny maso

20/03/2019

Faritra isan’ny sarotiny sy marefo indrindra raha samy hoditra ny eo amin’ny manodidina ny maso.

 Lire la suite...

Vahaolana ho an’ny hoho mihamavo, mora tapaka, …

19/03/2019

Betsaka ireo karazana fahasimbana mety hahazo ny hoho. Mety ho noho ny fahasalamany sy ny toetoetrany izany, kanefa mety ho avy amin’ny akora nampiasainao taminy ihany koa. Soa fa misy ary azo arahina tsara ireo vahaolana mety ho an’ny olana tsirairay…

 Lire la suite...

Manadio tarehy amin’ny tantely, miaro amin’ny kentrona sy firorahana

18/03/2019

Akora tsotra sy natoraly ary sakafo feno ny tantely. Raha hikolo endrika aminy, dia amarino tsara mba ho ireny tantely tsy mitapoka ireny no ampiasaina. Tsotra kely ny fanao azy, raha hanadio tarehy aminy.

 Lire la suite...

Ny fomba fikarakarana tarehy tsy manana olana…

15/03/2019

Betsaka amin’ny vehivavy tsy manana olana loatra eo amin’ny tarehy, na manana tarehy ara-dalàna, no manapa-kevitra ny tsy hikitikitika ilay hodi-tava mihitsy sao miova ny kalitaony.

 Lire la suite...

Lalàna 6 mahatsara ny tongotra mandavan-taona …

14/03/2019

Andro mafana, orana sy fotaka, vovoka… mety hanimba ny tongotra avokoa izany. Raha voafehinao tsara anefa ny “lalàna”

 Lire la suite...

Beauté

Endrika reraka : Ireo « gommage » natoraly mety aminao!

04/01/2019

Ilaina ny mampiasa akora natoraly ikoloana ny endrika, na dia efa mampiasa akora vidiana eny an-tsena aza. Tafiditra ao anatin’izany ny akora fanaovana « gommage » sy maska. Isan’ireo mandaitra sy tsara indrindra, nofantenan’ny matihanina ho anao mpamaky izy ireto.

 

 

Tsara ho fantatra mialoha

Ny maska, dia atao mba hamelombelomana sy hanalefahana ny hoditra. Ny « gommage » indray dia manadio ny hoditra, any anatiny ka hatreny ivelany, ary manala ny loto manentsina mason-koditra. Mila fitandremana, araka izany ny « gommage » satria mety hamparefo ny hoditra. Etsy ankilany, ny olona manao « fond de teint » matetika, na tia mampiasa akora eo amin’ny tarehy, dia tsaratsara kokoa raha in-2 isa-kerinandro no manao « gommage » arahina maska. Raha marefo na makina ny hoditra, dia in-dray mandeha isaky ny tapa-bolana na in-3 isam-bolana ihany, raha betsaka no azo hanaovana azy. Ho an’ny « gommage » anefa dia tsaratsara kokoa raha amin’ny hariva na amin’ny alina no hanaovana azy. Avela miaina malalaka sy azon’ny hazavana izy ny ampitso, izay vao hosorana maska.

 

  • Ho an’ny tarehy mifangaro na « peau mixte »

Mety tsara ho an’ireo hoditra mora maina, nefa mora be menaka izy ity.

-       Siramamy fotsy madinika tsara, 1 sotro lehibe

-       Yaourt tsy mamy 2 sotro lehibe

 

  • Ho an’ny tarehy be menaka, be mony

-       Antsasaka voasarimakirana

-       Menaka oliva kely

-       Siramamy 1 sotro fihinanana

 

  • Ho an’ny tarehy makina

-       Tantely 1 sotro lehibe

-       Yaourt 1 sotro lehibe

-       Vovoka amande 2 sotro lehibe

 

  • Fampiasana ny « gommage »

Afangaro tsara ireo akora ireo, ahosotra amin’ny tarehy ary somary kosehina moramora mandritra ka atao manoritra boribory. Kobanina amin’ny rano matimaty rehefa afa-po.

 

 

 

Ando

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo