Jejoo

Dans la même rubrique

Ireo sakafo 4 mora mitarika homamiadana…

25/03/2019

Misy amin’ireny sakafo hanintsika isan’andro ireny no tena mora mahavoan’ny homamiadana, raha toa ka hanina matetika loatra. Ireto no tena azo ambara ho manafaingany ny fipoirany amin’ny vatantsika.

 Lire la suite...

Ireo antony mahatonga ny “trisomie 21”

22/03/2019

Nankalazaina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny « trisomie 21 » na « mongolisme ». Amin’io andro io dia saika mikaraka hetsika momba an’ity toe-batana ity avokoa ireo olona na fikambanana miserasera amin’ireo olona « trisomique ». Fa inona marina moa izy io ? Hoy ny dokotera natononay.

 Lire la suite...

Andro eran-tany ho an’ny “autisme” Homarihina amin’ny famelabelaran-kevitra sy ny “flash mob”

22/03/2019

“Ny hafaliantsika miatrika ny autisme”. Io no lohahevitry ny famelabelarana arahina adihevitra hotontosaina eny amin’ny Masoivoho Amerikanina eny Andranomena, amin’ny talata 2 aprily.

 Lire la suite...

“Endometriose”: Manatona dokotera!

21/03/2019

Aretina tsy tena fantam-piaviana loatra kanefa mampijaly tanteraka ny vehivavy ny “endometriose”.

 Lire la suite...

Vaksiny miaro amin’ny kitrotro Ny 25 martsa - 5 aprily ny andiany fahatelo

20/03/2019

Hanomboka ny 25 martsa hatramin’ny 5 aprily ny andiany fahatelo amin’ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny aretina kitrotro. Hitety distrika sy faritra maro, araka izany, ny fikambanana PSI, hanao vaksiny ireo zaza enim-bolana hatramin’ny 10 taona.

 Lire la suite...

Zaza manavy : tsy ampidinina fotsiny ny hafanana fa manatona dokotera !

18/03/2019

Rehefa manavy zaza dia tsy tokony hionona amin’ny fampididina hafanana fotsiny fa tsaboina hatramin’ny aretina nahatonga ilay hafanana niakatra. Hoy ny fanazavan’ny mpitsabo.

 Lire la suite...

Tsiry mpanentana mikorontana : manatona dokotera raha…

14/03/2019

Mety hiaina fikorontanan’ny tsiry mpanentana ny vehivavy. Rehefa milamina anefa ny toe-batana sy ny saina dia tokony hiverina ho ara-dalàna izany. Raha tsy izay dia aleo manatona dokotera.

 Lire la suite...

Santé

Miray ara-nofo mandritra ny fadimbolana, manimba ny fahasalamana ve ?

03/01/2019

Misy vehivavy sasany, rehefa tonga fadimbolana no tena miakatra ny filàny hiray ara-nofo. Voatery mamehy ny filàny anefa izy irney, satria matahotra sao tsy azo atao ny miray ara-nofo rehefa tonga fadimbolana. Fa tsy atahorana hisy fiantraikany amin’ny fahasalamana tokoa ve ny miray ara-nofo tonga fotoana ?

 

 

Tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalamana

Tsy dia misy fiantraikany mivantana amin’ny fahasalamana ny fanaovana firaisana ara-nofo amin’ny fotoanan’ny fadimbolana. Ny atahorana kosa dia ny otrikaretina, izay mety hitombo na ho mora tafiditra kokoa any anaty. Mila mitandrina kokoa, noho izany ny mpivady, raha hiray ara-nofo mandritra ny fadimbolana. Isan’ny tsy maintsy atao ny mampiasa fimailo.

Tsy mampitony ny fanaintainana

Misy no milaza fa mampitony ny fanaintainana tsapan’ny vehivavy sasany, rehefa tonga fadimbolana, ny firaisana ara-nofo amin’io fotoana io. Araka ny fikarohana anefa dia tsy misy ifandraisany mihitsy ireo zavatra 2 ireo. Ny sain’ny vehivavy no mahatonga azy hino fa afaka ilay fanaintainana.

Mety mahabevohoka

Mety maha-bevohoka ny fanaovana firaisana ara-nofo mandritra ny fadimbolana, raha toa ka fohy ny tsingerimbolan’ilay vehivavy, izany hoe : vetivety dia tonga ny fotoana mahalonaka azy. Tsy tokony ho adinoina, noho izany, ny mampiasa fanafody fanabeazana aizana, na dia tonga fotoana aza.

 

Isaorana ny Dokotera Robert Razafindramanana

Gynécologue Obstétricien

 

Nelly-Bri

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo