Jejoo

Dans la même rubrique

Ireo sakafo 4 mora mitarika homamiadana…

25/03/2019

Misy amin’ireny sakafo hanintsika isan’andro ireny no tena mora mahavoan’ny homamiadana, raha toa ka hanina matetika loatra. Ireto no tena azo ambara ho manafaingany ny fipoirany amin’ny vatantsika.

 Lire la suite...

Ireo antony mahatonga ny “trisomie 21”

22/03/2019

Nankalazaina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny « trisomie 21 » na « mongolisme ». Amin’io andro io dia saika mikaraka hetsika momba an’ity toe-batana ity avokoa ireo olona na fikambanana miserasera amin’ireo olona « trisomique ». Fa inona marina moa izy io ? Hoy ny dokotera natononay.

 Lire la suite...

Andro eran-tany ho an’ny “autisme” Homarihina amin’ny famelabelaran-kevitra sy ny “flash mob”

22/03/2019

“Ny hafaliantsika miatrika ny autisme”. Io no lohahevitry ny famelabelarana arahina adihevitra hotontosaina eny amin’ny Masoivoho Amerikanina eny Andranomena, amin’ny talata 2 aprily.

 Lire la suite...

“Endometriose”: Manatona dokotera!

21/03/2019

Aretina tsy tena fantam-piaviana loatra kanefa mampijaly tanteraka ny vehivavy ny “endometriose”.

 Lire la suite...

Vaksiny miaro amin’ny kitrotro Ny 25 martsa - 5 aprily ny andiany fahatelo

20/03/2019

Hanomboka ny 25 martsa hatramin’ny 5 aprily ny andiany fahatelo amin’ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny aretina kitrotro. Hitety distrika sy faritra maro, araka izany, ny fikambanana PSI, hanao vaksiny ireo zaza enim-bolana hatramin’ny 10 taona.

 Lire la suite...

Zaza manavy : tsy ampidinina fotsiny ny hafanana fa manatona dokotera !

18/03/2019

Rehefa manavy zaza dia tsy tokony hionona amin’ny fampididina hafanana fotsiny fa tsaboina hatramin’ny aretina nahatonga ilay hafanana niakatra. Hoy ny fanazavan’ny mpitsabo.

 Lire la suite...

Tsiry mpanentana mikorontana : manatona dokotera raha…

14/03/2019

Mety hiaina fikorontanan’ny tsiry mpanentana ny vehivavy. Rehefa milamina anefa ny toe-batana sy ny saina dia tokony hiverina ho ara-dalàna izany. Raha tsy izay dia aleo manatona dokotera.

 Lire la suite...

Santé

Pilina tsy maha-bevohoka : Azo antoka tokoa ve ?

03/01/2019

Karazana fanafody fihinanana, natao hisoroka ny fihaonan’ny tsirinaina lahy sy ny tsirinaina vavy, ao anatin’ny 72 ora, ny « pillule du lendemain ». Toy ireny fanafody fanabeazana aizana ireny ihany, mifototra amin’ny tsiry mpanentana ny fomba fiasan’ny « pillule du lendemain ». « Oestro-progestatif » no betsaka ao anatiny. Fa azo antoka ve izy ity ?

 

 

Tsy azo antoka

Tsy azo antoka 100%  ny fandairan’ny “pillule du lendemain”. Raha toa ka misy fahatarana ny fadim-bolana, dia aleo manao “test de grossesse”. Vao mainka moa mihena ny heriny raha hanina im-betsaka ao anatin’ny volana iray. Noho izany, tsy misy afa-tsy ny fanaovana fanabeazana aizana ihany, no miaro amin’ny vohoka tsy nirina.

Mety hampatavy

Tahaka ny zavatra rehetra, raha toa ka hanina matetika na miverimberina loatra ny “pillule du lendemain”, dia mety hitarika fiantraika any amin’ny vatana. Isan’izany ohatra ny hatavezana. Ankoatra izay, satria ny tsiry mpanentanana no tena miasa ao anatiny dia mety hitarika fikorontanan’ny tsingerim-bolana ny fihinanana azy ka tsy ho fantatra mazava ny fotoana mahalonaka na hiverenan’ny fadim-bolana. Ary ny farany, izay tsy bitika indrindra, mety hiteraka vohoka an-tsoso-koditra ny “pillule du lendemain” raha toa ka hanina matetika loatra.

Isaorana ny dokotera Robert Razafindramananana

Gynécologue – Obstétricien

 

Nelly-Bri

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo