Jejoo

Dans la même rubrique

Tsara sotroina isan’andro ny ronono!

17/06/2019

Amin’izao andro mangatsiaka be izao indrindra no tokony hatao feno otrikaina ny sakafo hanina. Isan’ny mitondra betsaka izany ny ronono. Inona avy moa izany ny voka-tsoa entin’izy ity amin’olona iray? Hoy ny dokotera.

 Lire la suite...

Misy rà rehefa avy miray, fa maninona?

13/06/2019

Mety tranga hiseho mandritra ny firaisana ara-nofo ny hoe : misy rà mandeha tampoka amin’ny fivaviana, kanefa tsy firaisana voalohany no sady tsy fotoanan’ny fadimbolana. Inona no mahatonga azy io ? Inona no tokony hatao ?

 Lire la suite...

Otra nentim-paharazana : Rora sy sira, … no ampiasaina

07/06/2019

Manan-danja tokoa ny otra eo amintsika Malagasy. Betsaka izy ireo amin’izao fotoana : kinésithérapie, ostéothérapie, reflexothérapie sns. Ho an’ny lahatsoratra androany dia ny otra nentim-paharazana Malagasy no ndeha horesahantsika.

 Lire la suite...

Misy fomba fipetraka, mitarika « mycose »!

06/06/2019

Mandeha ho azy tokoa eo amin’ny vehivavy ny mampisakambina tongotra rehefa mipetraka ambony seza. Na mahafatifaty aza ny mijery izany dia mety hankarary io fipetraka io satria mahatonga aretina. Toy izao ny fanazavana.

 Lire la suite...

Te-hiala sigara : ireto ny torohevitry ny mpitsabo !

03/06/2019

Nankalazaina ny zoma lasa teo ny andro iraisam-pirenena tsy hifohana sigara. Mba hahatanteraka izany fialàna sigara sy paraky izany tokoa dia misy torolalana hataon’ny ivon-toerana CCAA (Centre de Cure Aro Aina) etsy Andravoahangy, mba hanamoràna an’io fialana sigara io.

 Lire la suite...

Otra nentim-paharazana : Rora sy sira, … no ampiasaina

31/05/2019

Manan-danja tokoa ny otra eo amintsika Malagasy. Betsaka izy ireo amin’izao fotoana : kinésithérapie, ostéothérapie, reflexothérapie sns. Ho an’ny lahatsoratra androany dia ny otra nentim-paharazana Malagasy no ndeha horesahantsika.

 Lire la suite...

Otra nentim-paharazana : Rora sy sira, … no ampiasaina

24/05/2019

Manan-danja tokoa ny otra eo amintsika Malagasy. Betsaka izy ireo amin’izao fotoana : kinésithérapie, ostéothérapie, reflexothérapie sns. Ho an’ny lahatsoratra androany dia ny otra nentim-paharazana Malagasy no ndeha horesahantsika.

 Lire la suite...

Santé

« Maillot de bain » lena, mahatonga aretin’ny fivaviana

03/01/2019

Mety hitarika olana amin’ny taovam-pananahana ny fanaovana « maillot de bain » mando ela loatra. Tafiditra ao anatin’izany ny “mycose” sy ny fivaivain’ny hoditra sns. Ho an’ireo mikasa ny hiala sasatra any amorontsiraka, tandremo ny manao “maillot de bain” lena maharitra !

 

 

Olana amin’ny hoditra

Mety hitaraika olana eo anivon’ny hoditra ny fanaovana “maillot de bain” mando ela loatra. Ankoatra io olana io dia mety hahatonga “mycose” ihany koa ny akanjo fitondra milomano rehefa lena. Mora mivoatra ao anatin’ny hamandoana sy ny haizina mantsy ny bakteria, ka mora andairan’izany ny vehivavy, ireo olona ao anaty fitsaboan-tena, ireo diabetika ary ireo olona manana hery fiarovana ambany.

Mampiditra singa simika

Mitroka ireo akora simika hita ao anaty rano ny “maillot de bain”. Mipetaka amin’ny taovam-pananahana anefa ny akanjo fitondra milomano, hany ka manimba ny ati-fivaviana sy ny fantson’ny tatavia ireo singa ireo. Ankoatra ny hidihidy dia mety hisy tsiranoka miloko hafahafa  na mamofona ihany koa mivoaka.

Ny atao…

·         Soloina avy hatrany ny “maillot de bain”, raha vao miala avy ao anaty rano.

·         Mandro mihitsy avy eo.

·         Misolo atin’akanjo madio sy vaovao.

 

Bonus :

Raha toa ka sendra voan’ny “mycose” , na mangidihidy ny fivaviana any am-panaovana vakansy, dia afaka mamonjy, mandrapankanesana eny amin’ny dokotera, ny “Soin lavant doux Saforelle”. Manomboka amin’ny 17.000 Ariary ny 100 mililitatra, eny amin’ny tranom-barotra lehibe. Azo araraotina ampiasaina ihany koa ny diloilo kôkô, izay betsaka any amoron-tsiraka, ka safidiana tsara ireo tsy mifangaro. Ahosotra fotsiny amin’ny moron’ny ati-fivaviana sy ny manodidina azy, isaky ny avy misasa.

Nelly-Bri

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo