Jejoo

Dans la même rubrique

Ireo fambaran’aretina avy amin’ny firaisana ara-nofo…

10/01/2019

Aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ny M.S.T raha atao bango tokana. Misy amintsika anefa no tsy mahafantatra mazava tsara ireo fambara tokony ahiahiana fa tratran’io aretina io ny vehivavy iray. Ireto ny tsara ho fantatra.

 Lire la suite...

Voankazo sy legioma, mahavoan’ny homamiadana raha tsy voasasa tsara !

04/01/2019

Tsy ny loto ihany no mankarary fa ny fanafody famonoana bibikely amin’ny voankazo na legioma hanina manta ihany koa.

 Lire la suite...

« Maillot de bain » lena, mahatonga aretin’ny fivaviana

03/01/2019

Mety hitarika olana amin’ny taovam-pananahana ny fanaovana « maillot de bain » mando ela loatra. Tafiditra ao anatin’izany ny “mycose” sy ny fivaivain’ny hoditra sns. Ho an’ireo mikasa ny hiala sasatra any amorontsiraka, tandremo ny manao “maillot de bain” lena maharitra !

 Lire la suite...

Pilina tsy maha-bevohoka : Azo antoka tokoa ve ?

03/01/2019

Karazana fanafody fihinanana, natao hisoroka ny fihaonan’ny tsirinaina lahy sy ny tsirinaina vavy, ao anatin’ny 72 ora, ny « pillule du lendemain ». Toy ireny fanafody fanabeazana aizana ireny ihany, mifototra amin’ny tsiry mpanentana ny fomba fiasan’ny « pillule du lendemain ». « Oestro-progestatif » no betsaka ao anatiny. Fa azo antoka ve izy ity ?

 Lire la suite...

Miray ara-nofo mandritra ny fadimbolana, manimba ny fahasalamana ve ?

03/01/2019

Misy vehivavy sasany, rehefa tonga fadimbolana no tena miakatra ny filàny hiray ara-nofo. Voatery mamehy ny filàny anefa izy irney, satria matahotra sao tsy azo atao ny miray ara-nofo rehefa tonga fadimbolana. Fa tsy atahorana hisy fiantraikany amin’ny fahasalamana tokoa ve ny miray ara-nofo tonga fotoana ?

 Lire la suite...

Akoho nasiana sesika legioma

28/12/2018

Akora ilaina · Akoho lehibe 1 · Karaoty 4 · Tongolo 4 · Voatabia 6 · Sakay · Dipoavatra sys ira · Poavrao · Poarao · Selery · Persily · Rano · Tongolo gasy · Haricot vert · Menaka

 Lire la suite...

Mora marary fo tokoa ve ny vehivavy ?

27/12/2018

Ranomaso mora miroraka, « spasmes », safo-dava… maro ireo toe-javatra miseho, indrindra moa fa amin’ny vehivavy no lazaintsika fa misy ifandraisany amin’ny aretim-po. Misy ifandraisan’ny aretim-po marina ve nefa izy ireny ?

 Lire la suite...

Santé

Inona marina no atao hoe : zaza voaloboka ?

03/01/2019

Tranga mety hiseho amin’ny vohoka rehetra ny zaza voaloboka. Tsy fahalavorarian’ny tarazo no mahatonga azy, amin’ny ankapobeny.

Mila mitandrina manokana ireo vehivavy efa tratran’ity vohoka tsy ara-dalàna ity, satria tokony ho afaka 2 na 3 taona ao mitoe-jaza indray, raha tsy izany dia ahiana hiverina foana ilay zaza voaloboka.

Tsy fahalavorarin’ny tarazo

Raha hazavaina tsotsotra dia tsy fahalavorarian’ny vohoka no antsoina hoe : zaza voaloboka. Vokatry ny olana eo anivon’ny fitambaran’ny tarazo, na ilay antsoina hoe « chromosome 23 », amin’ny tsirinaina lahy sy ny atodinaina no mahatonga azy io. Mety hiseho koa ny hoe : ara-dalàna ny “chromosome 23” amin’ilay vehivavy, fa ny an’ilay lehilahy kosa no lasa avo 2 heny na koa avo 3 heny.

Misy karazany 2

Misy karazany 2 ny zaza voaloboka dia ny zaza voaloboka feno sy ny zaza voaloboka ampahany : 

·         Zaza voaloboka tena feno : Tsy misy ahitra, tsy misy zaza ao anaty tranon-jazan’ilay vehivavy, fa bolongan-javatra misy voany maromaro mitambatra sy fotsifotsy. Vokatry ny fitambaran’ny atodinaina tsy misy « chromosome » sy ny tsirinaina lahy mitondra « chromosome » avo 2 heny noho ny ara-dalàna izy ity.

·         Zaza voaloboka amin’ny ampahany : Ara-dalàna tanteraka indray ny « chromosome » amin’ny atodinaina, saingy be loatra kosa izany ao amin’ny tsirinaina lahy. Misy ahitra ny vohoka, misy zaza, saingy tsy ara-dalàna sy tsy mivoatra ara-dalàna ilay zaza. Mety tsy mitombo tampoka izany no sady mivadika ho bolongan-javatra iray.

 Ahoana no hamantarana fa zaza voaloboka ilay vohoka ?

Toy ny vohoka rehetra ihany dia miseho amin’ny vehivavy ireo fambara fa bevohoka izy : loiloy, fanina, miato ny fadimbolana, be torimaso, kamokamo sns. Rehefa atao ny fitiliana ny vohoka amin’ny “test de grossesse” dia “positif” foana. Raha tsy manao “echographie” mihitsy izy dia misy rà mandeha tampoka any amin’ny faha-3 na faha-4 volan’ny vohokany. Mivoaka miaraka amin’io rà io ny karazana bolongan-javatra kely, toy ireny voanjobory ireny. Manaraka izany dia mibontsina ny kibony ary mihena tampoka.

Iza no tena ahiana hanao zaza voaloboka ?

Amin’ny ankapobeny dia ny vehivavy be taona, mihoatra ny 40 taona, sy ireo vehivavy efa nitondra zaza voaloboka no ahiana hitrangan’izany zaza voaloboka izany. Mila mitandrina ihany koa ireo vehivavy efa afa-jaza ho azy teo aloha ary ireo vehivavy taizan’aretina vokatry ny tsy fahampiana vitamina A.

Ny atao ?

Rehefa voamarina tamin’ny alalan’ny “echographie” fa zaza voaloboka ilay vohoka dia tokony mankany amin’ny dokotera avy hatrany. Diovina ny tranon-jaza, tsaboina manokana, raha toa ka mivoaka ivelan’ny tranon-jaza ilay zaza vaoloboka. Ankoatra izay dia tsy tokony hiteraka mandritra ny 2 na 3 taona ilay vehivavy, satria mety hiverina indray ilay zaza voaloboka, raha akaiky loatra ny fotoana hametrahana zaza.

 

Isaorana ny dokotera Fidy Bariniaina

Clinique et Echographie Fidy Ambatomainty

033 14 209 91

 

Nelly-Bri

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo