Jejoo

Dans la même rubrique

Teraka an’i Psalm West, zanany fahaefatra i Kanye West sy Kim Kardashian

23/05/2019

Nambaran’i Kim Kardashian tamin’ny fomba ôfisialy tamin’ny tambajotran-tserasera ny anaran’ny zanany lahikely vao teraka.

 Lire la suite...

Teraka lahikely i Kanye West sy Kim Kardashian

16/05/2019

Nahazo zanaka lahikely i Kanye Waste sy Kim Kardashian. Ny zoma 10 Mey lasa teo no teraka ity zaza ity raha ny fanambaran’ireo ray aman-dreniny tao amin’ny tambajotran-tserasera.

 Lire la suite...

Teraka andro vitsy taorian’i Meghan Markle ilay vehivavy nitondra ny zanak’i Kim Kardashian sy Kanye West faha-efatra.

14/05/2019

Zanak’izy ireo faharoa nampitondraina vehivavy hafa moa ity zazalahy ity, teraka ny zoma lasa teo.

 Lire la suite...

J. Lo., Victoria Beckham… tia zanaka amin’ny fomba hafa

13/05/2019

Mazàna no tsy manam-potoana hikarakarana ny zanany loatra ireo olo-malaza. Mba hanamarihan’izy ireny ny maha-reny azy, noho izany, dia misy fombafomba ataon’izy ireo izay mampitola-gaga mihitsy indraindray.

 Lire la suite...

“Met gala 2019” : Tena niavaka ny fiakanjon’ireo olo-malaza

09/05/2019

Lanonana lehibe iray ifanomezan’ireo olo-malaza fotoana isan-taona ny “Met gala”. Hetsika fitadiavam-bola izay tanterahina ao amin’ny Metropolitan Museum ao New York izy ity.

 Lire la suite...

Arnaah : “Namangy ahy ny Tompo”

08/05/2019

“Lasa izao ary tsa mipody koa” hoy i Marinna Lemary na Arnaah teo aloha. Taorian’ireo hira evanjelika navoakany izay tsy mbola nisy fanambarana mazava tamim-pomba ofisialy avy aminy dia namoaka hafatra tamin’ny alalan’ireo olona akaiky azy tao anaty tambazotra sosialy Facebook i Arnaah.

 Lire la suite...

Teraka lahikely i Meghane Markle

07/05/2019

Teraka soa aman-tsara ny zanak’izy ireo voalohany omaly maraina 6 mey 2019 i Meghane Markle, vadin’ny printsy Harry.

 Lire la suite...

People

Jennifer Lopez, Victoria Beckham… maneho fitiavan-janaka amin’ny fomba hafahafa

03/01/2019

Mazàna no tsy manam-potoana hikarakarana ny zanany loatra ireo olo-malaza. Mba hanamarihan’izy ireny ny maha-reny azy, noho izany, dia misy fombafomba ataon’izy ireo izay mampitola-gaga mihitsy indraindray.

 

 

 

1.      Ho an’i Jennifer Lopez izao, dia tsy nalefany any an-tsekoly i Emme sy Maximilian, zanany. Tsapany fa tsy mitovy amin’ny fiainan’ny zaza rehetra ny an’ireo zanany ireo, ka dia ampihantainy tokoa. Any anaty fiaramanidina manokana mpitondra azy ireo, ohatra, dia misy toerana filalaovana nitentina 50.000 dolara ny nanamboarana azy.

 

2.      Mirehareha amin’ny fianakaviany tokoa i Heidi Klum. Fahasambarana ny fananany ireo zanany 4, hany ka tsy foiny mihitsy. Rehefa manety ny volon’ ireo zanany lahy izy dia tehiriziny ao anaty harona plastika kely iny volo iny. Amporisihiny ireo zanany hanao ny sariny ary hametaka ireo volo ireo eo amin’ny lohan’izay sary vitany.

 

3.      Manan-janaka 4 ihany koa i Victoria Beckham, kaa iray ihany no vavy. Tsy misy mahazo manosotra “maquillage” eo anoloan’io zanany io mihitsy. Mbola kely loatra mantsy i Harper, araka ny heviny ka sao dia lasa maka tahaka an’izany.

 

4.      Miaina toa an’i Kim Kardashian mihitsy kosa i North, zanany vavy. Mandany vola be mantsy i Kim Kardashian mba hikarakarana ity zanany ity. Mamoaka 5.000 dolara isam-bolana izy, ho an’ny “manucure” an’i North. Misy mpanao volo manokana koa mikarakara ny volony ary ny fitoeran’akanjony dia mihoatra ny iray tapitrisa dôlara ny sandany, sady manana “styliste” ihany koa i North.

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo