Jejoo

Dans la même rubrique

Fa maninona aho no tsy misy mpitia?

25/03/2019

Misy milaza fa iria-mahaory ny olon-tiana. Indraindray tokoa manko, toa mankaleo ihany izy ireny, indrindra rehefa miady lava izay, saingy ireo tokan-tena, tsy mba manana olon-tiana kosa, dia mahatsiaro tena ho very hevitra sy mijaly, indrindra ireo izay mbola tsy niaraka tamin’olona hatrizay niainany.

 Lire la suite...

Ahoana no hifehezana ny hasarotam-piaro ?

18/03/2019

Raha ny tena marina, dia sady tsy tsara no tsy ratsy ny hasarota-piaro. Ny mety ho zava-bitan'ny olona iray saro-piaro tafahoatra, no mety ho ratsy, fa tsy ilay fihetseham-po akory.

 Lire la suite...

Mpifankatia mifanaja : ahoana marina izany ?

15/03/2019

Hoy i Om-Gui any anatin'ny asa-sorany iray hoe : manaja vao mitia. Misy fahamarinany izany, satria raha ny fanadihadiana natao tany Frantsa tany dia isan'ny antony faharoa mahatonga ny fisaraham-panambadiana ny tsy fahaizana mifanaja !

 Lire la suite...

Ahoana no hiatrehana ny homamiadana mahazo ny olon-tiana ?

11/03/2019

Toa latsaham-baratra foana rehefa mahare fa tratran’ny homamiadana ny olon-tiana. Tsy maintsy mitraka anefa, satria sady mitsabo no mila manohana azy ara-tsaina ihany koa. Inona no tena ilainy ? Toy ny ahoana ny toe-tsaina entina miatrika izany sedra lehibe ?

 Lire la suite...

Vehivavy tsy maharitra mitia… Fa maninona ?

04/03/2019

Misy amintsika vehivavy no tsy mba mety maharitra amin’olona anankiray, fa miova lehilahy hiarahana foana.

 Lire la suite...

Lehilahy be revy, atao ahoana ?

25/02/2019

Misy lehilahy tsy azo raràna mihitsy amin’io fitiavana revy io, fa izay tiany ihany no ataony. Ny olana dia tena manelingelina ny tokantrano izany ary mety hitarika hatrany amin’ny fisaraham-panambadiana mihitsy aza.Inona ary no atao ?

 Lire la suite...

Na tena tia aza, tsy azo atao ireto …

22/02/2019

Rehefa tia ny vehivavy dia mahavita mahafoy ny hasambarany mihitsy, mba hahasambatra ny olon-tiany.

 Lire la suite...

Love

Tsy natao handamina ny disadisan’ny mpivady ny zanaka !

03/01/2019

Harena, sombin’ny aina, mpandova, rehareha… Ireo no anoritantsika Malagasy ny zanaka. Indraindray anefa, ao ambadik’ireo, dia ataontsika fitaovana izy ireny, ialokalofana sy atao ala-olana, indrindra rehefa misy olana ao an-tokantrano.

 

 

 Be dia be ny endrika hisehoan’izany, izay tsy eritreretintsika akory. Saingy mety hisy akony ratsy amin’ny toe-tsain’izy ireo izany, no sady tsy voatery hahazo ny vokatra tadiavina akory isika…

Tsy itazonana lehilahy efa te hisaraka

Vao tsy mivady akory ny mpifankatia sasany, dia efa manao ny zanaka, izay mbola tsy misy akory, ho fitaovana. Ny vehivavy no tena mpampiasa ity tetikady ity : manao izay hahabevohoka, mba hitazonana ny lehilahy tsy hisaraka aminy. Mety hisy tokoa ny lehilahy tsy mitsoaka adidy sy andraikitra, ka mijanona eo amin’ilay vehivavy bevohokany, na dia efa tsy misy intsony aza ny fitiavana. Saingy amin’ny ankapobeny, mitaty ny vokatr’izany ireny vehivavy ireny, rehefa tonga ao an-tokantrano. Miainga ao amin’izay mantsy ny valifatin’ny lehilahy : vono, fampirafesana… Raha fiadanana sy hasambarana no notetehina, dia vao mainka fahoriana no iainana. Tsy voatery hanaiky hijanona koa anefa ilay lehilahy nahabevohoka, fa mety hitsoaka izy, na koa ilay zanaka fotsiny no raisiny ho adidy, fa izy akory tsy hanambady an’ilay vehivavy.

Tsy manova ny toetra ratsin’ny lehilahy

Rehefa tonga ao an-tokantrano dia mbola misy ireo mihevitra, fa ny fiterahana no mety hamaha ny olana sy ny disadisa misy eo amin’ny mpivady. Misy, noho izany, ireo misafidy ny hiteraka,  na ny hiteraka indray, sao izany no hampitony an’ilay lehilahy, hanakana azy tsy “hihodina”, hahatamana azy ao an-trano, handrisika azy hampidi-bola bebe kokoa… Mety ho hevitra mety izany, raha tena zava-dehibe amin’ilay lehilahy ny manan-janaka. Saingy ny fiterahana dia tokony hifanarahan’ny olon-droa, mba tsy hifanomezan-tsiny. Tokony ho samy vonona hitaiza, hamelona sy hikolokolo mantsy ny olona roa, vao miroso amin’izany. Raha tsy vonona akory ilay lehilahy, dia mety hifanohitra amin’izay andrasana aza no mitranga : vao mainka izy hitady vehivavy hafa, satria tsy hanam-potoana loatra hikarakarana azy ianao rehefa sahirana amin’ny zazakely ; leo ny manolo tatin-jaza sy ny tomany izy, dia hitady lalana hivoahana foana… Tsy vahaolana mihitsy izany ny miteraka, fa aleo aloha vahana hatrany amin’ny fakany ny olana misy. Rehefa milamina tsara, izay vao mametraka zaza.

Tsy fanaovana “chantage” rehefa hisaraka

Ny zaza fito, hono, tsy mahafehy trano, nefa indraindray, misy mihevitra fa rehefa eo ny zanaka, dia voaaro amin’ny fisaraham-panambadiana ny tokantrano. Ireo zaza mihitsy aza no atao fitaovana, hanambazana (chantage) na handrahonana an’ilay vady, mba tsy hisaraka. Isan’izany ny fitenenana hoe : “tsy ho hitanao intsony ireo zaza ireo raha mivoaka ny varavarana eo ianao !”. Indraindray koa, matahotra zavatra miandry isika, raha tena misaraka tokoa, hany ka ireo ankizy no ialokalofana : “Raha tsy nisy ireo zaza ireo dia efa nilaozako ianao !”. Adinontsika, fa tsy misy hidiran’ny ankizy mihitsy ny fanambadian’ny ray sy reniny. Olon-droa no nifanaraka ny hivady, olon-droa koa izany no tokony hifampiraharaha rehefa hisaraka. Marina mihitsy, fa tsy maintsy tsinjovina ny ankizy, saingy tsy misy hidiran’izy ireo ny resaka tokantrano. Azon’ny ray sy reny atao tsara rahateo ny manao ny adidiny amin-janany, na misaraka aza izy ireo, fa tsy tokony alatsaka eo anelanelany ny ankizy. Sady tsy mahamenatra rahateo ve izany hoe : ny zaza tsy manan-tsiny no iafenanana sy ialokalofan’ny olon-dehibe ?!

 

Fytia

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo