Jejoo

Dans la même rubrique

« Baumes à lèvres », tsy azo hanaovana matetika

17/06/2019

Faritry ny vatana mila koloina manokana ihany koa ny eo amin’ny molotra. Mandavan-taona no hanaovana izany saingy hamafisina sy atao miavaka kosa izany rehefa ririnina toy izao ny andro. Hisorohana ny molotra vakivaky, mangana, na mikentrokentrona no anton’izany… Indro àry ny torohevitra fikoloana ny molotra amin’izao andro mangatsiaka izao.

 Lire la suite...

Karaoty, akondro,… manatanora endrika vetivety

14/06/2019

Tsotra kely ny fomba fikolokoloana tarehy amin’ny alalan’ireo akora natoraly toy ny voankazo sy legioma. Ireto aroso anao ireto izao dia akora natoraly telo karazana, samy haingam-piasa raha hiady amin’ny kentrona sy hanatanorana ny endrika.

 Lire la suite...

Mampaniry volo ny voana papay

13/06/2019

Ahitana singa antsoina hoe : « acide folique » ny voana papay. Io singa io izay manamora ny fikorian’ny singa antsoina hoe : « follicules pileux » izay mampaniry ny volo. Ankoatra izay anefa dia miaro amin’ny karazana aretin’ny hodi-doha ihany koa izany. Andramo ary ity maska ity mba hampaniry volo.

 Lire la suite...

Fomba 4 mahatsara tarehy lalandavaFomba 4 mahatsara tarehy lalandava

12/06/2019

Ny vehivavy rehetra dia te hanana tarehy tsy misy tomika mandavan-taona avokoa.

 Lire la suite...

Crème dépilatoire : Tsy manimba hoditra ve ?

11/06/2019

Akora fampiasa amin’ny fanalana volo ny “crème dépilatoire”. Tsotra fampiasa izy itony, efa maro karazana rahateo eny an-tsena, … fa ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe ahoana no fampiasa azy ? Inona no tena tsara ? Tsy atahorana amin’ny hoditra ve ? …

 Lire la suite...

Ranomanitra, manafana rehefa ririnina …

07/06/2019

Raha karazan’ireo olona tokam-po amina ranomanitra iray na vitsivitsy ianao, dia tokony hahafantatra fa rehefa miova vanim-potoana toy izao dia tokony hiova ihany koa ny ranomanitra hanaovana.

 Lire la suite...

Relooking : “Maquillage” sy taovolo ihany dia manova be

06/06/2019

Mirotoroto lava eo amin’ny asa aman-draharahany amin’ny andavanandro i Meva. Izy no maodely noraisin’ny matihanina izay nandray ny Jejoo anio.

 Lire la suite...

Beauté

Mampiankin-doha ve ny « produits » fanao amin’ny tarehy ?

03/01/2019

Maro amin’ny vehivavy malagasy no manam-paniriana te hikolokolo ny tarehy, rehefa tonga amin’ny taona sy fotoana iray.

 

 

 Isan’ireo sakana ho an’ny ankamaroany anefa ny hoe : sao hiankin-doha amin’ilay akora ny tarehy, ka raha vao tsy mampiasa dia simba. Fantaro anefa fa na tsy misy olana aza ny tarehy dia mila koloina sy arovana mba ho tsara lalandava. Anjaranao indray avy eo, ny mifantina izay akora azo antoka.

Mamantatra ireo “produits” tsara

Maro ny karazana “produits” mitobaka eny antsena ary sahirana ny olona misafidy izay ampiasaina. Manahy koa anefa ny ankabeazan'ny olona sao  vao mampiasa izany eo dia tsy ho afaka intsony. Raha toa ka “produits” manara-penitra sy vita fitiliana tsara no ampiasaina dia tsy tokony hisy izay fiankinan-doha izay, na kely aza. Rehefa ajanona fotsiny ny fampiasana azy dia tsy hahita vokatra mitovy amin’ilay tamin’ny nampiasa azy intsony. Dia mipetraka eo ny safidy : ilain’ilay olona ve ny mikarakara an’ilay tarehy maharitra, sa atao mandalo ihany izany ? Hampiasa akora hafa indray ve ?  

Tsy izy raha vao mampiankin-doha

Raha akora tsy azo antoka, namidy teny rehetra teny kosa no ampiasaina, dia mety hisy fiantraikany. Raha mahatsiaro ho miankin-doha dia tsy mahomby izay ny akora ampiasainao. Raha vao tsy mampiasa an’ilay “produits” dia miova tsikelikely ilay hoditra, miharatsy kalitao ihany koa ka toy ny zava-mahadomelina ho azy ilay akora. Noho izany, tsy azo atao mihitsy ny mividy akora avy hatrany fa aleo manatona matihanina foana aloha mba hanoro hevitra.

Tsy ny lafo no tsara

Betsaka ny matahotra mividy akora azo antoka fikoloana tarehy, sao dia hanimba azy. Sakana hafa koa ny hoe : lafolafo izy ireny. Tsy midika velively anefa izany hoe : rehefa lafo dia tsara ny akora iray. Mety ho tsara sy lafo koa anefa, saingy tsy mifanaraka amin’ny hoditr’ilay nampiasa azy. Ny fitsipika fototra dia mila mahafantatra ny sokajin’ny hodiny sy ny akora fady aminy ny vehivavy. Mila fantarina tsara ihany koa ny hetahetan’ilay hoditra, ka miainga amin’izay ny fikolokoloana na fitsaboana atao. Any amin’ny matihanina ihany anefa no hahafahana mahazo antoka izany. Mialohan’ny hampiasa akora, hikitika tarehy, dia tsara foana ny maka hevitra, na indray mandeha fotsiny aza, amin’ireo matihanina.

 

Isaorana i Ambinintsoa Rasoanaivo , Beauty And'Ntsoa Faravohitra.

Fifandraisana :  033 11 276 98.

 

Ando

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo