Jejoo

Dans la même rubrique

Te hikolo ny voa, tosi-dra sy tsinay…mihinàna tsaramaso mena!

15/01/2019

Manadio ny taova rehetra any anaty ny tsaramaso mena. Ny vitamina B izay ao anatiny dia manamora ny fiasan’ny tsinay ka sady manadio ny vatana no manampy amin’ny fampihenam-batana ihany koa. Ankoatra izay dia tsara ho an’ireo marary voa sy manana olana amin’ny tosi-dra ihany koa izy ity.

 Lire la suite...

Zava-pisotro 4 vita amin’ny paoma, mamotika tavy!

14/01/2019

Voankazo azo ampiasaina tsara hanadiovana ny ao anaty sady hampihenan-tena ny paoma. Be « fibres » mantsy izy ity ka izany no mivadika ho akora mamandrika ny menaka sy ny siramamy mba hahafahana mamotika azy ireo haingana.

 Lire la suite...

Menaka tarehy 100% natoraly, amboarina … miaro amin’ny kentrona !

11/01/2019

Ahitana singa simika ahiana ho an’ny fahasalamana ny akora amidy vita eny an-tsena. Izany no mahatonga ny olona amin’izao fotoana mirona kokoa any amin’ireo akora natoraly sy biolojika ho an’ny hoditra.

 Lire la suite...

Tsotra ny manala tsatsakaotra : Citron, vinaingitra, diloilo kôkô … no vahaolana !

10/01/2019

Misy tsatsakaotra ny hoditrao. Tena feno azy ny hoditra manodidina ny fitombenana sy ny kibo, ny fe, ny nono, ny andilana…

 Lire la suite...

Ranona vahona + letisia : Misoroka aretin’aty !

09/01/2019

Tena mahasalama izany ny zava-pisotro vita amin’ny vahona. Tsara ho an’ny aty izy ity, misoroka izay aretina mety hahazo azy, miady amin’ny fitohanana ihany koa ary manadio ny hoditra. Indro ny zava-pisotro vita amin’ny vahona izay mora karakaraina sady tena mahasalama.

 Lire la suite...

Mahay mikarakara « peau mixte »

08/01/2019

Sokajin-koditra roa indray hita eo amina endrika iray no atao hoe : « peau mixte ». Araka izany, misy faritra maina sy makina no sady ahitana faritra mitera-menaka eo aminy.

 Lire la suite...

Rano mamay, asiana citron sy sakamalaho : Mampitsonika tavy haingana be

07/01/2019

Azo ampiasaina tsara ny rano hampihenan-tena satria ny rano no manadio ny ao anaty amin’ny loto sy poizina rehetra tafiditra ao.

 Lire la suite...

Astuces

Atody sy tain-kafe, manarina hoditra reraka

03/01/2019

Ny hodi-tava no anisan’ny mora ahitana indrindra ny harerahana. Mahatonga ny hoditra ho antitra vetivety izany satria sady mikentrona no somary miroraka ny hoditra.

 Ity paipaika atoro anao androany ity dia sady mety ho an’ny olona reraka no azo ikojakojana ny tarehin’ireo efa nahazoazo taona ihany koa.

Akora ilaina

Atody 1

Tantely

Tain-kafe

 

Fikarakarana

·         Zarahana amin’ny tapotsiny ny tamenak’atody, ka ny tapotsiny no ampiasaina, atambatra amin’ny tain-kafe kely

·         Ampiana tantely ireo ary afangaro tsara

·         Ahosotra amin’ny tarehy ary aza adino ny tenda. Atao matevintevina rehefa manosotra azy

·         Avela hiasa mandritra ny 10 mn eo amin’ny tarehy izay vao kobanina amin’ny rano matimaty.

·         Farano amin’ny fanosorana ny akora manamandina endrika fampiasanao isan’andro.

 

Meva

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo