Jejoo

Dans la même rubrique

Mamerina amin’ny laoniny ny hoditra miroraka

16/07/2019

Aorian’ny vohoka dia mety hivaha ny fizozoran’ny hoditra, na ny an’ny hodi-tava izany na ny an’ny vatana.

 Lire la suite...

Fomba iray afaka amonoana moka

15/07/2019

Zavatra ilaina: Ø Rano mafana 200 ml Ø Siramamy 50g(maty foana na fotsy na mena) Ø Levure boulangerie 1 g Ø Tavoahangy(plastika) Ø Sotro

 Lire la suite...

Mamotsy nify amin’ny hoditr’akondro

13/07/2019

Zavatra ilaina Ø Borosy nify Ø Dentifrice Ø Hoditra akondro

 Lire la suite...

Fanalana ny fofona amin’ny kiraro

12/07/2019

Zavatra ilaina: Sira Ny zavatra atao: 1. Fafazo vaingan-tsira ao anatin’ny kiraro. 2. Avelao hijanona ao mandritra ny alina tontolo. 3. Esory ao anatin’ilay kiraro ilay sira ny ampitson’iny dia ho hitanao fa iala ilay fofona.

 Lire la suite...

WRAP akoho sy legioma by Mihanta

10/07/2019

Akora ilaina Tortillas (any amin’ny tsena lehibe) 4 Nofon-kenan’akoho (blanc de poulet) efa masaka didiny 4 Fraomazy malemy (Vache qui rit na Carré frais …) 120 g Karaoty voakiky 50g Kaokaombra ¼ Ravin-tsalady Saosy vinaingitra 5 santilitatra Sira

 Lire la suite...

Kiraro tery, tsembon-tongotra… paika 5 manavotra

09/07/2019

Kojakoja manandanja amintsika vehivavy ny kiraro, satria mamoaka ny hatsaran’ny paozy sy ny akanjo. Indraindray anefa izy ireny manahirana sady mampijaly antsika. Ireto misy vahaolana vitsivitsy mety hanavotra :

 Lire la suite...

Zazakely voan’ny sery, tsentsina ny orony… izao atao Ny atao:

05/07/2019

Ø Potserina ny hasina tongolo gasy 2 na 3. Ø Arotsaka anaty rano mangotraka iray tasy. Ø Omena ny zaza tsikelikely mandra-pisindan’ilay tsentsina amin’ny orona.

 Lire la suite...

Astuces

Ronono sy karibonetra, mitsabo tongotra vakivaky

03/01/2019

Anisan’ny toe-javatra tena manahirana amin’izao vanim-potoan’ny ririnina izao ny tongotra vakivaky. Ity misy fomba iray mbola tsy faheno loatra, azo entina mitsabo izany.

 

 

 

 

Zavatra ilaina

·         Ronono 2 hatramin’ny 3 tasy

·         Karibonetra 3 sotro fihinanana

 

Fikarakarana

Afanao ny ronono, aza andrasana hangotraka fa rehefa mafana dia esory eo ambony afo. Araraho ao anaty koveta izay antonona ny tongotrao izany. Lomy ao mandritra ny 5 mn ny tongotra. Rehefa vita izay dia koseho amin’ilay karibonetra, toy ny manao “gommage”, ilay faritra misy vakivaky. Avereno ao anatin’ilay koveta misy ronono mandritra ny 10 ka hatramin’ny 15mn indray ny tongotra ary kobano amin’ny rano matimaty. Farano amin’ny fanosorana akora manamandina fanaonao mahazatra amin’ny tongotra.

 

Voka-tsoa entin’ny ronono sy ny karibaonetra

Efa fantatra efa hatry ny ela fa manatsara hoditra ny ronono. Manamandina izy ary manampy amin’ny fiforonan’ny sela vaovao. Manala ireo mety ho mikraoba amin’ilay vakivaky kosa ny asan’ny karibonetra. Tena mandaitra amin’ny tongotra vakivaky, araka izany ity paipaika ity.

 

Meva

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo