Jejoo

Dans la même rubrique

Fa maninona aho no tsy misy mpitia?

25/03/2019

Misy milaza fa iria-mahaory ny olon-tiana. Indraindray tokoa manko, toa mankaleo ihany izy ireny, indrindra rehefa miady lava izay, saingy ireo tokan-tena, tsy mba manana olon-tiana kosa, dia mahatsiaro tena ho very hevitra sy mijaly, indrindra ireo izay mbola tsy niaraka tamin’olona hatrizay niainany.

 Lire la suite...

Ahoana no hifehezana ny hasarotam-piaro ?

18/03/2019

Raha ny tena marina, dia sady tsy tsara no tsy ratsy ny hasarota-piaro. Ny mety ho zava-bitan'ny olona iray saro-piaro tafahoatra, no mety ho ratsy, fa tsy ilay fihetseham-po akory.

 Lire la suite...

Mpifankatia mifanaja : ahoana marina izany ?

15/03/2019

Hoy i Om-Gui any anatin'ny asa-sorany iray hoe : manaja vao mitia. Misy fahamarinany izany, satria raha ny fanadihadiana natao tany Frantsa tany dia isan'ny antony faharoa mahatonga ny fisaraham-panambadiana ny tsy fahaizana mifanaja !

 Lire la suite...

Ahoana no hiatrehana ny homamiadana mahazo ny olon-tiana ?

11/03/2019

Toa latsaham-baratra foana rehefa mahare fa tratran’ny homamiadana ny olon-tiana. Tsy maintsy mitraka anefa, satria sady mitsabo no mila manohana azy ara-tsaina ihany koa. Inona no tena ilainy ? Toy ny ahoana ny toe-tsaina entina miatrika izany sedra lehibe ?

 Lire la suite...

Vehivavy tsy maharitra mitia… Fa maninona ?

04/03/2019

Misy amintsika vehivavy no tsy mba mety maharitra amin’olona anankiray, fa miova lehilahy hiarahana foana.

 Lire la suite...

Lehilahy be revy, atao ahoana ?

25/02/2019

Misy lehilahy tsy azo raràna mihitsy amin’io fitiavana revy io, fa izay tiany ihany no ataony. Ny olana dia tena manelingelina ny tokantrano izany ary mety hitarika hatrany amin’ny fisaraham-panambadiana mihitsy aza.Inona ary no atao ?

 Lire la suite...

Na tena tia aza, tsy azo atao ireto …

22/02/2019

Rehefa tia ny vehivavy dia mahavita mahafoy ny hasambarany mihitsy, mba hahasambatra ny olon-tiany.

 Lire la suite...

Love

Firaisana ara-nofo, mety hampitahotra ihany koa…

02/01/2019

Raha ny tokony ho izy dia fotoana iray mamy dia mamy, ifanomezana fahafinaretana, ny firaisana ara-nofo. Saingy indraindray anefa, misy tranga miteraka tahotra na tebiteby be loatra, ka tsy araka ny nieritreretana azy ny zava-nitranga. Mitantara ny efa niainany, momba izany, ireto vehivavy 4 ireto…

 

 

 

Sorayah, 27 taona : Lehibe loatra

Efa fomba amam-panao tsy vaovao intsony  ny « fellation » eo amin’ny mpifankatia. Na izaho koa aza dia efa mba nanome fahafinaretana ny olon-tiako, tamin’ny fanafosafoana azy amin’ny vava, na dia tsy ankafiziko manokana aza izany. Fa nisaraka ary izahay ary niaraka tamin’olon-kafa vaovao aho. Mampitebiteby foana moa ny firaisana ara-nofo voalohany atao, fa vao mainka tena raiki-tahotra aho raha nahita fa lehibe lavitra ny taovam-pananahany, raha mitaha amin’ny an’ilay lehilahy niaraka tamiko teo aloha, sady amin’izay nangataka « fellation » izy. Nitady irika nialana aho tamin’izay dia tsy nifanao fotoana taminy intsony.

Nanou, 31 taona : Loharano miboiboika

Firaisana ara-nofo voalohany nataoko tamin’ny vadiko ity tantaraiko ity. Efa nisy olona niaraka tamiko ihany talohany, fa ny azy dia tena niavaka. Tena naka fotoana be izy tamin’ny savaranonando : safosafo izany, oroka izany, teny mamy isan-karazany… Tsy mbola niaina zavatra ohatr’izany aho. Fa tsy nampoiziko koa hoe : hay izaho ity “femme fontaine”. Ilay savaranonando elabe sy tsara be angamba no nanaitra an’ilay loharano ! Natahotra be aho, sao nivalan-drano, na marary. Ilay vadiko no nanazava tamiko fa “femme fontaine” aho. Tsy nifantoka intsony aho, nony avy eo, satria tena menatra sy natahotra mafy. Fa amin’izao, efa fantatro ny toe-tenako ary efa nekeko.

Rova, 23 taona : Tsara loatra

Botabota izay aho, tsy dia mahatsiaro tena ho tsara tarehy koa. Lehilahy bôgôsy be izay anefa no niaraka tamiko. Tsy nampoiziko akory hoe : ho liana amiko izy, tamin’ny voalohany, fa noheveriko ho nananihany. Teny ihany ny hasarota-piaroko indraindray, rehefa misy vehivavy hafa mijerijery azy ; teo koa ny tsy fahatokisan-tenako… fa ny hiray ara-nofo voalohany no tena nampitahotra ahy. Ny fanontaniana nibosesika tao an-dohako dia ny hoe : ho tiany ve ny vatako ? Tsy hihomehezany ve aho ? Izy anefa tena tsy naninona ahy mihitsy, fa izaho no tsy nahavita nifantoka tsara, satria feno “stress” loatra.

Lili, 26 taona : Mivantambatana

Mba efa manana traikefa kely ihany aho amin’ny firaisana ara-nofo. Tiako ihany koa ny miaina zava-baovao, fa izay lehilahy anankiray izay kosa dia tena nampitahotra ahy loatra. Talohan’ny firaisana ara-nofo nataonay dia tena hafa mihitsy izy : tsara fanahy sy malefaka be. Rehefa tonga kosa ilay fotoana dia lasa nivantambatana be izy, niteny ratsy mihitsy aza, raha izay no mahalaza azy. Sady nasainy nivantambatana tahaka azy koa aho, mba hampiakatra ny filàny. Tsy andriko ny nahavitan’izay natao, dia lasa aho nitsoaka.

Nangonin’i Fytia

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo