Jejoo

Dans la même rubrique

Fa maninona aho no tsy misy mpitia?

25/03/2019

Misy milaza fa iria-mahaory ny olon-tiana. Indraindray tokoa manko, toa mankaleo ihany izy ireny, indrindra rehefa miady lava izay, saingy ireo tokan-tena, tsy mba manana olon-tiana kosa, dia mahatsiaro tena ho very hevitra sy mijaly, indrindra ireo izay mbola tsy niaraka tamin’olona hatrizay niainany.

 Lire la suite...

Ahoana no hifehezana ny hasarotam-piaro ?

18/03/2019

Raha ny tena marina, dia sady tsy tsara no tsy ratsy ny hasarota-piaro. Ny mety ho zava-bitan'ny olona iray saro-piaro tafahoatra, no mety ho ratsy, fa tsy ilay fihetseham-po akory.

 Lire la suite...

Mpifankatia mifanaja : ahoana marina izany ?

15/03/2019

Hoy i Om-Gui any anatin'ny asa-sorany iray hoe : manaja vao mitia. Misy fahamarinany izany, satria raha ny fanadihadiana natao tany Frantsa tany dia isan'ny antony faharoa mahatonga ny fisaraham-panambadiana ny tsy fahaizana mifanaja !

 Lire la suite...

Ahoana no hiatrehana ny homamiadana mahazo ny olon-tiana ?

11/03/2019

Toa latsaham-baratra foana rehefa mahare fa tratran’ny homamiadana ny olon-tiana. Tsy maintsy mitraka anefa, satria sady mitsabo no mila manohana azy ara-tsaina ihany koa. Inona no tena ilainy ? Toy ny ahoana ny toe-tsaina entina miatrika izany sedra lehibe ?

 Lire la suite...

Vehivavy tsy maharitra mitia… Fa maninona ?

04/03/2019

Misy amintsika vehivavy no tsy mba mety maharitra amin’olona anankiray, fa miova lehilahy hiarahana foana.

 Lire la suite...

Lehilahy be revy, atao ahoana ?

25/02/2019

Misy lehilahy tsy azo raràna mihitsy amin’io fitiavana revy io, fa izay tiany ihany no ataony. Ny olana dia tena manelingelina ny tokantrano izany ary mety hitarika hatrany amin’ny fisaraham-panambadiana mihitsy aza.Inona ary no atao ?

 Lire la suite...

Na tena tia aza, tsy azo atao ireto …

22/02/2019

Rehefa tia ny vehivavy dia mahavita mahafoy ny hasambarany mihitsy, mba hahasambatra ny olon-tiany.

 Lire la suite...

Love

Nofinofim-pilàna ara-nofo : Misy dikany ambadika…

02/01/2019

Ara-dalàna, eo amin’ny olon-dehibe efa mahalala izany antsoina hoe : firaisana ara-nofo, ny manana nofinofim-pilàna na ilay antsoina hoe : “fantasme”.

 Misy amin’izy ireny no azo tanterahina, misy kosa no mahamenatra, na fady, na mampitahotra ny vehivavy, saingy azo amantarana ny maha-izy ny tena sy ny filàna ara-nofo miafina kosa anefa. Voaboasanay aminao ny hevitr’ireto nofinofim-pilàna ireto.

Miray ara-nofo amin’olon-tsy fantatra : te hihoatra sakana

Isan-karazany ny toerana mety hitrangany, arakaraky ny vehivavy, saingy mitovy ihany ny zava-miseho amin’ny ankapobeny : mifanojo ny maso, miakatra ny filàna ary raikitra avy hatrany ny firaisana ara-nofo. Midika faniriana te hihoatra ireo sakana tsy ahafahana mianoka tanteraka ny firaisana ara-nofo izany. Ny vehivavy manana fiainam-pitiavana efa naharitra sy miaina rotoroto, mazàna, no manana io nofinofy io. Toa efa voafatotr’ilay fiarahana mantsy, ka lasa mionona fotsiny amin’ny mahazatra sisa. Manahy ihany koa sao hotsarain’ilay olon-tiana, raha mitondra zava-baovao ao anatin’ny fiainam-pananahana. Izany no mahatonga an’ilay nofinofy : miaraka amin’olona iray tsy fantatra, tsy misy eritreretina, tsy misy tanjona manokana, afa-tsy ny fahafinaretana, izay ihany !

Anaovana herisetra ara-nofo : filàna matanjaka sy mahery setra

Mahamenatra ny vehivavy, amin’ny ankapobeny, ny manonofy ny haolana, satria tsy misy tena maniry izany, amin’ny fiainana andavanandro. Mampiakatra ny faniriana hiray ara-nofo ao amin’ny vehivavy sasany kosa anefa ny manonofy izany. Tsy mitady ny hanaovana firaisana an-terisetra loatra anefa izy, raha ny tena marina, fa ny filàna ao anatiny no matanjaka be, saingy tsy sahiny ny mamboraka izany amin’ny olon-tiany. Ilay herisetra ara-nofo atao aminy dia toy ny midika hoe : ianao ilay mpanolana io no ataoko tomponandraikitry ny filàko, ka ataovy izay tianao atao amiko. Mety ho ilay vehivavy ihany koa no somary mahery setra eo am-panaovana firaisana ara-nofo, saingy miezaka mafy ny hifehy izany izy.

Miray amin’ny lehilahy tonga lafatra : Maniry hotiavina mafy

Fanirian’ny vehivavy maro ny hotiavain’ny lehilahy tonga lafatra. Eto kosa ilay izy dia tsy any amin’ilay lafiny rômantikan’ny fitiavana fotsiny, fa ny hiray ara-nofo amin’ny lehilahy be fitiavana, mahay manambitamby, tsara fanahy, mahafantatra sady mamaly tanteraka izay iriany… no nofinofin’ilay vehivavy. Fahafinaretana fara-tampony tonga lafatra ihany koa no katsahin’ny vehivavy manana ity nofinofim-pilàna ity, saingy amin’ny ankapobeny, tsy matoky tena izy sady tsy mahay manao izay mahasambatra ny tenany. Miankin-doha amin’izay olona iarahany foana izy, ka ny lehilahy no andrasany hitondra fahasambarana sy fahafinaretana ho azy, fa tsy hainy ny mandray an-tanana izany. Tokony hotadidiana anefa fa raha te ho tiana, dia mila mahay mitia ny tena aloha.

 

Fytia

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo